Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 11 July 2026

IRAY AO AMIN'I KRISTY

Hodinihina mandritra ny herinandro: 1 Kôr. 1:12-17, Rôm. 1:29, 1 Kôr. 1:10, 1 Kôr. 3:1-4, Fil. 2:5-8, 2 Kôr.11:23-28, Kol. 1:24.

Tsianjery

"Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesôsy Kristy Tompontsika, mba hiray teny hianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo ami -nareo, fa mba ho tafakambana tsara hianareo,hiray saina sy hevitra." 1 Kor. 1:10.

Ireo izay mandinika ny zavaboary dia mahafantatra fa misy ireo biby izay miara-miaina ao anaty andiany. Na ny amboadia, na ny feso, ary na dia ny vitsika aza, dia mivondrona fa tsy mba misaratsaraka. Ny fifandraisan'izy ireo akaiky ao anatin'ny fiarahamoniny no mampahalaza ny rajako, ka mazána misy rajako 15 ka hatramin'ny 150 no miara-miaina ao anatin'ny vondrona. Nefa tsy voatery ho milamina mandrakariva ny fifandraisan'izy ireo, ary misy fifandirana aza indraindray.

Somary mitovy amin'izany ny olombelona; izany hoe, hoe, sady mirona ho amin'ny fiainana anaty vondrona izy ireo, nefa indraindray koa dia mifanditra ao anatin'ny vondrona misy azy. Zava-misy izany na dia ao am-piangonantsika aza! Dia mipoitra ny fisaratsarahana, matetika no mivondrona manodidina ny mpitarika iray mahasarika azy ny olona. Ary ny ratsy kokoa dia ity, tsy mifandray tsara amin'ny hafa ilay vondrona kely niforona.

Tsy efa nahita izany ve ianao tao am-piangonanao?

Raha eny, dia azonao an-tsaina ny olana natrehin'i Paoly tany Korinto. Handinika ny 1 Kor. 1-4 isika amin'ity herinandro ity, izay iresahan'ny apostoly Paoly ny momba ny olan'ny fifandirana ao am-piangonana sy ny fomba handresena izany, dia amin'ny alalan'ny firaisana ao amin'i Kristy.

*Famerenana ny lesona ny sabata 18 Jolay.

Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.

Daty
Alahady 12 July 2026

Mba «tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra» - 1 Kor.. 1:10; io antson'io Paoly io no mibahan-toerana ao amin'ireo toko efatra voalohany ao amin'ny 1 Korintiana. Manaiky tokoa ny ankamaroan'ireo mpandinika fa ny firaisana no lohahevitra lehibe mampifamatotra ny fizarana rehetra ao amin'ilay epistily.

Vakio ny 1 Kor. 1:12-17. Ahoana no anampian'ireo andininy Ireo antsika hahatakatra ny tsy mampitombina ny fananganana vondrona kely manodidina Ireo mpitarika eo an-toerana? Inona no vahaolana nomen'i Paoly?

Mampiasa teny mahery i Paoly mba hanehoana ny tsy fisian'ny firaisana teo amin'ireo mambran'ny fiangonana tao Korinto. Ny teny grika schisma ("fisarahana," 1 Kor. 1:10) sy eris ("fifampiandaniana," 1 Kor.. 1:11) izy. Ny teny hoe schisma (ary koa ny matoanteny hoe schizo, "mamaky" na "mampisaraka") dia ampiasaina any amin'ny andininy hafa ao amin'ny TV hamaritana ny tsy fitovian-kevitra izay miteraka fizarazarana ho antoko samy hafa. Ny teny hoe eris kosa dia hita matetika ao amin'ny fitanisana ireo fanao ratsy izay tsy tokony hataon'ny Kristianina.

Vakio ny Rôm. 1:29, Rôm. 13:13, 1 Kor. 3:3, 2 Kor. 12:20, ary Gal. 5:20. Inona avy ireo fahotana hafa voatanisa miaraka amin'ny eris ("fifandirana", "fifampiandaniana")? Inona no lazain'izany amintsika momba ny maha-ratsy izany?

Nipoitra ny tsy fifanarahana tao amin'ny fiangonana tao Korinto eny, nisy fifampitoriana tany amin'ny fitsarana aza (1 Kor. 6:1-3). "Hampahamenatra anareo no itenenako izany" - 1 Kor. 6:5, hoy i Paoly momba izany fifampitoriana teo amin'ny samy mambra izany. Raha ny marina, tsy naravon'izy ireo akory ny fifandirany na dia teo am-pandraisana ny fanasan'ny Tompo aza (1 Kor.. 11:17-22).

Tena mampivarahontsana ny olan'ny tsy firaisana eo amin'ny mambra, ary mampanahy mafy an'i Paoly izany. koa io no olana voalohany resahiny ao amin'io epistily ho an'ny Korintiana io.

Vakio Indray ny 1 Kor. 1:12-27. Avy eo, saino ny fomba anamplan'ireo andininy ireo antsika hahatakatra ny antony maha-ratsy indrindra ny fitsitokotokoana, izay mandrava ny fiangonana. Inona no azon'ny flangonanao atao mba hialana amin'io olana io?

Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.

Daty
Alatsinainy 13 July 2026

Vakio ny 1 Kor. 1:10. Araka ny hevitrao, inona no tian'i Paoly ambara amin'ny hoe: "mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra"?

Eto, ny fiforonan'ny fitsitokotokoana dia naneho ny fandavana tsy hilefitra amin'i Kristy (1 Kor. 1:10). Andriamanitra dia niantso antsika hanana "firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika" - 1 Kor. 1:9. I Kristy no Tompontsika, ary Izy no tsy maintsy ho ivon'ny fiainantsika. Noho izany, ny valin'ireo fanontaniana mampieritreritra hoe: "Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin'ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin'ny anaran'i Paoly no nanaovam-batisa anareo?" - 1 Kor. 1:13, dia "Tsia!" mazava. Tsy voazara i Kristy; Izy no voahombo teo amin'ny hazo fijaliana ho antsika, ary isika natao batisa «amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina» - Mat. 28:19.

Ambaran'i Paoly fa isika «no tenan'i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa» - 1 Kor. 12:27. Na manana rantsana maro aza ny vatana - izay samy manana ny anjara asany dia tena iray ihany. Tsy maintsy manao ny asany araka ny fahaizany avy ny rantsana tsirairay raha tiana hiasa araka ny tokony ho izy ny vatana. Mampiseho io sary an'ohatra io fa firaisan-tsaina no tadiavin'i Paoly, fa tsy fitoviana fotsiny. Mihoatra noho izany, maniry ny isian'ny firaisana izy na dia eo aza ny fahasamihafana.

Tsy maintsy ampileferina eo ambany fahefan'i Kristy Tompontsika ny fisainana sy ny hevitra rehetra. Ny maha-Tompontsika an'i Kristy dia lohahevitra manan-danja lehibe ho an'i Paoly, hany ka averimberiny matetika izany eo am-panombohany ny 1 Kor. (1 Kor. 1:2,7,8,9,10). Koa alohan'ny niresahan'i Paoly momba ny fisarahana sy momba ireo olombelona mpitarika, dia nantitranteriny fa manana an'i Jesôsy ho Tompo isika rehetra. Tsy mifantoka amin'ny olombelona mpitarika ny fiangonana. Mifantoka amin'i Jesosy kosa ny Kristianina.

Ny fanamafisana ny maha-Tompo an'i Jesosy eo amin'ireo andininy voalohandohany ao amin'ny 1 Korintiana dia manampy antsika hahatakatra ny tian'i Paoly hambara amin'ny hoe: "Mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra" 1 Kor. 1:10. Avy amin'ny matoanteny katartiző ny teny grika nadika hoe «hiray»; izay manondro fa misy zavatra tokony haverina amin'ny laoniny. Rehefa mitsitokotoko mivondrona manodidina olona mpitarika ny mambra, dia tsy maintsy haverina amin'ny laoniny, araka ny tokony ho izy, ny fifandraisana eo anivon'ny fiangonana, ary azo atao izany amin'ny alalan'ny firaisana ao amin'i Kristy sy ny fahafatesan'ny "izaho" izay aterak'izany.

Folo taona maro lasa izay, novoizina teo amin'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ny amin'ireo tarika madinika mpiara-mandinika ny Baiboly. Inona no maha-samy hafa ny fitsitokotokoana sy ny tarika madinika? Ahoana no hitandremantsika mba tsy hanjary fitsitokotokoana Ireo tarika madinika ireo?

Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.

Daty
Talata 14 July 2026

Vokatry ny fanomezan-danja be loatra ny olombelona mpitarika ny fitsitokotokoana ankapobeny. Mety hanimba ny firaisana eo anivon'ny fiangonana sy ny fahasalamana ara-panahin'ny mambra izany, satria ny fahadisoan-kevitra momba ny fanompoana kristianina dia mety hahatonga ny fiangonana hanome lanja tafahoatra ny mpitarika sasany, ka hanambany ny hafa. Mampisy rivo-piainana feno fifaninana, izay mety hampisara-bazana ny fiangonana, ny fihetsika toy izany. Ankoatra izany, raha ataontsika ivon'ny maha-kristianina antsika ny mpitarika, izay olombelona, dia i Kristy mihitsy no mety hesorintsika tsy ho eo amin'ny toerana tokony hisy azy eo amin'ny fiainantsika.

Vakio ny 1 Kor. 3:1-4. Ahoana no amaritan'i Paoly eto ny tsi-fahamatorana ara-panahin'ny Korintiana?

Nataon'i Paoly mazava tsara fa ny fahamatorana ara-panahy dia mitarika ny mpino hankasitraka ny fahendren'Andriamanitra (1 Kor. 2:6, 7), izay ampitaina amintsika amin'ny alalan'ny Fanahy Masina (1 Kor. 2:13), ary mifanohitra amin'ny fahendren'izao tontolo izao (1 Kor. 2:6) na ny fahendren'olombelona (1 Kor. 2:13). Naseho teo amin'ny hazofijalian'i Kristy ny fahendren'Andriamanitra (1 Kor. 2:1-4). Raha lazaina mazava kokoa, ny fahendren Andriamanitra dia voambara teo amin'ny fijalian'i Kristy, ny fahafatesany, ary ny fitsanganany tamin'ny maty. Koa mialoha ny namerenany ny antsony ho amin'ny firaisana (1 Kor. 3:1-17), dia tian'i Paoly ny mpamaky ny epistiliny mba hiaiky fa mila ilay fahendrena sy fahamatorana marina ao amin'i Kristy.

Olona araka ny Fanahy no atao hoe Kristianina hendry sy matotra, fa tsy araka ny nofo, ary tsy mbola zaza (1 Kor. 3:1). Mampitaha ny zava-panahy amin'ny zava-panahy izy ireo, satria «izay an'ny Fanahin'Andriamanitra (...) dia araka ny Fanahy no amantarana azy» - 1 Kör. 2:13,14. Mihinana ventin-kanina, fa tsy ronono (1 Kor. 3:2; ampitahao amin'ny Heb. 5:12) ny Kristianina hendry sy matotra. Ny mpino izay "Fa izay rehetra mivelona amin'ny ronono dia tsy zatra amin'ny tenin'ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo. Fa ho an'izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an'izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. Heb. 5:13,14. Ny Kristianina hendry sy matotra dia tsy manao hoe: "Izaho an'i Paoly" na "Izaho an'i Apôlôsy" (1 Kor. 3:4), rehefa miresaka momba ny mpitarika samihafa.

Raha ny marina, "mpiara-miasa amin'Andriamanitra" tahaka azy ireo ihany ireny olona ireny (1 Kor. 3:9). Sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra ary tempoliny isika, amin'ny maha-fiangonana antsika (1 Kor. 3:9,16,17). Isika rehetra dia an'Andriamanitra amin'ny alalan'i Kristy (1 Kor. 3:11).

Efa tratry ny fahadisoam-panantenana ve ianao noho ny olona iray izay nankasitrahanao fatratra? Raha efa niaina izany fanandramana izany ianao, inona no lesona noraisinao avy amin'izany?

Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.

Daty
Alarobia 15 July 2026

Vakio ny 1 Kor. 4:1,2. Inona no amplanarin'ireo andininy ireo mikasika ny tokony ho fomba fijery hananana momba ny olombelona mpitarika?

Asehon'i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 3:1-4 fa ny tsy fahamatorana ara-panahyno mahatonga ny fisaratsarahana. Mialoha ny niresahany momba io lohahevitra io anefa, dia hoy izy: «Izahay manana ny sain'i Kristy» - 1 Kor. 2:16. Azo inoana ho manondro ny fomba fisainan'i Kristy sy ny fiasany izany. Raha lazaina amin'ny teny hafa, ny mpino dia manana «ny sain'i Kristy» rehefa misaina sy miasa tahaka an'i Kristy. Tsy dia mora loatra anefa ny maneho izany saina izany eo amin'ny lafim-piainana rehetra, sa ahoana hoy ianao? Nisy fifaninanana be teo amin'ireo mpanao politika, ireo filozofa, ireo mpandinika, ary ireo mpitondra fivavahana teo amin'ny tontolo grika-romanina. Ny faniriana hahazo sitraka ara-kolontsaina no toa nitarika ny fiangonana tao Korinto hanaraka ny fenitr'izao tontolo izao. Mety ho loza ho an'ny fiangonana ankehitriny koa izany.

Vakio ny Fil. 2:5-8. Ahoana no anampian'ireo andinin-teny Ireo antsika hahatakatra ny tiana hambara amin'ny hoe «ny sain'l Kristy» - 1 Kor. 2:167

Niseho tao amin'ny fiangonana tao Filipy koa, tahaka ny tao amin'ny fiangonana tao Korinto (Fil. 2:1-4), ny fisarahana, na dia mety ho tamin'ny endriny malefaka kokoa aza. Mampianatra antsika ny Fil. 2:1-8 fa mitaky ny fahafatesan'ny "izaho" sy ny fialana amin'ny toe-tsaina feno fitiavan-tena, ary ny fiezahana kosa hihevitra ny hafa mihoatra noho ny tenantsika, ny fanompoana tahaka ny an'i Kristy.

Fanompoana tahaka ny an'i Kristy no tian'i Paoly holazaina amin'ny hoe « mpanompon'i Kristy» - 1 Kor. 4:1. Mety hidika koa io andian-teny io fa manompo an'i Kristy amin'ny maha-mpanampy na olona eo ambany fahefan'i Kristy izy ireo. Mazava fa mifototra amin'ny ohatra nasehon'i Kristy teo amin'ny fitarihana ny fomba fijery marina momba ny olombelona mpitarika. «Mpitandrina» koa no anoritsoritana ireo mpanompo ireo (1 Kor. 4:1,2). Olona nanankinana ny fitantanana ny fananan'ny olona iray hafa no atao hoe mpitandrina. Ary na inona na inona fananantsika, dia an'i Kristy rahateo avokoa izy rehetra.

Saintsaino amim-pivavahana ny hafatra ao amin'ny Fil. 2:5-8. Ahoana no ahafahantsika mahatakatra izay ambaran'izany momba ny fitiavan'Andriamanitra antsika, izay feno fahafoizan-tena? Ahoana koa no hianarantsika ho faty amin'ny "Izaho" mba hahafahantsika maneho io fitiavana io amin'ny manodidina antsika?

Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.

Daty
Alakamisy 16 July 2026

Ny tsy tokony hisaratsarahantsika mba hanaraka izay mpitarika tiantsika avy dia tsy midika fa tsy tokony hanohana ny mpitarika antsika isika. Tokony hankasitraka sy hanampy ireo mitarika ny asan'ny fiangonana isika. Manendry olona hanao ny asany eto an-tany Andriamanitra. Mendrika ny hohenoina sy harahina ireo mpitondra fivavahana izay mampiseho fomba fiaina feno fanetren-tena, araka izay naseho teo amin'ny hazo fijaliana.

Ny hazo fijaliana mantsy no hany manana hery mandrava izay rehetra mety ho fanararaotam-pahefana amin'ny alalan'ny fampiasana ny Tenin'Andriamanitra. Ireo mpitarika manana ny sain'i Kristy dia manaiky fa Andriamanitra irery ihany no mampahomby ny asany. Na i Jesôsy aza dia nanolotra ny voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany, fony Izy nanompo teto an-tany tamin'ny maha-olombelona Azy (Jao. 17:4).

Ho an'i Paoly, ny fanompoana kristianina mahatoky dia tsy maintsy miorina eo amin'ny antsoina hoe teolojian'ny hazo fijaliana. Ny hazo fijaliana no fanambaran'Andriamanitra ny fahendreny sy ny heriny mahavonjy. Izany koa no maneho miharihary ny fahendren'olombelona ho fahadalana. Hazavain'i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 4:1-13 ny fisehon'izany teolojian'ny hazo fijaliana izany.

Voalohany, asehony fa Andriamanitra no mametraka ny fenitra ho an'ny fitarihana kristianina (1 Kor. 4:1-5).

Faharoa, asongadiny fa ny fijaliana no famantarana mampiavaka ny fanompoana kristianina marina (1 Kor. 4:9,11-13). Mendrika hohalalinina kokoa io teboka faharoa io.

Vakio ny 2 Kor. 11:23-28 sy ny Kol. 1:24. Inona no ampianarin'izany antsika momba ny hevitry ny hoe miaritra fijaliana noho ny amin'l Kristy?

Manaraka ny dian-tongotr'i Jesôsy ny mpitarika kristianina amin'ny fahavononany hiari-pahoriana ho an'ny rahalahiny (rahavavy, anabavy, anadahy), ary ho faty aza, raha ilaina, noho ny amin'ny fanompoany. Niresaka momba ny tenany sy i Apolosy i Paoly ho «toy izay voaheloka hovonoina" 1 Kor. 4:9. Olona tsy ampy sakafo sy rano no anoritsoritana azy ireo, ary koa "tsy manan-kitafy sy asiana totohondry ary tsy manana antom-ponenana» 1 Kor. 4:11. Ankoatra izany, notevatevaina koa izy ireo, nenjehina, notenenina mafy, ary natao «toy ny faditr'izao tontolo izao (...) dia faikan'ny olona rehetra, mandraka ankehitriny» - 1 Kor. 4:12,13. Nasehon'i Paoly koa, tamin'ny eson-teny nataony momba ny Korintiana hoe: manan-karena, manjaka, hendry, ary manan-daza izy ireo (1 Kor. 4:8,10), fa ny fireharehana dia tsy tokony hanan-toerana eo amin'ny fitarihana kristianina marina, satria izany no fototry ny fisaraham-bazana ao am-piangonana (1 Kor. 4:6).

Hatraiza no efa niaretanao fahoriana noho ny amin'i Kristy, na inona na inona andraikitrao ao am-piangonana? Inona no lesona azo tsoahina avy amin'ny valin-teninao.

Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 17 July 2026

VM, toko 2, "Ny fanomanana azy roa ambin'ny folo lahy".

"Ny firaisan-tsaina sy firaisan-kina eo amin'ny vahoakan'Andriamanitra sisa izay mino ny fahamarinana, dia manan-kery mandresy lahatra izao tontolo izao fa manana ny fahamarinana izy ireo, ary vahoaka miavaka, voafidin'Andriamanitra. Mahavery hevitra ny fahavalo io firaisana io, ary vonona izy hanafoana izany. Rehefa inoana ao am-po sy aseho eo amin'ny fiainana ny fahamarinana ankehitriny, dia mampiray ny vahoakan'Andriamanitra sy manome azy hery lehibe." - TFC, b. 1, t. 327.

"Mitarika vahoaka ho eo amin'ny sehatry ny fahamarinana mandrakizay ao anatin'ny firaisana tonga lafatra Andriamanitra. Nanolotra ny Tenany ho an'izao tontolo izao i Kristy mba 'hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara. Atao izany asa fandrendrehana izany mba hanadiovana ny fiangonana ho afaka amin'ny tsy fahamarinana rehetra sy ny toe-tsain'ny fifandirana sy ny adilahy, mba hahatonga azy ireo hanao fanorenana fa tsy fandravana ary koa mba hampifantohany ny heriny amin'ny asa lehibe manoloana azy. Notendren' Andriamanitra ny hahatonga ny vahoakany ho iray ao amin'ny finoana. Ny vavaka nataon'i Kristy talohan'ny nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana dia ny mba hahatonga ireo mpianany ho iray ihany tahaka Azy iray amin'ny Ray mba hinoan'izao tontolo izao fa ny Ray no naniraka Azy. Mihatra amin'ny vanim-potoana rehetra ity vavaka tena manohina ny fo sy kanto ity, na dia amin'izao androntsika izao aza; satria hoy ny fivavany: "Tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny." - TFC, b. 4, t. 17.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Teo am-pamaranana ny fanompoany teto an-tany, dia nivavaka mba hisian'ny firaisana i Jesôsy : "mba ho iray ihany izy rehetra (...) mba ho fantatr'izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy" Jao. 17:21-23. Nahoana ny firaisana ao amin'i Kristy no porofo mahery vaika fa naniraka ny Zanany marina tokoa Andriamanitra mba hamonjy izao tontolo izao? Araka izany, nahoana no sakana ho an'ny iraka tanterahin'ny fiangonana ny tsi-fisian'ny firaisana?

2. Vakio ny 1 Kor. 4:9-13 ary diniho tsara ny fomba nanoritsoritana ireo apostoly ao. Inona no maha-hafa io fomba nanehoana ny apostoly io sy ireo toetra mampiavaka ny fitarihana omen-danja eo amin'izao tontolo izao? Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny maha-samihafa ny fenitr'Andriamanitra sy ny fenitr'izao tontolo izao.

3. Mampirisika ny Korintianina i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 4:16, mba hanahaka azy. Moa ve ianao vonona hanahaka mpitarika, izay olombelona ihany? Inona no maha-samy hafa ny fanahafana mpitarika iray sy ny fanandratana izany mpitarika izany amin'ny fomba tafahoatra, ary mety hampidi-doza aza?

Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 18 July 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: 1 Kor. 5:1-13; 2 Kor 2:5-10; 1 Kor. 6:1-13; 1 Tes. 4:1-8; 1 Kor. 6:19-7:9.

Tsianjery

"Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? Ka tsy tompon'ny tenanareo hianareo. Fa olom-boavidy hianareo; ka dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.-1 Kor. 6:19, 20.

Tahaka ny sponjy ny atidohantsika: izay rehetra ampidirina ao, amin'ny alalan'ireo retsi-pandrentsika, dia mijanona ao anatiny. Mety tsy tsapantsika ny ankabeazan'ireo zavatra miditra ao anatin'ny atidohantsika (tsy hahay hisaina araka ny tokony ho izy isika raha toa ka mahatadidy ny zavatra rehetra), saingy ao avokoa izany, ary amin'ny lafiny sasany aza dia miantraika amin'ny fomba fisainantsika sy ny fihetsehampontsika ary izay ataontsika izany.

Izany no mahatonga antsika, eny fa na dia Kristianina aza, dia mora andairan'ireo zava-dratsy rehetra manodidina antsika. Nitolona tamin'izany olana izany ny fiangonana kristianina tany am-piandohana. Avy aiza, ohatra, no niandohan'ny fitandremana ny Alahady? Moa ve izany tonga ho azy tao amin'ny fiangonana? Mazava loatra fa tsia. Avy tamin'ny kolontsaina nano -didina ny fiangonana izany?

Hitantsika fa nihatra tany Korinto izany fitsipika izany. Rehefa avy nanao antso mba tsy hisian'ny fisarahana sy ny fitsitokotokoana i Paoly (1 Kor. 1-4), dia miresaka indray momba ireo toe-javatra mifandraika amin'ny fahalotoam-pitondrantena, ny fifampitorian'ny samy Kristianina any amin'ny fitsarana, ny fijangajangana, ny fanambadiana ary ny fijanonana ho tokan-tena (1 Kor. 5-7). Nisy fiantraikany lalina tamin'izy ireo ny fomba fiainan'izao tontolo izao. Ny fisa ratsarahana resahina ao amin'ny 1 Kor. 1-4 dia nanoka-baravarana ho an'ny fitondrantena ra tsy izay tsikeraina ao amin'ireo toko manaraka. Ahoana ny fomba niresahan'i Paoly momba izany fahotana izany tao amin'ny fiangonana, ary inona ny lesona azontsika raisina avy ami -n'izay nosoratany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal