Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY TSY FIOVAOVAN'NY LALAN'ANDRIAMANITRA

Daty
Alatsinainy 27 May 2024

Vakio ny Mat. 5:17,18; Sal. 111:7, 8; Mpitt. 12:13, 14; 1 Jao. 5:3; sy ny Ohab. 28:9. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny fifandraisan'ny Kristianina amin'ny lalàna? 

Manaraka ny dian'ireo mpanavao fivavahana protestanta izay nitandro ny fahamasinan'ny lalan'Andriamanitra ireo Advantista mitandrina ny andro fahafito. Mariho ity fanambarana miezinezina nataon'i John Wesley ity: "Ny Tompontsika dia tonga mba handrava sy hanafoana tanteraka ireo fombafomba sy ny lalàna serernoniely nomen'i Mosesy ny zanak'Isiraely, izay mirakitra ireo didy sy fitsipika mifandraika amin'ny fanaovana sorona sy ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny tempoly. (...) Tsy nofoanany kosa ny lalàna moraly ao anatin'ny didy folo sy nampiharin'ireo mpaminany. Tsy nanana tanjona hanaisotra ny ampahany amin'izany ny fahatongavany. Lalàna tsy azo ovana izany izay "mitoetra mafy toy ny vavolombelona mahatoky any an-danitra". (...) Tsy maintsy mitoetra manan-kery ho an'ny olombelona rehetra sy amin'ny vanim-potoana rehetra ny ampahany tsirairay amin'izany lalàna izany satria tsy miankina amin'ny fotoana na amin'ny toerana na koa amin'ny toe-javatra hafa mety hiova izany fa amin'ny toetran'Andriamanitra sy ny toetry ny olombelona ary ny fifandraisana tsy miova misy eo amin'izy ireo." — Upon Our Lord's Sermon on the Mount, Discourse V, John Wesley's Sermons: An Anthology (Nashville, TN: Abington Press, 1991), pp. 208, 209.

Ampitahao amin'ny Rôm. 7:11, 12; Sal. 19:7-11; Sal. 89:14; sy ny Sal. 119:142, 172 ny Eks. 34:5-7. Inona no ambaran'ireo andininy ireo antsika momba ny fifandraisana misy eo amin'ny lalàn'Andriamanitra sy ny toetrany?

Koa satria ny lalàn'Andriamanitra dia fandikana an-tsoratra ny toetrany, ary koa fanorenan'ny seza fiandrianany sy fototra iorenan'ny fitondrantenan'ny toetran'olombelona dia halan'i Satana izany. "Tsy nisy izay tsy nahita fa raha endrika na tandindon'ny any an-danitra ny fitoerana masina tety an-tany, dia kopia marin'ny lalàna ao amin'ny fiara any an-danitra ny lalàna napetraka tao amin'ny fiara teto an-tany; ary ny fanekena ny fahamarinana mikasika ny Fitoerana Masina any an-danitra dia mahafaoka ny fanekena ny fitakian'ny lalàn'Andriamanitra sy ny tsy maintsy hitandremana ny Sabatan'ny didy fahefatra. Teto ny tsiambaratelon'ny fanoherana mangidy sy hentitra natao tamin'ny fanazavana mirindra ny Soratra Masina izay nanambara ny fanompoana ataon' i Kristy ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra." - HM, t. 449. 

Inona ireo antony ilazan'ny olona matetika fa tsy voatery hitandrina ireo didy folo intsony isika? Araka ny hevitrao, inona no miafina ao ambadik'izany tohan-kevitra izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal