Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ILAY FIDIRANA MANETRIKETRIKA

Daty
Alahady 25 August 2024

Vakio ny Mar. 11:1-11 sy ny Zak. 9:9,10. Inona no mitranga eto?

Ny antsasak'ity tantara ity dia mitantara ny nanirahan'i Jesôsy mpianatra roa hankany amin'ny tanàna iray akaiky azy ireo mba haka zana-boriky hotaingenany hiditra any Jerosalema. Nahoana moa no anokanana fotoana betsaka tahaka izany io tantara io?

Roa sosona ny valin'izany. Voalohany, maneho ny fahefana ara-paminaniana ananan'i Jesôsy izany, faminaniana mikasika ny fanetriketriky ny fidirany any Jerosalema sy ny fifandraisan'io fidirana io amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Faharoa, io lafin-javatra iray ao amin'io tantara io dia mifandraika amin'ny Zak. 9:9,10, izay miresaka momba ny mpanjaka mitaingina zana-boriky raha miditra ao Jerosalema. Mampahatsiahy ny nidiran'i Sôlômôna tao Jerosalema nitaingina zana-boriky izany (1 Mpanj. 1:32-48), raha nanao izay handrombahana ny seza fiandrianana i Adônia ka nandidy ny amin'ny hanosorana an'i Sôlômôna ho mpanjaka avy hatrany i Davida.

"Diman-jato taona talohan'ny nahaterahan'i Kristy, dia nambaran'ny mpaminany Zakaria nialoha araka izany ny fiavian'ny Mpanjaka ho amin'Isiraely. Ho tanteraka to faminaniana io ankehitriny. Ilay nandà hatry ny ela dia ela ny voninahitry ny mpanjaka, ankehitriny dia mankany Jerosalema amin'ny mafia mpandova ny seza fiandrianan'i Davida nampanantenaina Azy." - IFM, t. 607.

Eo amin'ny havoana izay manana haavo 740 metatra any ho any no misy an'i Jerosalema. 40.000 hatramin'ny 50.000 any ho any ny mponina tao tamin'ny andron'i Jesôsy, saingy nifanitsa-kitro kosa ny olona rehefa Paska. 101 hektara monja ny velaran'io tanàna io, ary ny 15 hektara amin'izany no velaran'ny tendrombohitra misy ny tempoly. Ilay tempoly tsara tarehy no nisongadina tee amin'ilay tanàna.

Avy any Atsinanana no nidiran'i Jesôsy, nidina avy tee amin'ny tendrombohitra Oliva ary azo heverina fa niditra tee amin'ny Vavahady volamena tee amin'ny tendrombohitra misy ny Tempoly lzy (voarindrina biriky io vavahady io ankehitriny). Nientanentana noho ny fidirany ny iray tanàna, ary nahalala ny hevitr'ity fihetsika ara-tandindona ity ny rehetra. Nihiaka hoe "Hosana" ireo vahoaka nanaraka an'i Jesôsy. Nidika hoe "mamonje izao" izany tany am-piandohana saingy taty aoriana dia nanjary "deraina anie Andriamanitra" ny heviny.

Efa nifarana ilay fotoan'ny tsiambaratelo izay nohafatrafaran'i Jesôsy mba hotanana manerana ny filazantsaran'i Marka. Ankehitriny dia miditra ao Jerosalema lzy amin'ny alalan'ny fihetsika maneho fiandrianana araka izay fantatry ny maro. Niditra tao amin'ny tempoly lzy. Efa hariva anefa ny andro ka nijerijery ny zavatra rehetra fotsiny lzy ary niala teo niaraka tamin'ireo mpianany roa ambin'ny folo hankany Betania. Niafara tamin'ny fialany tamim-pahanginana tee amin'ny tempoly ny tee-javatra izay mety ho niafara tamin'ny savorovoro na koa fikomiana. Samy hafa amin'izany kosa no nitranga ny ampitson'io.

Maneho fanetren-tena ny fitaingenana zana-boriky. Nahoana izany teboka izany no manan-danja, indrindra ho an'ny Kristianina? Inona moa no ananantsika ka tokony hireharehantsika, eo anatrehan'ny hazo fijaliana?  

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal