"Izay mampionona anay amin 'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin'ny fampiononana izay ampiononan 'Andriamanitra anay."- 2 Kor. 1:4
Mofon’aina:
Ireo izay nisedra fahoriana lehibe indrindra matetika no mitondra ampiononana lehibe ho an'ny hafa, ary mitondra tara-masoandro any amin'izay rehetra alehany. (...) Tsy verin'izy ireo ny fitokiany amin'Andriamanitra rehefa namely azy ny fahasahiranana, nifikitra bebe kokoa tamin'ny fitiavan'Andriamanitra micro izy. Ireny olona ireny no porofo velon'ny fiahiana feno fitiavana ataon'Andriamanitra (...). I Kristy no fahazavan'izao tontolo izao, tsy misy haizina ao Aminy. (...) Andeha isika hivelona ao amin' izany fahazavana izany! (...) Mifalia mandrakariva ao amin'ny Tompo.- The Sanitarium Patients at Goguac Lake, t. 26.
(...) Adidintsika ny manao ny tsara indrindra amin'ny zavatra rehetra, sy ny mikolo fahazarana mijery ny lafin-tsaran-javatra. Aoka hisinda ny rahona manarona antsika, raha miandry amim-paharetana isika ny hisehoan'ny lanitra manga indray sy ny tara-masoandro mamy asehony. (...) Aoka isika hanadino ny "izaho" araka izay azo atao ka hikolokolo fifaliana, hitady izay hitondrana hafaliana eo amin'ny fiainan'ny hafa, amin'izay dia hihena ny faniriantsika himonomonona mamba ny olantsika.
Aoka ireo ory hahazo hery, ary ireo kivy hanana fanantenana, satria Sakaiza mangoraka azy i Jesosy. Azontsika ambara eo an-tsofiny feno fangorahana ny fahoriantsika sy ny alahelontsika rehetra. Rehefa miara-mivory isika, dia aoka tsy hiresaka mamba ny haizina sy ny tsy finoana, na hitantara ireo toko manjombona eo amin'ny fiainantsika. Andeha isika hiresaka momba ny fitiavan'Andriamanitra izay efa naseho tamintsika, izay hita eny amin'ny zavaboary, eny amin'ny habakabaka midadasika, ary ao amin'ireo fandaminana feno fahendrena ataon'ny Fitantanany. Aoka hotadiavintsika ireo tara-masoandro izay nanazava ny lalantsika, ary hahatsiaro ireny amin'ny fo feno fankasitrahana isika. Andeha isika hisaintsaina momba ny fitiavan'i Kristy tsy manam-paharoa, satria ao Aminy no misy loharanom-pifaliana tsy mety ritra. Tsy misy haizina ao Aminy. Izy no Fahazavan'aina, Komandin'ireo alinalina, ary Hay maha-te ho tia indrindra.- The Sanitarium Patients at Goguac Lake, t. 25-27.