Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ILAY FIDIRANA MANETRIKETRIKA

Daty
Alahady 25 August 2024

Vakio ny Mar. 11:1-11 sy ny Zak. 9:9,10. Inona no mitranga eto?

Ny antsasak'ity tantara ity dia mitantara ny nanirahan'i Jesôsy mpianatra roa hankany amin'ny tanàna iray akaiky azy ireo mba haka zana-boriky hotaingenany hiditra any Jerosalema. Nahoana moa no anokanana fotoana betsaka tahaka izany io tantara io?

Roa sosona ny valin'izany. Voalohany, maneho ny fahefana ara-paminaniana ananan'i Jesôsy izany, faminaniana mikasika ny fanetriketriky ny fidirany any Jerosalema sy ny fifandraisan'io fidirana io amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Faharoa, io lafin-javatra iray ao amin'io tantara io dia mifandraika amin'ny Zak. 9:9,10, izay miresaka momba ny mpanjaka mitaingina zana-boriky raha miditra ao Jerosalema. Mampahatsiahy ny nidiran'i Sôlômôna tao Jerosalema nitaingina zana-boriky izany (1 Mpanj. 1:32-48), raha nanao izay handrombahana ny seza fiandrianana i Adônia ka nandidy ny amin'ny hanosorana an'i Sôlômôna ho mpanjaka avy hatrany i Davida.

"Diman-jato taona talohan'ny nahaterahan'i Kristy, dia nambaran'ny mpaminany Zakaria nialoha araka izany ny fiavian'ny Mpanjaka ho amin'Isiraely. Ho tanteraka to faminaniana io ankehitriny. Ilay nandà hatry ny ela dia ela ny voninahitry ny mpanjaka, ankehitriny dia mankany Jerosalema amin'ny mafia mpandova ny seza fiandrianan'i Davida nampanantenaina Azy." - IFM, t. 607.

Eo amin'ny havoana izay manana haavo 740 metatra any ho any no misy an'i Jerosalema. 40.000 hatramin'ny 50.000 any ho any ny mponina tao tamin'ny andron'i Jesôsy, saingy nifanitsa-kitro kosa ny olona rehefa Paska. 101 hektara monja ny velaran'io tanàna io, ary ny 15 hektara amin'izany no velaran'ny tendrombohitra misy ny tempoly. Ilay tempoly tsara tarehy no nisongadina tee amin'ilay tanàna.

Avy any Atsinanana no nidiran'i Jesôsy, nidina avy tee amin'ny tendrombohitra Oliva ary azo heverina fa niditra tee amin'ny Vavahady volamena tee amin'ny tendrombohitra misy ny Tempoly lzy (voarindrina biriky io vavahady io ankehitriny). Nientanentana noho ny fidirany ny iray tanàna, ary nahalala ny hevitr'ity fihetsika ara-tandindona ity ny rehetra. Nihiaka hoe "Hosana" ireo vahoaka nanaraka an'i Jesôsy. Nidika hoe "mamonje izao" izany tany am-piandohana saingy taty aoriana dia nanjary "deraina anie Andriamanitra" ny heviny.

Efa nifarana ilay fotoan'ny tsiambaratelo izay nohafatrafaran'i Jesôsy mba hotanana manerana ny filazantsaran'i Marka. Ankehitriny dia miditra ao Jerosalema lzy amin'ny alalan'ny fihetsika maneho fiandrianana araka izay fantatry ny maro. Niditra tao amin'ny tempoly lzy. Efa hariva anefa ny andro ka nijerijery ny zavatra rehetra fotsiny lzy ary niala teo niaraka tamin'ireo mpianany roa ambin'ny folo hankany Betania. Niafara tamin'ny fialany tamim-pahanginana tee amin'ny tempoly ny tee-javatra izay mety ho niafara tamin'ny savorovoro na koa fikomiana. Samy hafa amin'izany kosa no nitranga ny ampitson'io.

Maneho fanetren-tena ny fitaingenana zana-boriky. Nahoana izany teboka izany no manan-danja, indrindra ho an'ny Kristianina? Inona moa no ananantsika ka tokony hireharehantsika, eo anatrehan'ny hazo fijaliana?  

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal