Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TANDREMO NY MOFO RATSY

Daty
Alakamisy 08 August 2024

Vakio ny Mar. 8:11-13. Inona ny fihetsik'ireo Fariseo izay nandiso fanantenana fatratra an'i Jesôsy?

Nahoana moa raha toa asehon'i Jesôsy ny hery maha-Andriamanitra Azy ary noreseny lahatra ireo mpanindrontsindrona ireo? Miverina any amin'ny faran'ny Mar. 3 ny olana, izay iresahan'i Jesôsy mikasika ny fahotana atao amin'ny Fanahy Masina. Raha tsy mety mihaino ny sofin'ny olona iray ary mikipy ny masony, dia tsy haharesy lahatra azy mihitsy ny fahagagana hafa, eny fa na dia ny famantarana avy any an-danitra aza. Holaviny fotsiny tahaka izay rehetra efa natao teo aloha izany. Na ny fahagagana aza dia tsy ampy handresen-dahatra ireo izay efa tapa-kevitra ny tsy hino.

Vakio ny Mar. 8:14-21. Inona ny zavatra hadinon'ny mpianatra, ary inona ny hevitra nasongadin'i Jesôsy avy amin'izany?

Nohararaotin'i Jesôsy izany fotoana izany mba hampitandremana ny mpianatra tsy ho azon'ny "masirasiran’ny Fariseo sy ny masirasiran'i Herôda (Mar. 8:15), izany hoe ny fampianaran'izy ireo (ampitahao amin'ny Mat. 16:12).

Tsy takatry ny mpianatra anefa izany ka nihevitra izy ireo fa niresaka momba ny tsy hividianana mofo ara-bakiteny i Jesôsy. Manome torolalana ireo mpianatra ireo i Jesôsy isaky ny tsy mahatakatra araka ny tokony ho izy ny resaka ataony izy ireo. Nametraka fanontaniana marobe tamin'izy ireo ny Tompo; natao hampieritreritra ny ankamaroan'izany fanontaniana izany, izay nampiseho ny fahadisoam-panantenany noho ny tsy fahatakaran'izy ireo ny iraka nampanaovina Azy. Mampahatsiahy izay nolazainy tao amin'ny Mar. 4:10-12 ny zavatra nambarany, mikasika ireo any ivelany izay tsy mahatakatra ny Teniny. Natao hanairana ireo mpianatra hifoha amin'ny torimasom-panahiny ny teny mahery nataony.

Mametraka fanontaniana tsotra Izy ao amin'ny Mar. 8:19,20, momba ny isan'ny harona nasiana ny sombi-mofo tsy lany raha namahana olona dimy arivo sy olona efatra arivo Izy (Mar. 6:30-44; Mar. 8:1-10). Napetrany ireo fanontaniana ireo mba hanehoana fa tokony ho takatr'ireo mpianatra amin'izay fa tsy sakana ho an'ny Mesia ny tsy fahampian'ny fitaovana eo an-tanana. Mbola fampieritreretana koa ny fanontaniana farany napetrany ao amin'ny Mar. 8:21: "Mbola tsy mahafantatra ihany va hianareo?" Firifiry rahateo moa ny zavatra efa hitan'izy ireo sy niainany niaraka tamin'i Jesôsy!

Ahoana no hianarantsika hanokatra ny saina sy ny fontsika handray ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny Fitiavany? Saintsaino ireo porofo rehetra efa nomena antsika momba Azy sy ny Fitiavany. Nahoana anefa isika no mora misalasala indraindray?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal