Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 10 October 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jak. 5:17,18; 1 Mpanj. 19:1-16; 1 Mpanj. 22:1-14; Eks. 15:20; 2 Mpanj. 22:11-14; Jer. 14:1-15.

Tsianjery

"Dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy hianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an'i Jehôvah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra hianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina hianareo." - 2 Tant. 20:20.

Ny GPS (Global Positioning System) dia manampy ny mpandeha hahafantatra ny toerana misy azy sy izay halehany, ary manome fampitandremana momba ny loza mety ho tojo azy eny an-dalana koa aza. Toy izany koa, ireo mpivahiny ara-panahy izay mizotra ho any an-danitra dia mila fitarihana avy amin'ilay "rafitra fanoroan-dalana" avy any an-danitra, na amin'izao fotoana izao na amin'ny hoavy. Fomba iray nanaovan'Andriamanitra izany tamin'ny andro fahiny ny nanirahany ireo mpaminany tao amin'ny Testamenta Taloha. Ao anatin'ny tantaran'izy ireny, ny fananarany, ny faminaniany sy ny tononkalony ary ny hirany no ahitantsika zavatra maro momba ireo mpaminany am-polony izay nitondra ny hafatr'Andriamanitra ho an'ny vahoakany.

Ny lesona amin'ity herinandro ity dia handinika ireo filazalazana momba ny mpaminany ao amin'ny Testamenta Taloha, izay manampy antsika hahatakatra ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana araka ny nisehoan'izany teo amin'ireo mpanompon'Andriamanitra sasany ireo.

Ho hitantsika fa olona tahaka antsika ihany izy ireo: marefo ka mety ho azon'ny tahotra, mety hahatsapa fahatezerana sy fahakiviana. Tsy mora ny fiainan'izy ireo fa feno zava-tsarotra sy fahoriana, tahaka ny fiainan'ny olona rehetra ihany.

Inona àry no azontsika ianarana amin'ny fandinihana ny fiainan'ny sasany amin'ireo mpanompon'Andriamanitra izay nantsoiny manokana ireo?

Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Daty
Alahady 11 October 2026

Hitantsika tamin'ny herinandro ny nampiasan'Andriamanitra an'i Elia mpaminany hanao asa lehibe tany Isiraely, na dia teo aza ny fanoherana nivaivay. Tsy mampino tokoa izay nataon'i Jehovah tamin'ny alalany. Kanefa, inona no voalaza momba azy?

Saintsaino ny teny nentin'i Jakoba niresaka momba an'i Elia mpaminany, ao amin'ny Jak. 5:17,18. Inona no tiany hambara amin'ny filazana fa "olona tahaka antsika ihany" i Elia?

Fandresena sy fahombiazana lehibe no azon'i Elia teo an-tendrombohitra Karmela (1 Mpanj. 18). Niasa tamin-kery tamin'ny alalany Andriamanitra, ary ny iray amin'ireo fahagagana mahatalanjona indrindra voarakitry ny Testamenta Taloha no niseho tamin'izay: tamin'ny tenin'i Elia ihany dia nilatsaka ara-bakiteny avy any an-danitra ny afo (1 Mpanj. 18:38)! Tokony ho faly indrindra ity lehilahin'Andriamanitra ity taorian'ny zava-nitranga lehibe tahaka izany.

Vakio ny 1 Mpanj. 19:1-16. Inona no ambaran'izany momba ny toe-pon'ilay mpaminanin'i Jehôvah ?

"Aoka izay! Alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô, fa tsy tsara noho ny razako aho." - 1 Mpanj. 19:4. Toy ny olona tratry ny fahaketrahana ara-tsaina no manao izany teny izany. Nahoana? Eny tokoa, tsy mora tokoa ny manohy ny asa taorian'izay nitranga teo an-tendrombohitra Karmela; kanefa, misy zavatra hafa koa mitranga eto.

Angamba ao amin'ireto teniny ireto no ahitana ny valin'izany: "Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehôvah , Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy." - 1 Mpanj. 19:10. Toa mitaraina noho izay heveriny ho tsy fahombiazany teo amin'ny asa fanompoana nataony izy. Mbola nitohy ny fihemorana na dia niezaka mafy araka izay tratry ny heriny aza izy, toy ny hoe izy irery no afaka nampitsimbadika ny toe-java-misy. Na inona na inona tena nitranga teto, dia hitantsika ny maha olombelona sy marefo an'ity lehilahin'Andriamanitra ity. Raha lazaina amin'ny teny hafa, "Elia dia olona tahaka antsika ihany."

Nahoana no mora amintsika indraindray ny mahatsapa fa toa "tsy mahomby" isika eo amin'ny fiainana na ny tetikasantsika? Inona ny teny fikasan'ny Baiboly azonao takina mba hanampy anao handresy ny fahakiviana?

Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.

Daty
Alatsinainy 12 October 2026

Tany am-piandohan'ny tantaran'ny Isiraely dia efa nisy ny porofo momba ny fisian'ny mpaminany sandoka (Deo. 18:20). Araka izany, dia tsy navelan'Andriamanitra tsy hanana tari-dalana ny vahoakany mba hahafantaran'izy ireo izay tena mpaminaniny marina.

Mpandray ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin'Andriamanitra ny mpaminany, ka ny tena mpaminany marina dia mampita ny hafatr'Andriamanitra amim-pahatokiana sy amim-pahamarinana ary amim-pahitsiana, na dia hahatonga azy tsy ho tian'ny mpanapaka sy ny manam-pahefana aza izany indraindray.

Vakio ny 1 Mpanj. 22:1-14. Inona no ambaran'ireo andalan-teny ireo mikasika ny fomba fiasan'ny mpaminany mahatoky?

Ny filazan'ny mpanjaka momba ny mpaminany iray hoe: "halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany" - 1 Mpanj. 22:8, dia milaza zavatra betsaka momba ilay mpanjaka, ary milaza zavatra betsaka kokoa momba ilay mpaminany. Hita fa olona tsy mba natahotra ny hilaza ny marina izy, na dia amin'ny mpanjaka aza. Ary mazava loatra fa tsy hahazo sitraka amin'ny mpanjaka izy noho izany.

Nijoro irery manoloana ireo mpaminany sandoka efajato i Mikaia raha nanambara ny fahamarinana izay nambaran'Andriamanitra taminy. Na dia noterena hanova ny vaovao ratsy avy amin'i Jehovah aza izy mba hamalifaliana an'i Ahaba mpanjaka ratsy fanahy sy i Jezebela vadiny (1 Mpanj. 22:13,14), dia ny fahamarinan'Andriamanitra ihany no nolazainy, na ahoana na ahoana no handraisan'ny olona izany.

Vakio ny 1 Sam. 9:3-14. Inona no ambaran'ireo andininy ireo momba ny fahitan'ny olona ny mpaminanin'Andriamanitra izay mahatoky?

Maro ny ohatra ao amin'ny Baiboly izay mampiseho ny fiaimpiainan'ireo mpaminany. Ao amin'ity tantara ity, ohatra, dia nirahin'i Kisy, rainy, mba hitady ny borikiny very i Saoly. Nanoro hevitra an'i Saoly ny mpanompo niaraka taminy mba tsy hampitsahatra ny fikarohana ireo boriky, satria "misy lehilahin'Andriamanitra ao amin'irỳ tanàna irỳ. Hajain'ny olona izy" - 1 Sam. 9:6, DIEM. Ny fomba ilazana an'i Samoela mpaminany eto no maneho ny toetra andrasana amin'ny mpaminanin'i Jehovah. Ny tena mpaminany marina ao amin'ny Soratra Masina dia antsoina hoe "lehilahin'Andriamanitra", voafidy tao anatin'ny maro mba haneho ny toetran'Andriamanitra. Etsy ankilan'izany anefa, tsy hoe tsy misy tsiny tsy akory ireo "lehilahin'Andriamanitra" izay mpaminany.

Iza moa, na dia tamin'ireo "lehilahin'Andriamanitra" tena nohajaina indrindra aza, no fantatrao fa tsy nanan-kilema velively?
 

Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.

Daty
Talata 13 October 2026

Vakio ny 1 Sam. 8:4-22 sy ny Lev. 8:10-13. Inona no anjara asan'ny mpaminany teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpisorona?

Nifanerasera tamin'ny mpanjaka ny mpaminany, na tamin'ny toe-javatra mahafinaritra na tamin'ny toe-java-tsarotra. Rehefa nangataka mpanjaka ny Isiraely (1 Sam. 8:4-22), dia nilaza izao: "manendre mpanjaka ho anay hitsara anay, tahaka ny firenena rehetra." - 1 Sam. 8:5. Ohatra mampalahelo nefa manan-danja izany, izay maneho ny loza atrehin'ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny vanim-potoana rehetra: ny faniriana hitovy amin'ireo manodidina azy. Tamin'ity tranga ity, dia tsy azon'izy ireo an-tsaina ny vokatra hateraky ny fangatahana nataony, na dia efa nampitandreman'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminaniny aza izy (1 Sam. 8:11-18). Na dia nampitandrina ny Isiraely aza i Samoela dia nanosotra ny mpanjakany voalohany ihany, araka ny fanirian'izy ireo. Fantatra araka ny tantara ao amin'ny Baiboly fa i Saoly mpanjaka izany.

Ny boky ao amin'ny Testamenta Taloha toy ny 1 sy 2 Mpanjaka ary ny 1 sy 2 Tantara no mirakitra ny karazana fitondrana nataon'ireo mpanjakan'ny Isiraely sy Joda. Asehon'ny tantara masina fa ireo mpanjaka nanao ratsy no maro lavitra noho ireo nanao ny tsara teo imason'Andriamanitra. Anisan'ny andraikitra fototra niantsorohan'ny mpaminany ny nitaona ireo mpanjaka tsy mahatoky hiverina amin'ny fankatoavana ny lalàn'Andriamanitra. Vokatr'izany dia niatrika fandrahonana ireo mpaminany, ny sasany aza nampijaliana sy novonoin'ireo mpanjaka izay nitarika ny vahoaka hiala amin'Andriamanitra (1 Mpanj. 18:4-19; 2 Tant. 24:20-22).

Nifandray tamin'ireo mpisorona koa ny mpaminany. I Mosesy, mpaminanin'Andriamanitra, dia nanosotra an'i Arona sy ny zanany ho mpisorona voalohany teo amin'ny Isiraely (Lev. 8:10-13). Nisy fotoana koa nahazoan'ny mpisorona teny fananarana avy amin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany (Hôs. 6:9; Mal. 2:1-3). Ohatra iray manaitra izay maneho izany ny mpianakavin'i Ely manontolo, izay notenenina mafy noho ny fitondrantena ratsiny (1 Sam. 2:27-36). Fananarana mahery vaika ireo, manoloana ny faharatsiam-pitondrantena lalina teo amin'ireo olona nomena tombontsoa manokana.

Mpampianatra ny vahoaka ny mpaminany (2 Tant. 34). Izy ireo no nitondra ny hafatr'Andriamanitra ho an'ny mpisorona sy ny mpanjaka ary ny firenena manontolo (Jer. 5:31; Ezek. 22:26). Niteny tamin'ireo firenena manodidina koa ny mpaminany, ka nanambara taminy ny drafitr'Andriamanitra momba azy ireo. Lohahevitra iray miverimberina ao amin'ny hafatr'ireo mpaminanin'ny Testamenta Taloha izany (Isa. 60:1-3; Isa. 62:1,2). Tsy ny hampita amim-pahatokiana ny hafatra nomen'Andriamanitra azy fotsiny no nandrasana tamin'ny mpaminany, fa nisy fotoana nanomezana toromarika azy ireo mba hanoratra ireny hafatra ireny sy hitahiry izany (2 Tant. 13:22). Hitantsika eto indray fa na dia olombelona aza ny mpaminany (ka manana ny fahalemena rehetra mifandraika amin'izany), dia lehilahy sy vehivavy tia vavaka izy ireo, tia ny Tenin'Andriamanitra sy ny fanompoana an'Andriamanitra ary ny vahoakany (Jer. 42:4; 2 Mpanj. 22:15-17).

Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.

Daty
Alarobia 14 October 2026

Vakio ny Eks. 15:20, Mpits. 4:4; 2 Mpanj. 22:14 ary ny Neh. 6:14. Inona koa no ampianarin'ireo andinin-tSoratra Masina ireo antsika momba ny asan'ny mpaminany?

Marobe ny porofo ao amin'ny Soratra Masina, izay maneho fa niantso vehivavy ho mpaminany koa Andriamanitra. (Jereo ny fampiasana ny teny hebreo hoe nevi'ah [Eks. 15:20] sy ny teny grika hoe prophētis [Lio. 2:36].) Tanisain'ny Mika 6:4, miaraka amin'i Mosesy sy i Arona, ho isan'ireo nirahin'Andriamanitra ho amin'ny olony i Miriama. Voatondro ho mpaminanivavy izay nanao hiram-pandresena izy, rehefa niampita ny Ranomasina Mena ny Isiraelita (Eks. 15:20,21). Kanefa io mpaminanivavy io, tahaka ireo mpaminany lahy, dia tsy olona tsy manan-tsiny. Maneho izany ny fihetsika tsy mendrika nataony nanoloana an'i Mosesy sy ilay vehivavy Etiopianina vadiny, fihetsika izay nahazoany famaizana tokoa (jereo ny Nom. 12:1-10).

Mahita asan'ny mpaminany iray hafa isika ao amin'ny tantaran'i Debora, izay nanao ny asan'ny mpitsara teo amin'ny Isiraely (Mpits. 4:1-4). Porofo mazava no omena antsika fa naharay fanambarana avy amin'Andriamanitra i Debora (Mpits. 4:4-9, 14-22). Ny hiram-pandresena nataony (Mpits. 5:2-31) dia fankasitrahana ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra, ary nanana heviny ara-teolojia lalina ho an'ny firenena iray manontolo tamin'izany andro izany.

Vakio ny 2 Mpanj. 22:11-14. Nahoana ireo mpanompon'i Josia mpanjaka no nankany amin'i Holda? Inona no ambaran'izany amintsika momba ny anjara asa manan-danja notanan'io mpaminanivavy io teo amin'ny firenena?

Nankany amin'i Holda mpaminanivavy ireo tompon'andraikitra ambony tao amin'ny filan-kevitry ny mpanjaka Josia (2 Mpanj. 22:14; 2 Tant. 34:22), rehefa avy namaky ho an'ny mpanjaka ny tenin'ny "bokin'ny Lalàna" (2 Mpanj. 22:8), izay heverina fa ny bokin'ny Deoteronomia. Rehefa nandre izany ny mpanjaka dia "nandriatra ny fitafiany" - 2 Mpanj. 22:11. Hita taratra amin'izany fa lehibe sy manan-danja io toe-javatra io, ary noraisin'ny mpanjaka ho zava-dehibe tokoa. Izany no antony nanirahany avy hatrany ny olony ho any amin'i Holda. Efa naharay hafatra avy amin'Andriamanitra i Holda mahakasika ny fitsarana ho avy tsy ho ela amin'ny fanjakan'i Joda. Ny hafatra ara-paminaniana nentin'i Holda no nanosika an'i Josia hanao fanavaozana, ka tsy nihatra tamin'ny vahoaka ny fitsaran'Andriamanitra.

Ny lehilahy sy vehivavy mpaminany, na dia nantsoin'Andriamanitra aza, dia mpanota koa ka mila ny fahasoavana. Inona ny fanantenana azonao avy amin'ny tantaran'izy ireo?

Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Daty
Zoma 16 October 2026

Hitantsika teo aloha teo amin'ny fiainan'ireo mpaminanin'ny Testamenta Taloha fa tsy mora mandrakariva ny mitondra ny hafatra avy amin'Andriamanitra. Nahatsapa ny tahotra sy ny tebiteby tsapan'ireo mpaminany ao amin'ny Baiboly koa i Ellen G. White. Araka ny nianarantsika tamin'ny Zoma lasa teo, mbola tanora izy, saro-kenatra, ary osa ara-pahasalamana rehefa nandray ny antson'Andriamanitra. Na dia nanamafy ny fiantsoana azy aza ny fahitana faharoa nomen'Andriamanitra azy, dia mbola natahotra sy nisalasala momba izany antso izany ihany i Ellen Harmon [White], ka nanoratra hoe:

"Herinandro teo ho eo taorian'izany dia nomen'ny Tompo fahitana hafa aho, ka nasehony ahy ireo fizahan-toetra tsy maintsy hodiaviko; fa tsy maintsy milaza amin'ny hafa izay nasehony tamiko aho; ary hiatrika fanoherana lehibe sy fahorian-tsaina lalina. (...) Nampitebiteby ahy mafy izany fahitana izany. Tena osa ny fahasalamako tamin'izany, ary vao fito ambin'ny folo taona monja aho. (...) Nivavaka mafy aho mba hafindra amin'olon-kafa izany enta-mavesatra izany. Kanefa izao no hany fahazavana azoko: 'Ampahafantaro ny hafa izay nambarako taminao.' Tsy mbola vonona hivoaka eo anivon'izao tontolo izao aho. Raha ny toetrako rahateo dia kely dia kely ny fitokisako tena. (...) Naniry ny ho faty aho. Toa tsara kokoa tamiko ny fahafatesana noho ireo andraikitra mavesatra tsy maintsy hozakaiko." - SG, b. 2, tt. 35, 36.

Voamarikao ve fa naleon'i Ellen Harmon [White] maty toy izay hanaiky ny fiantsoan'Andriamanitra azy? Kanefa, taorian'ny vavaka maro sy ny fampaherezan'ireo mpino namany, dia nanaiky ihany izy ary nanokana ny androm-piainany sisa hanatanterahana ny "baikon'Andriamanitra." - SG, b. 2, t. 38.

Tonga feo manan-kery sy misy fiantraikany lehibe indrindra eo amin'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito izy. Na izany aza, olombelona ihany i Ellen Harmon [White], ka nanana ny fahalemeny, ny olany manokana ara-pahasalamana, ny zava-tsarotra teo amin'ny fiainam-pianakaviany, ary ny fahasarotana teo amin'ny fifandraisany tamin'ny hafa. Tao anatin'izany maha olona azy izany anefa no ahitantsika lesona lehibe iray: mifidy olona tsy tonga lafatra izay vonona hanompo Azy Andriamanitra.

Eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina, ny asa maha mpaminany an'i Ellen G. White dia hampahery ny mpino sy hampifandray azy ireo amin'ny fahamarinana ara-Baiboly. Nandray anjara lehibe tamin'ny fampandrosoana ny fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito izay vao niforona izy tamin'ny taona 1860, fiangonana iray nomena iraka hitory ny hafatry ny anjely telo amin'izao tontolo izao. Andriamanitra no hitarika ireo mpino hametraka lamina ho an'ny fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ny taona 1863. Am-polo taona taty aoriana, nanana anjara toerana lehibe tamin'ny fananganana sy ny fampandrosoana ny rafitra ara-pahasalamana sy ara-panabeazana advantista maneran-tany ny faminanian'i Ellen G. White. Nefa ny anjara biriky lehibe indrindra teo amin'ny asa fanompoany dia ny asa sorany, izay mahatratra 100.000 pejy eo ho eo. Mbola mitohy miteny amin'ny olona manerana izao tontolo izao ankehitriny ireo asa soratr'i Ellen G. White, izay avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal