Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Rariny ho an'ny ampahoriana

Daty
Alatsinainy 05 February 2024

Vakio ny Sal. 9:18; Sal. 12:5; Sal. 40:17; Sal. 113:7; Sal. 146:6-10, sy ny Sal. 41:1-3. Inona ny hafatra ho antsika eto ankehitriny?

Asehon'Andriamanitra miharihary ny fikarakarany sy ny fitsinjovany manokana ny rariny ho an'ireo olona marefo isan-karazany, anisan'izany ny ory, ny malahelo, ny mijaly, ny kamboty, ny mpitondratena, ary ny vahiny. Manohana izany mazava ny Salamo, tahaka ny lalàna sy ny mpaminany (Eks. 22:21-27; Isa. 3:13-15).

Salamo maro no ahitana ilay fiteny hoe "ory sy malahelo" ka tsy misy famaritana ny firenena izay niaviany na ny karazam-pivavahany. Izany dia natao hanasongadinana ny fiahian'Andriamanitra ny taranak'olombelona tsy an-kanavaka.

Tsy voafetra amin'ny fahantrana ara-nofo ny fitenenana hoe "ory sy malahelo" fa midika ho fahalemena sy tsy fahafaha-manoatra ihany koa. Manetsika ny fangorahan'Andriamanitra ireo teny ireo ary manambara fa irery tsy manana mpanampy afa-tsy Andriamanitra ilay olona mijaly. Maneho fahitsiana sy fahatokiana ary fitiavana an'Andriamanitra koa ny hoe "ory sy malahelo" noho ny fiaikena ny flankinana tanteraka amin'Andriamanitra sy fialana amin'izay rehetra mety ho fitokian-tena sy fizahozahoana.
Ary izao koa, ny fikarakarana ireny sahirana ireny dia mampiseho ny fahatokian'ny olona amin'Andriamanitra. Ny ratsy atao amin'ireny olona marefo ireny dia fahotana maharikoriko tokoa raha ny kolontsain'ny Baiboly no jerena (Deo. 15:7-11). Mandrisika ny olona mahatoky hanandratra ny feony hanohitra izay rehetra mety ho fampahoriana ny Salamo.

Asongadin'ny Salamo koa ny maha-zava-poana ny fianteherana amin'ny fahaizan'ny olombelona mety maty, sy ny fanindrahindrana izany ho loharanom- pahendrena sy fiarovana. Tsy maintsy manohitra ny fakam-panahy ny vahoakan'Andriamanitra tsy hitoky amin'ny famonjen'olombelona mpitarika na rafi-pitantanana, indrindra raha tsy manaraka ny lalan'Andriamanitra izany.

Noho ny fahasoavany dia nampitovy ny tenany tamin'ny mahantra ny Tompontsika, ka ny Tenany mihitsy no tonga malahelo mba hampanan-karena antsika ny alahelony (2 Kôr. 8:9). Izao no haren'i Kristy: ny fahafahana amin'izay mety ho fanandevozan'ny ota rehetra, ary ny fiainana mandrakizay ao amin'ny fanjakana izay ampanantenainy antsika (Apôk. 21:4). Manatanteraka ireo teny fikasana ao amin'ny Salamo i Jesôsy Kristy amin'ny maha-Andriamanitra Mpitsara Azy, Izay hitsara ny olona noho ny fitondrana tsy mety ataony amin'ny mahantra, ary koa noho ny fanaovany ankilabao ny adidy tokony hatao amin'izy ireny (Mat. 25:31-46).

Hatraiza ny fitsinjovantsika ireo "ory sy malahelo" eo anivontsika, ary inona no mba ataontsika ho azy ireo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal