Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MANOFANA NY MPIANANY I JESÔSY - FIZARANA II 

Daty
Sabotsy 17 August 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 10; Gen. 1:27; Gen. 2:24; Gal. 4:1,2; Rôm. 6:1-11; Isa. 11:1-16.

Tsianjery: "Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro."- Mar. 10:45.

 Mifantoka amin'ny Mar. 10 ny lesona amin'ity herinandro ity, izay mifameno amin'ilay fizarana nanofanan'i Jesôsy manokana ny mpianany ho fanomanany azy ireo hiatrika ny hazo fijaliana. Saika ny antsasaky ny Mar. 10 no miresaka momba ny mpianatra manokana, ary ny ambiny kosa miresaka ny amin'ireo lohahevitra manan-danja momba ny maha-mpianatra saingy amin'ny alalan'ny fomba fijerin'ireo olon-kafa nifanerasera tamin'i Jesôsy. Tonga ny Fariseo miady hevitra Aminy momba ny fisaraham-panambadiana. Mitondra ny zanany ho eo amin'i Jesôsy ny ray aman-dreny mba hotsofiny rano. Manontany Azy momba ny fiainana mandrakizay ny lehilahy manan-karena iray, ary mangataka mba hampahiratiny ny jamba iray.

Ahitana fampianarana manan-danja ny Mar. 10 momba ny atao hoe manaraka an'i Jesôsy, indrindra satria mifandray amin'ny fiainantsika amin'izao fotoana izao izany: ny fanambadiana, ny zanaka, ny toerana tokony homentsika ny vola, ary ny valisoa sy ny sandan'ny fanarahana Azy. Ny nanasitranana ilay lehilahy jamba faharoa (ampitahao ny Mar. 10:46-52 sy ny Mar. 8:22-26) no mamarana azy, izay maneho amin'ny fomba mazava tsara ny sandan'ny fanarahana an'i Jesôsy sy ny hiafaran'izany.

Ireo lesona rehetra ireo dia manomana ny mpanara-dia an'i Jesôsy - na ireo mpianany tamin'ny 2000 taona lasa na ireo mpianany aty amin'ny taonjato faha-21 - ho amin'ny fotoan-tsarotra eo amin'ny fiainana maha-mpianatra. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal