Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiambenana Maraina Androany

Manatanjaka ny fiatrehana olana

Daty
Alarobia 16 July 2025

"Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra." — 2 Pet. 3,9.

Mofon’aina: 
Mametraka antsika amin'ny toe-javatra samihafa ny Tompo ho fampitomboana antsika. Raha manana kileman-toetra izay tsy fantatsika akory isika, dia ampandaloviny zava-tsarotra izay hampahafantatra antsika izany kilema izany, mba hahazoantsika mandresy azy.

Ny fitantanany mihitsy no mahatojo antsika toe-javatra isan-karazany. Samy hafa isaky ny toe-javatra mitranga ny fakam-panahy atrehintsika. Impiry impiry moa isika, rehefa tojo zava-tsarotra ho fizahan-toetra, no mihevitra toy izao: "Tsy mety mihitsy izao, aleoko lavitra nijanona teo amin'izay nisy ahy teo aloha". Inona no anton'izany tsy fahafaham-ponao izany? Ny mba hahafantaranao ny kileman-toetranao, izay vaovao aminao. Inona àry no tokony hataonao rehefa zahan-toetra araka ny fitantanan'ny Tompo ianao? Tokony hiatrika tsara izany ianao ka handresy ireo fahalemenao.

Amin'ny fiatrehanao ny olana no hahazoanao tanjaka ara-panahy. Hahery ao amin'i Kristy ianao raha maharitra amin'ny fizahan-toetra sy ny fitsapan'Andriamanitra. Raha ny toe-javatra sy ny manodidina anao kosa no omenao tsiny, dia vao mainka halemy kokoa ianao. Efa nahita olona nanome tsiny mandrakariva ny zavatra sy ny olona rehetra manodidina azy aho, kanefa tsy taiza fa tao amin'izy ireo ihany ny fahadisoana. Nilain'izy ireo ny miantoraka eo amin'ny Vatolampy ka ho torotoro. Nihevi-tena ho marina mandrakariva izy. Natao hizahana ny toetrantsika ny fisedrana tonga amintsika. Miasa tsy tapaka hamotika antsika ilay fahavalon'ny fanahy, saingy haharihary amintsika ny kileman-toetrantsika, ka rehefa hitantsika mazava izany, dia aoka tsy hanome tsiny ny hafa intsony isika, fa hilaza kosa hoe: «Hiainga aho, dia hody any amin'ny Raiko ». 

Rehefa manomboka mahatsapa isika fa mpanota, ka miantoraka eo amin'ilay Vatolampy mba ho torotoro, dia mivelatra eo anoloantsika ireo sandry mandrakizay, ary dia manakaiky ny fon'i Jesosy isika. Amin'izay fotoana izay dia ho babon'ny toetrany mahate-ho tia isika, ary haharikoriko antsika ny fahamarinantsika. Mila manatona eo am-pototiy ny hazo fijaliana isika. Arakaraka ny hanetrentsika tena eo no ahitantsika ny fitiavan'Andriamanitra misandratra kokoa. RH, 6 Aogôsitra 1889.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Jul 2025
Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Fampidirana.
Sun 13 Jul 2025
Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Iza moa Jehôvah?
Mon 14 Jul 2025
Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Fanombohana manano sarotra.
Tue 15 Jul 2025
Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA -" Izaho no Jehôvah".
Wed 16 Jul 2025
Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Molotra tsy voafora.
Thu 17 Jul 2025
Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Toy ny Andriamanitra ho an’i Farao.
Fri 18 Jul 2025
Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fampidirana
Sun 06 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ilay roimemy nirehitra.
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anjelin’i Jehôvah.
Tue 08 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anaran’i Jehôvah.
Wed 09 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ireo fialan-tsiny efatra.
Thu 10 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny famorana.
Fri 11 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Jul 2025
Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (54)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal