Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NAFOIN'ANDRIAMANITRA

Daty
Alarobia 18 September 2024

Vakio ny Mar. 15:33-41. Inona ny hany teny nataon'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana araka ny filazantsaran'i Marka? Inona no hevitry ny fahafatesan'i Kristy ho antsika rehetra?

Asehon'ny filazantsaran'i Marka ho toy ny toerana feno haizina mikitroka ny hazo fijaliana, ni ara-batana izany na ara-panahy. Haizina tsy tahaka ny mahazatra no hita teo Kalvary nanomboka tamin'ny mitataovovonan'ny Zoma mandra-pahatongan'ny tamin'ny 3 folakandro. "Ary nony tamin'ny ora fahenina, dia tonga maizina ny tany rehetra, ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy' Mar. 15:33.

Antsoina hoe "hiakan'ny fanirery tanteraka" ny teny nataon'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana raha nivavaka Izy, nihiaka niantso an'Andriamanitra mba hanontany ny antony namelana Azy ho irery. Ny teny ao amin'ny Sal. 22:1 no naveriny. Hita ao amin'ny Mar. 15:24,29 koa ny famerenana ny teny voalaza ao amin'io Salamo io, izay manondro ny fahatanterahan'ny Soratra Masina tac amin'ny fahafatesan'i Jesôsy. Na dia tao anatin'ny teti-dratsin'ny olombelona aza dia tanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Naverina tamin'ny teny arameanina nampiarahina tamin'ny dikanteniny ny teny nataon'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana. Ny teny hoe "Andriamanitro ô, Andriamanitro ô" dia Eloy, Eloy ao amin'ny and. 34 (fanononana ny teny arameanina hoe Toy ny hoe niantso an'i Elia ny fandrenesana an'i Jesôsy tamin'izany (Arameanina: 'eliyyah izay midika hoe "YHWH no Andriamanitro"). Fahadisoana teo amin'ny fandrenesan'ny sasany tamin'ireo nitazana teo izany.

Ny mahaliana mikasika ity andalan-teny ity dia ny fifandraisana ananany amin'ny batisan'i Jesôsy, ao amin'ny Mar. 1:9-11. 

Ny batisa: Mar. 1:9-11                                     Ny hazo fijaliana: Mar. 15:34-39 
. Manao batisa an'i Jesôsy i Jaona                 . Ny batisan'i Jesôsy ampitahao    
                                                                             (amin'ny Mar. 10:38)                                                                             
. Jaona (naneho taratra an'i Elia; jereo ny     . Niantso an'i Elia     
  Mar. 9:11-13)                                                               
. Nisokatra ny lanitra                                        . Nitriatra ny Iamban'ny tempoly     
. Fanahy (pneuma)                                           . Afaka ny ain'i Jesôsy (expneô)     
. Ny feon'A /tra  manao hoe:                           . Ilay kapiteny nilaza hoe:   
   "Zanaka malala".                                               "Zanak' A/tra".

Asehon'ireo fampitahana ireo fa ny batisan'i Jesôsy ao amin'ny Mar. 1 no manamarika ny fiantombohan'ny asany, araka izay ambaran'ny faminaniana ao amin'ny Dan. 9:24-27. Tahaka izany koa, ny toe-javatra ao amin'ny Mar. 15 teo amin'ny hazo fijaliana no faratampony na tanjon'ny asa fanompoany, rehefa maty mba ho avotra ho an'ny maro Izy (Mar. 10:45). Manatanteraka ny ampahany amin'ny faminanian'ny Dan. 9:24-27 koa ny fahafatesan'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana. Ny fitriatry ny lamba teo amin'ny tempoly (Mar. 15:38) dia manondro ny fahatanterahan'ny rafi-panaovana fanatitra, satria efa mifanena amin'ny tena izy ny tandindona, ary vanim-potoana vaovao eo amin'ny tantaran'ny famonjena no nanomboka.

Tanteraka ny sitrapon'Andriamanitra na dia eo aza ny teti-dratsin'ny olombelona. Nahoana izany no tokony hanampy antsika hianatra fa na inona na inona mitranga manodidina antsika dia mbola azontsika atao ny mitoky amin'Andriamanitra sy mahalala fa handresy amin'ny farany ny fahatsarany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal