Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 11 October 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jos. 3; Nom. 14:44; Lio. 18:18-27; Jos. 4; Jao. 14:26; Heb. 4:8-11.

Tsianjery:

"Fa nataon'i Jehôvah Andriamanitrareo maina ny falehan'ny rano Jordana teo anoloanareo mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon'i Jehôvah Andriamanitrareo tamin'ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa mahe ry ny tànan'i Jehôvah , ary mba hatahorany an'i Jehôvah Andriamanitrareo mandrakizay." - Jos. 4:23,24

Nasain'ilay mpitandro filaminana nijanona i John. Nangatahiny ny fahazoan-dalany mitondra fiarakodia. Tamin'izay indrindra vao tsaroan'i John fa hadinony tao amin'ny biraony ny poketrany izay misy ilay fahazoan-dalana mitondra fiarakodia. Nohazavainy ny zava-nitranga, ary nanontany ny asany ilay mpitandro filaminana. Namaly izy ary nilaza fa mpampianatra. Rehefa nanolotra ny taratasy kely milaza ny fandikan-dalana nataon'i John ilay mpitandro filaminana, dia nilaza taminy mba tsy hihevitra izany ho toy ny lamandy.

"Saram-pianarana ity" hoy izy. "Rehefa te hianatra zavatra iray ny olona, dia mandoa saram-pianarana. Ity no saram-pianarana mba hianaranao tsy hanadino ny fahazoan-dalana mitondra fiarakodia rehefa mamily fiara. Mirary soa ho an'ny tontolo andro, ry ingahy mpampianatra!"

Amin'ny maha-olombelona antsika, dia mety manadino ny zavatra izay tsy eo anoloantsika amin'ny fotoana rehetra isika. Hadinontsika ny mamerina miantso olona an-telefaonina, ny mamaly mailaka, ny manondraka ny voninkazo, ny mandefa karatra firarian-tsoa ho an'ny tsingerin-taona, sns. Ny fanadinoana ny zavatra ilaintsika ara-panahy kosa, dia misy vokany mampidi-doza kokoa noho ny fahazoana lamandy, indrindra noho izany misy fiantraikany amin'ny anjarantsika mandrakizay ara-bakiteny.

Andeha hianarantsika ny momba ny niampitan'ny Hebreo teo amin'ny ony Jordana; ho hitantsika amin'izany ny lesona azo tsoahina avy amin'ny fanandraman'izy ireo.

*Famerenana ny lesona ny sabata 18 Oktobra.

Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.

Daty
Alahady 12 October 2025

NITA AN'I JORDANA

Vakio ny Jos. 3:1-5 sy ny Nom. 14:41-44. Nahoana Andriamanitra no nilaza tamin'ny Isiraelita mba hanao fiomanana manokana ho amin'izay hitranga?

Sambany izao no iresahana momba ny fiaran'ny fanekena ao amin'ny bokin'i Josoa. Talohan'io fotoana io, ao amin'ny fitantaran'ny TT, dia tao anatin'ny tontolon-kevitry ny fitoerana masina (Eks. 40:21) sy nandritra ny dia lavitra nataon'ny Isiraely niala teo Sinay (Nom. 10:33-36) ary tao anatin'ny ezaka tsy nahitam-bokatra nakana ny tany Kanana (Nom. 14:44) ihany no niresahana momba ny fiaran'ny fanekena. Izany no fanaka masina indrindra tao amin'ny tabernakely isiraelita, ary nahitana zavatra telo tao anatiny, izay samy naneho ny fifandraisana manokana nananan'ny Isiraely tamin'Andriamanitra: (1) ny vato fisaka nisy ny didy folo; (2) ny tehin'i Arona mpisoronabe; ary (3) ny vata iray izay nisy mana (Eks. 16:33; Heb. 9:4).

Ny fiaran'ny fanekena sy ireo fiomanana natao mialoha ny hitana an'i Jordana dia nampahatsiahy ny Isiraely fa tsy araka ny fombany manokana na ny fotoan'izy ireo no nidirany tao amin'ny tany Kanana. Tsy mahomby ny fakany ny tany raha tsy mandeha araka ny fomban'Andriamanitra sy ny Fotoany izy ireo. Andriamanitra no niditra tao Kanana teo alohan'ireo Isiraelita tahaka ny Mpitari-tafika iray, Izy Ilay voalaza fa nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany teo anelanelan'ireo kerobima roa teo ambonin'ny fiaran'ny fanekena, ary nampifandraisina tamin'ny fandrosoan'ny fiaran'ny fanekena na ny fijanonan'izany ny Fihetsiny (Eks. 25:22; Nom. 7:89).

Ny teny nadika hoe "manamasina" (Jos. 3:5) na koa "manokana" dia manondro ny dingam-pidiovana tahaka izay narahin'ireo mpisorona mialoha ny hanaovany ny fanompoany tao amin'ny fitoerana masina (Eks. 28:41; Eks. 29:1) ary koa izay nataon'ireo vahoaka Isiraely talohan'ny nihaonany tamin'Andriamanitra tao Sinay (Eks. 19:10,14). Tao anatin izany fanokanan-tena izany ny fahafoizana ny fahotana sy ny fanesorana izay noheverina ho tsy madio rehetra araka ny fombam-pivavahany. Hita ao amin'ny Nom. 11:18 koa ny baiko ho amin'ny fanokanan-tena tahaka izany, izay mifandraika amin'ny fahagagana efa hataon'Andriamanitra tsy ho ela. Notakina koa ny hanaovan'ny vahoaka fiomanana tahaka izany talohan'ny fiatrehana ady (Deo. 23:14). Nialoha ny hiadian'i Jehôvah ho an'ny Isiraely tao anatin'ny ady anankiray, dia tsy maintsy nampiseho ny fahatokiany Taminy izy ireo ary koa ny fitokiany Azy ho Mpitarika ny tafiny.

Ny fahagagana amin'ny fiampitana ny onin'i Jordana no hanaporofo amin'ny Isiraelita fa azo itokiana ny teny fikasan'i Jehôvah ny amin'ny handroahany ny mponina ao amin'io tany io. Izy ilay nanokatra lalana maina teo afovoan'i Jordana ihany no hanome azy ireo ny tany.

Tsy mampisaraka ny onin'i Jordana mandrakariva Andriamanitra. Tsy hita miharihary mandrakariva ny fidirany an-tsehatra. Araka ny hevitrao, ahoana no hanaovantsika fiomanana ara-panahy mba hiainantsika ny fanandraman'ny fidiran' Andriamanitra an-tsehatra ho antsika ary koa mba hahatsapantsika izany?

Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.

Daty
Alatsinainy 13 October 2025

ILAY ANDRIAMANITRA VELONA MPANAO FAHAGAGANA

Vakio ny Jos. 3:6-17. Inona no ambaran'ny fiampitan'ny Isiraely an'i Jordana tamin'ny fomba mahagaga momba ny toetr'ilay Andriamanitra izay tompointsika?

Ny teny hebreo hoe "niphla'ot", "fahagagana, zava-mahatalanjona" no ilazana ny fiampitan'ny Isiraely ny onin'i Jordana ao amin'ny Jos. 3:5, fampiasa matetika izany mba hanondroana ny asa mahagaga sy lehibe ataon'Andriamanitra ary koa maneho ny maha-tsy manan-tsahala Azy (Sal. 72:18; Sal. 86:10). Nisaintsaina ireny asa mahatalanjona ireny ny Isiraelita taty aoriana, ary nidera an'i Jehôvah vokatr'izany (Sal. 9:1) no sady nanambara ny momba Azy tany amin'ny firenena rehetra (Sal. 96:3). Ny loza tany Egypta (Eks. 3:20; Mika 7:15), ny fiampitana ny Ranomasina Mena, ary koa ny fitarihan'Andriamanitra ny Isiraelita tany an'efitra (Sal. 78:12-16) no zava-mahagaga naverina notantaraina indray.

Fantatr'ireo mpanoratra ny Baiboly fa Ilay Andriamanitra izay nahary izao tontolo izao dia tsy mba voafetra na voasakan'ny voariny, ary nijoro ho vavolombelon'izany izy ireo. Tsy misy zavatra tsy hainy atao (Heb. "sarotra loatra ho Azy") (Jer. 32:17). Mahagaga ny anarany sy ny toetrany (Mpits. 13:18), ary tsy mety ho takatry ny fisainantsika ny momba Azy.

Tsy tahaka ireo andriamanitry ny firenen-kafa izay tsy mahavonjy (Sal. 96:5; Isa. 44:8), ny Andriamanitry ny Baiboly dia "Andriamanitra velona" sy miasa ary azon'ny mpanara-dia Azy itokiana noho ny fahafantaran'izy ireo fa hiditra an-tsehatra ho azy Izy.

Nampiasa io teny io koa ny mpaminany Zakaria (avy amin'ny fototeny hoe niphla'ot) raha naminavina ny hoavin'ny Isiraely aorian'ny fahababoan'izy ireo tany Babylona. Azony sary an-tsaina tamin'izany fa ho voaorina tanteraka i Jerosalema ary hipetraka eny an-dalam-ben'ny tanana ireo zokiolona; hitany koa ireo ankizilahy sy ankizivavy milalao eo. Hoy i Zakaria tamin'ireo mponina izay toa tsy nino izany noho ny fahitan'izy ireo ny faharavan'ilay renivohitra: "Izao no lazain'i Jehôvah , Tompon'ny maro: Raha mahagaga izany eo imason'ny sisa amin'ity 'ity firenena ity amin'izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? Hoy Jehôvah , Tompon'ny maro. Izao no lazain'i Jehôvah , Tompon'ny maro: Indro, hamonjy ny oloko avy any amin'ny tany atsinanana sy amin'ny tany andrefana Aho; ary hitondra azy Aho, ka honina any Jerosalema izy." - Zak. 8:6-8a.

Vakio ny Lio. 18:18-27. Ahoana no ampaherezan'ny valintenin'i Jesôsy tamin'ny mpianany anao mba hatoky an'Andriamanitra amin'ny zavatra izay toa tsy azo heverina mihitsy?

Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy

Daty
Talata 14 October 2025

TSAROVY

Vakio ny Jos. 4. Nahoana Andriamanitra no nilaza tamin'ny İsiraelita mba hanorina antontam-bato fahatsiarovana?

Ny tanjon'ireo vato ireo dia mba ho "famantarana." Ampifandraisina matetika amin'ny teny hoe "fahagagana" ny teny hebreo hoe 'of, ary azo ampiasaina hanondroana ny zava-mahagaga nataon Andriamanitra izany (jereo ny lesona omaly), toy ireo loza tany Egypta (Eks. 7:3; Deo. 4:34). Azo andikana izany koa ny hoe "tandindona" na "famantarana, izay marika hita maso maneho fahamarinana lalina kokoa na mifandraika amin'ny fidiran Andriamanitra an-tsehatra. Ny avana, ohatra, dia "famantarana" ny fanekena (Gen. 9:12,13); ny ra teo amin'ny tolam-baravarana sy ny tataom-baravaran'ny tranon'ny Isiraelita dia nantsoina koa hoe "famantarana" (Eks. 12:13); ary ny tena manan-danja indrindra, dia ny Sabata "famantarana" ny Famoronana sy ny fanatrehan Andriamanitra izay manamasina (Eks. 31:13, 17; Ezek. 20:12).

Eto dia fahatsiarovana ny famantarana, izay mampahatsiahy ny taranaka mifandimby rehetra ny fahagagana nandritra ny fiampitana ny ony. Ny teny hoe fahatsiarovana (zikkaron) dia avy amin'ny teny hoe zakar, "mahatsiaro," izay manondro zavatra iray mihoatra noho ny fitadidiana fotsiny, Midika ho fahatsiarovana arahin'asa izany (Deo. 5:15; Deo. 8:2). Zavatra fahita ao amin'ny TT ny fametrahana antontam-bato ho fahatsiarovana (Gen. 28:18-22) sy ny fombafomba izay manaitra ny fahalianana ka mampametra-panontaniana (Eks. 12:26,27; Deo. 6:20-25). Tsy mamerimberina ireo fahagagana Andriamanitra fa mametraka fahatsiarovana izay mampahatsiahy ireo asa lehibe nataony sy milaza valinteny manan-danja mahakasika ny hevitr'izany. Araka izany dia natao hitoetra eo "mandrakizay" ny famantarana, midika izany fa natao hotsaroan'ny vahoakany mandrakariva izany fahagagana nataon'i Jehovah izany.

Zava-dehibe ny fanontaniana mety hapetrak'ireo taranaka any aoriana satria miantefa mivantana amin'izay hametrahana azy: "Inona no ataonareo ho anton'ireo vato ireo?" Tokony handray sy hahatakatra ny hevitr'ireo vato ireo ho an'ny tenany manokana ny taranaka tsirairay. Tsy voatahiry ho velona ny finoana an'ilay Andriamanitra Mpanao fahagagana raha tsy ny taranaka tsirairay mihitsy no maharay ny hevitra sy ny lanjan'ireo asa lehibe nataon'i Yahweh ho azy ireo.

Ny finoana tahaka izany dia hampisy fahasamihafana lehibe eo amin'ny fiainana amim-pahatokiana ireo fomba amam-panao miorina amin'ny Baiboly sy ny fifikirana amin'ny finoana nentim-paharazana izay nampitain'ny lovantsofina (fivavahana tsy misy aina izay tanan'ny taranaka ankehitriny izany, ka tsy manana ny tombambidiny sy ny heriny tany am-piandohana). Raha fintinina, dia ny finoana miorina amin'ny Baiboly no tokony horaisintsika ho an'ny tenantsika. Tsy misy na iza na iza afaka hino eo amin'ny toerantsika, eny fa na ireo razantsika aza.

Inona avy ireo fahatsiarovana manokana teo amin'ny fiarahanao mandeha tamin' Andriamanitra, izay manampy anao hahatsiaro ny zavatra efa nataony ho anao?

Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana

Daty
Alarobia 15 October 2025

NY FANADIΝΟΑΝΑ

Vakio ny Jos. 4:20-24 ary ampitahao amin'ireto andalan-tSoratra Masina manaraka ireto: Mpits. 3:7: Mpits. 8:34: Sal. 78:11; Deo. 8:2,18; Sal. 45:17. Nahoana no manan-danja tokoa ny fahatsiarovana ireo zava-dehibe nataon'i Jehôvah ?

Mariho ny fiovana eo amin'ny mpisolo tena ampiasaina ao amin'ny Jos. 4:23. Voalaza fa nataon'Andriamanitra maina ny onin'i Jordana teo "anoloanareo", izany hoe teo anoloan'ireo Isiraelita izay vao avy nita an'i Jordana. Etsy ankilany indray, dia voalaza ao fa nataon'Andriamanitra maina teo "anoloantsika ny Ranomasina Mena. Ny "isika" eto dia ireo izay teo hatramiin'ny taranaka voalohany indrindra sy nandalo tamin'ny fanandraman'ny fanafahana. Mitovy ny lanjan'ny toe-javatra roa niainan'ireo taranaka roa samy hafa ireo, izay nanome fahafahana ho an'ilay taranaka faharoa hahatakatra koa ny dikan'ny fiampitana ny onin'i Jordana, vokatry ny fijoroan'ny ray aman-dreniny ho vavolombelona.

Heverintsika ho zavatra mpahazo ny olombelona rehetra, ankapobeny, ny fanadinoana. Kanefa, ny fanadinoana eo amin'ny lafiny ara-panahy dia mety hiteraka vokany ratsy sy mampidi-doza kokoa.

Na dia ankehitriny aza, raha tiantsika ny hitahiry ny maha-isika antsika, vahoaka izay manana fiantsoana sy iraka manokana, dia tokony hamorona fomba samihafa hamelombelomana ny fitadidiantsika ara-panahy isika (na ny fiangonana na ny tsirairay) mba hihazonantsika ao an-tsaina izay niandohantsika sy ny maha-isika antsika ary ny antony maha-eto antsika.

Vakio ny 1 Kôr. 11:24,25 sy ny Jao. 14:26. Nahoana isika no tokony hahatsiaro mandrakariva ny zavatra nataon'i Kristy ho antsika? Manan-danja ve ny zavatra iray raha toa tsy tsaroantsika?

Takatr'i Ellen G. White tsara fa raha tsy misaintsaina mandrakariva ny asan'Andriamanitra tamin'ny lasa sy ny fanambaran'ny Teniny izay mitsilo ny lalantsika isika, dia azo antoka fa ho verintsika amin'ny hoavy ny fahazotoana hanatanteraka ny iraka nampanaovina antsika: "Tsy misy na inona na inona atahorantsika ny amin'ny hoavy, afa-tsy ny hanadinoantsika ny fomba nitarihan'ny Tompo antsika, sy ny fampianarany teo amin'ny tantarantsika hatrizay lasa izay." -LS, t. 196.

Na dia zava-dehibe aza ny hahatsiarovana ny lasa sy ny fomba nidiran'Andriamanitra an-tsehatra teo amin'ny flainanao, nahoana no Ilainao ny hanana fanandramana isan'andro momba ny fitiavany sy ny fanatrehany ankehitriny?

Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana

Daty
Alakamisy 16 October 2025

ANY ANKOATR'I JORDANA

"Efa nampody ny ranomasina ho fany maina Izy: Nandeha an-tongofra nita ny ony ny olona: Tao no nifaliantsika tamin' Andriamanitra." - Sal. 66:6

Samy nanamarika vanim-potoana vaovao teo amin'ny tantaran'ny Baiboly ny fiampitana ny Ranomasina Mena sy ny onin'i Jordana, ary samy manana heviny ara-tandindona izany (jereo ny Sal. 66:6, Sal. 114:1-7 ary ny 2 Mpanj. 2:6-15). Misy andalan-teny maromaro ao amin'ny TT izay mampifandray ireo fotoana roa nitan'ny zanak Isiraely ny rano, ary hita taratra amin'ireny lahatsoratra ireny fa manana heviny izay tsy voafetran'ny tontolon-kevitra ara-tantara fotsiny izany fa lalina kokoa noho izany. Ao amin'ny Sal. 66, dia mankalaza ny asa fanavotana nataon'Andriamanitra teo amin'ny fiainany ny mpanao Salamo (Sal. 66:16-19) ka niresaka momba ireo toe-javatra manan-tantara - ny fiampitana ny Ranomasina Mena sy ny fiampitana ny onin'i Jordana.

Mampifandray ireo toe-javatra roa ireo koa ny Sal. 114, tsy noho ny tsy fahafantaran'ny mpanoratra ny fotoana samy hafa nitrangan'izany tsy akory, fa noho ny hevitra ara-teolojia itovian'ireo toe-javatra roa ireo. Araka izany, dia heverina fa manamarika ny fiovana teo amin'ny toerana misy ny Isiraely ireo toe-javatra roa ireo; nanamarika ny fialana tamin'ny fanandevozana mankamin'ny fahafahana ny iray, ary ny iray kosa nanamarika ny fifindrafindrana sy ny tsy fananana tany ho amin'ny fijoroa ho firenena. Ao amin'ireo Salamo ireo, dia maneho ny fiovan'ny toerana misy ny mpanoratra ireo fiampitana roa ireo, avy amin'ny fahoriana sy ny fahantrana ary ny tsy fananan-kery sy ny fahafaham-baraka ho amin'ny fahatoniana sy ny fiadanana ary ny famonjena sy ny fahamendrehana.

Teo amoron'i Jordana koa no nisehoan'ny famindrana an'i Elia hankany an-danitra, tao anatin'ny tontolon-kevitry ny fahagagana sahala amin'izay voatantara ao amin'ny bokin'i Josoa. Nitondra ny fiovana manan-danja indrindra teo amin'ny fiainan'i Elia io fiampitana an'i Jordana io: nentina niakatra ho any an-danitra izy. Zava-dehibe ho an'i Elisa koa izany fiovana izany: tonga mpaminany teo amin'ny firenena (2 Mpanj. 2:22) ny mpanompon'ilay mpaminany (1 Mpanj. 19:21).

Vakio ny Mat. 3:16,17 sy ny Mar. 1:9. Ahoana no anehoan'ireo mpanoratra ny TV ireo ny hevitra ara-tandindona sy ara-panahin'ny onin'l Jordana?

Nanaraka ny firafitry ny tantaran'ny Isiraely fahiny ny asa fanompoan'i Jesosy teto an-tany, amin'ny maha-Solontenan'ny Isiraely Azy. Nandalo tamin'ny fanandraman'ny "Ranomasina Mena" sy "Jordana" İzy. Nantsoina hiala tany Egypta Izy taorian'ny fivoahan'ny didy fampamonoana (Mat. 2:14-16), nijanona tany an'efitra nandritra ny 40 andro (Mat. 4:2) tahaka ny naha-tany an'efitra ny Isiraely fahiny nandritra ny 40 taona; ary ho fifindrana avy amin'ny Fiainany manokana mankamin'ny asa fanompoana nataony teo amin'ny olona, dia natao batisa tao Jordana Izy (Mat. 3:16,17; Mar. 1:9).

Aty aoriana, dia eken'ny Heb. 3-4 fa manana heviny ara-tandindona ny fitana ny onin'i Jordana ary ambarany fa ny fidirana tao Kanana dia fanehoana mialoha ny "fitsaharana ao amin'ny fahasoavana" izay idiran'ny Kristianina amin'ny alalan'ny finoana.

Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 17 October 2025

Fianarana fanampiny:

Vakio "Ny nitana an'i Jordana", tt. 480-484 ao amin' ny PM.

"Diniho tsara ireo fanandraman'ny Isiraely nandritra ny diany nankany Kanana. Diniho ny toko fahatelo sy fahefatra ao amin'ny bokin'i Josoa, izay mandrakitra ny fiomanan'izy ireo ho amin'ny fiampitana an'i Jordana sy ny nitany teo hankany amin'ilay tany nampanantenaina. Aoka ny fo sy ny saina hianatra mandrakariva ka hamelombelona ny fitadidiana amin'ny alalan'ireo lesona nampianarin'ny Tompo ny vahoakany fahiny. Ary ho antsika koa, tahaka izay nikendreny izany ho azy ireo, dia hahaliana sy hahatalanjona mandrakariva ny fampianaran'ny Teniny." - SDABC, b. 2, 1. 994.

"Tandindomin-doza lehibe kokoa ny Isiraely moderina raha oharina amin'ireo vahoakan Andriamanitra fahiny, ny amin'ny hanadinoany an'Andriamanitra sy ny hahatonga azy ho voatarika hanompo sampy. Sampy marobe no iankohofan'izy ireo, eny fa na ireo izay mitonona ho mpitandrina ny Sabata aza. Nanome toromarika manokana an'ireo vahoakany fahiny Andriamanitra mba hitandreman'izy ireo tsy hanompo sampy, satria raha miala amin'ny fanompoana an'llay Andriamanitra velona izy, dia hihatra aminy ny Fanozonany. Raha toa kosa izy ireo ka tia Azy amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ary ny heriny rehetra, dia handrotsaka fitahiana manana amby ampy ho azy ireo Izy ka hitahy ny harony sy ny fitoeram-bariny ary tsy ho eo anivon'izy ireo ny aretina." - TFC, b. 1, t. 609.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ifanakalozy hevitra ao amin'ny kilasinao ny nitana an'i Jordana tamin'ny fomba mahagaga. Ahoana no hamaritanao ny fahagagana? Nahoana no toa tsy manao fahagagana Andriamanitra amin'izao andro izao?

2. Inona no fomba tsotra azonao atolotra ny kilasinao mba hisorohana ny fanadinoana ara-panahy, ho an'ny tsirairay ary ho an'ny fiangonana? Zava-dehibe ny hananantsika fifandraisana velona sy mitohy amin'Andriamanitra, tsy miorina amin'lreo fanandramana manan-danja tamin'ny lasa koa anefa ny fanandramantsika manontolo amin'ny maha-Kristianina antsika. Na izany aza, ahoana no ahafahantsika mbola mampiasa ny fanandramantsika tamin'ny lasa ihany ho fampahatsiahivana ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra teo amin'ny fiainantsika?

3. Araka ny hevitrao, ahoana no anampian'ny Sabata antsika hahatsiaro ny asa nataon'Arıdriamanitra teo amin'ny fiainantsika? Etsy ankilan'izany, ahoana no anomezan'ny Sabata antsika fahafahana manandrana sahady ny fitsaharana nampanantenaina, any amin'ny Fanjakany? Ahoana no anondroan'ny Sabata ny zavatra tokony hotsaroantsika sy izay azontsika antenaina koa amin'ny hoavy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal