Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TENY FIKASANA NY AMIN'NY FIVERENANY 

Daty
Alahady 12 May 2024

Niandry fatratra ny fiavian'i Jesôsy ireo mpanavao fivavahana prôtestanta sy ireo mpivahiny niala tany Hollande ho any amin'ny "Tontolo Vaovao". Ho azy ireo, ny fiavian'i Kristy fanindroany dia toe-javatra mahafaly nandrandrain'izy ireo fatratra. Niandry ny fiavian'i Kristy amin'ny maha-fanantenan'ny fiangonana izany i John Wycliffe. Naneho ny hevitr'ireo mpanavao fivavahana rehetra i Calvin raha nilaza ny amin'ny fiavian'i Kristy be voninahitra hoe "tranga mahafinaritra indrindra". Natao harahabaina amim-pifaliana ny fiavian'i Kristy fanindroany ho an'ireo olon'Andriamanitra mahatoky, na lahy na vavy, fa tsy zavatra hatahorana.

Vakio ny Jao. 14:1-3, 1 Tes. 4:13-18, sy ny Tit. 2:11-14. Nahoana ireo andinin-tSoratra Masina ireo no nitondra fanantenana toy izany ho an'ny Kristianina nandritra ny taonjato maro?

Mora ny mahatakatra ny antony nahatonga ny finoana ny fiavian'i Kristy fanindroany ho nitondra fanantenana sy fifaliana toy izany ho an'ireo Kristianina mino ny Baiboly. Manambara izany fa tapitra hatreo ny aretina, ny fijaliana, ary ny fahafatesana. Foana koa ny fahantrana, ny tsy rariny ary ny fampahoriana. Mampanantena fiafaran'ny adilahy sy ny fifandirana, ary ny tolona izany. Manambara mialoha ny hisian'ny tontolo feno fiadanana sy fahasambarana ary fiaraha-monina maharitra feno firahalahiana amin'i Kristy sy ireo voavonjy mandritra ny taona rehetra mandrakizay izany.

 "Ny fiavian'ny Tomponao no fanantenana nandritra ny taonjato rehetra ho an'ireo tena mpanaraka Azy marina. Ny teny fikasana nataon'ny Mpamonjy, raha niainga teo amin'ny tendrombohitra Oliva, fa ho avy indray Izy, dia nanazava ny ho avin'ny mpianany, nameno ny fony tamin'ny fifaliana sy ny fanantenana izay tsy nety ritran'ny fahoriana na vasoky ny fitsapana. Teo anivon'ny fahoriana sy ny fanenjehana dia `fanantenana mahafinaritra' ny fisehoan'Andriamanitra lehibe sy Jesôsy Kristy Mpamonjy antsika'. Raha feno alahelo ireo Kristiana tany Tesalonika teo am-pandevenana ny malalany izay efa nanantena ny ho velona hahita maso ny fiavian'ny Tompo dia nanondro azy ireo ny fitsanganany amin'ny maty izay hisy amin'ny fiavian'ny Mpamonjy i Paoly, mpampianatra azy. Amin'izay dia hitsangana ny maty ao amin'i Kristy ka hakarina miaraka amin'ny velona `hitsena ny Tompo eny amin'ny rahona'. Dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika', hoy izy `Koa dia mifampionona ianareo amin'izany teny izany." HM, t. 316.

Nahoana no zava-dehibe tokoa ho an'ny finoantsika ny fiavian'i Kristy fanindroany? Noho ny fahafantarantsika manokana fa ny maty dia matory (jereo ny lesona 10), nahoana no manan-danja  lehibe toy izany io fampianarana io? Raha tsy misy izany, nahoana no ho foana tanteraka ny fanantenantsika (jereo ny 1 Kôr. 15:15-18)? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal