Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NAFOIN'ANDRIAMANITRA

Daty
Alarobia 18 September 2024

Vakio ny Mar. 15:33-41. Inona ny hany teny nataon'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana araka ny filazantsaran'i Marka? Inona no hevitry ny fahafatesan'i Kristy ho antsika rehetra?

Asehon'ny filazantsaran'i Marka ho toy ny toerana feno haizina mikitroka ny hazo fijaliana, ni ara-batana izany na ara-panahy. Haizina tsy tahaka ny mahazatra no hita teo Kalvary nanomboka tamin'ny mitataovovonan'ny Zoma mandra-pahatongan'ny tamin'ny 3 folakandro. "Ary nony tamin'ny ora fahenina, dia tonga maizina ny tany rehetra, ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy' Mar. 15:33.

Antsoina hoe "hiakan'ny fanirery tanteraka" ny teny nataon'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana raha nivavaka Izy, nihiaka niantso an'Andriamanitra mba hanontany ny antony namelana Azy ho irery. Ny teny ao amin'ny Sal. 22:1 no naveriny. Hita ao amin'ny Mar. 15:24,29 koa ny famerenana ny teny voalaza ao amin'io Salamo io, izay manondro ny fahatanterahan'ny Soratra Masina tac amin'ny fahafatesan'i Jesôsy. Na dia tao anatin'ny teti-dratsin'ny olombelona aza dia tanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Naverina tamin'ny teny arameanina nampiarahina tamin'ny dikanteniny ny teny nataon'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana. Ny teny hoe "Andriamanitro ô, Andriamanitro ô" dia Eloy, Eloy ao amin'ny and. 34 (fanononana ny teny arameanina hoe Toy ny hoe niantso an'i Elia ny fandrenesana an'i Jesôsy tamin'izany (Arameanina: 'eliyyah izay midika hoe "YHWH no Andriamanitro"). Fahadisoana teo amin'ny fandrenesan'ny sasany tamin'ireo nitazana teo izany.

Ny mahaliana mikasika ity andalan-teny ity dia ny fifandraisana ananany amin'ny batisan'i Jesôsy, ao amin'ny Mar. 1:9-11. 

Ny batisa: Mar. 1:9-11                                     Ny hazo fijaliana: Mar. 15:34-39 
. Manao batisa an'i Jesôsy i Jaona                 . Ny batisan'i Jesôsy ampitahao    
                                                                             (amin'ny Mar. 10:38)                                                                             
. Jaona (naneho taratra an'i Elia; jereo ny     . Niantso an'i Elia     
  Mar. 9:11-13)                                                               
. Nisokatra ny lanitra                                        . Nitriatra ny Iamban'ny tempoly     
. Fanahy (pneuma)                                           . Afaka ny ain'i Jesôsy (expneô)     
. Ny feon'A /tra  manao hoe:                           . Ilay kapiteny nilaza hoe:   
   "Zanaka malala".                                               "Zanak' A/tra".

Asehon'ireo fampitahana ireo fa ny batisan'i Jesôsy ao amin'ny Mar. 1 no manamarika ny fiantombohan'ny asany, araka izay ambaran'ny faminaniana ao amin'ny Dan. 9:24-27. Tahaka izany koa, ny toe-javatra ao amin'ny Mar. 15 teo amin'ny hazo fijaliana no faratampony na tanjon'ny asa fanompoany, rehefa maty mba ho avotra ho an'ny maro Izy (Mar. 10:45). Manatanteraka ny ampahany amin'ny faminanian'ny Dan. 9:24-27 koa ny fahafatesan'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana. Ny fitriatry ny lamba teo amin'ny tempoly (Mar. 15:38) dia manondro ny fahatanterahan'ny rafi-panaovana fanatitra, satria efa mifanena amin'ny tena izy ny tandindona, ary vanim-potoana vaovao eo amin'ny tantaran'ny famonjena no nanomboka.

Tanteraka ny sitrapon'Andriamanitra na dia eo aza ny teti-dratsin'ny olombelona. Nahoana izany no tokony hanampy antsika hianatra fa na inona na inona mitranga manodidina antsika dia mbola azontsika atao ny mitoky amin'Andriamanitra sy mahalala fa handresy amin'ny farany ny fahatsarany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal