Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Rariny ho an'ny ampahoriana

Daty
Alatsinainy 05 February 2024

Vakio ny Sal. 9:18; Sal. 12:5; Sal. 40:17; Sal. 113:7; Sal. 146:6-10, sy ny Sal. 41:1-3. Inona ny hafatra ho antsika eto ankehitriny?

Asehon'Andriamanitra miharihary ny fikarakarany sy ny fitsinjovany manokana ny rariny ho an'ireo olona marefo isan-karazany, anisan'izany ny ory, ny malahelo, ny mijaly, ny kamboty, ny mpitondratena, ary ny vahiny. Manohana izany mazava ny Salamo, tahaka ny lalàna sy ny mpaminany (Eks. 22:21-27; Isa. 3:13-15).

Salamo maro no ahitana ilay fiteny hoe "ory sy malahelo" ka tsy misy famaritana ny firenena izay niaviany na ny karazam-pivavahany. Izany dia natao hanasongadinana ny fiahian'Andriamanitra ny taranak'olombelona tsy an-kanavaka.

Tsy voafetra amin'ny fahantrana ara-nofo ny fitenenana hoe "ory sy malahelo" fa midika ho fahalemena sy tsy fahafaha-manoatra ihany koa. Manetsika ny fangorahan'Andriamanitra ireo teny ireo ary manambara fa irery tsy manana mpanampy afa-tsy Andriamanitra ilay olona mijaly. Maneho fahitsiana sy fahatokiana ary fitiavana an'Andriamanitra koa ny hoe "ory sy malahelo" noho ny fiaikena ny flankinana tanteraka amin'Andriamanitra sy fialana amin'izay rehetra mety ho fitokian-tena sy fizahozahoana.
Ary izao koa, ny fikarakarana ireny sahirana ireny dia mampiseho ny fahatokian'ny olona amin'Andriamanitra. Ny ratsy atao amin'ireny olona marefo ireny dia fahotana maharikoriko tokoa raha ny kolontsain'ny Baiboly no jerena (Deo. 15:7-11). Mandrisika ny olona mahatoky hanandratra ny feony hanohitra izay rehetra mety ho fampahoriana ny Salamo.

Asongadin'ny Salamo koa ny maha-zava-poana ny fianteherana amin'ny fahaizan'ny olombelona mety maty, sy ny fanindrahindrana izany ho loharanom- pahendrena sy fiarovana. Tsy maintsy manohitra ny fakam-panahy ny vahoakan'Andriamanitra tsy hitoky amin'ny famonjen'olombelona mpitarika na rafi-pitantanana, indrindra raha tsy manaraka ny lalan'Andriamanitra izany.

Noho ny fahasoavany dia nampitovy ny tenany tamin'ny mahantra ny Tompontsika, ka ny Tenany mihitsy no tonga malahelo mba hampanan-karena antsika ny alahelony (2 Kôr. 8:9). Izao no haren'i Kristy: ny fahafahana amin'izay mety ho fanandevozan'ny ota rehetra, ary ny fiainana mandrakizay ao amin'ny fanjakana izay ampanantenainy antsika (Apôk. 21:4). Manatanteraka ireo teny fikasana ao amin'ny Salamo i Jesôsy Kristy amin'ny maha-Andriamanitra Mpitsara Azy, Izay hitsara ny olona noho ny fitondrana tsy mety ataony amin'ny mahantra, ary koa noho ny fanaovany ankilabao ny adidy tokony hatao amin'izy ireny (Mat. 25:31-46).

Hatraiza ny fitsinjovantsika ireo "ory sy malahelo" eo anivontsika, ary inona no mba ataontsika ho azy ireo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal