Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mila fanavaozana

Daty
Talata 01 October 2024

"Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota hianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay. Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin 'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rom. 6:22,23.

Mofon’aina:    
Tsapan'i Paoly fa tsy maintsy ankatoavina ny fitakian'Andriamanitra, ary ialana ny fitsarany. Tsy maintsy manao ny fomba rehetra hahazoana ny satroboninahitry ny fiainana koa isika, tahaka an'i Paoly (...). Tsy azontsika atao ny mionona amin'ny fiainana tsy mahasoa.

Inona no atao hoe fanetren-tena? Ilay fahatsapana ho meloka sy tsy mendrika, izay mitarika ho amin'ny fibebahana. Kanefa tsy maintsy azontsika antoka aloha fa ratsy tokoa ny aretina iray vao mitady fanasitranana isika. Ireo izay tsy mahita ny maha-fahotana ny fahotana dia tsy mahay mankasitraka ny tomban'ny fanavotana, ary tsy mahatsapa ny ilany fanadiovana ho afaka amin'ny fahotana. Mampitaha ny tenany amin'ny tenany sy amin'ny mpanota tahaka azy izy, fa tsy mibanjina ny fahamasinana sy ny fahadiovan'i Kristy. (...)

Nahary ny olombelona ho voninahiny Andriamanitra. Tsy holeferiny ary tsy azony leferina ny hisian'ny ota ao amin'ny fanjakany. Raha misy olona minia manota amin'Andriamanitra ao am-piangonana, dia tokony hatao ny fomba rehetra hitaomana azy hibebaka. Afa-baraka Andriamanitra raha tsy atao izany. (...)

Toa fahadisoana kely no ahitan'ny fiangonana ankehitriny ny fahotan'i Adama, izay tokony ho navela fotsiny ka tsy hotsarovana intsony. Kanefa ny fenitr'Andriamanitra dia avo ary ny teniny tsy azo ovana. Fahavetavetana eo anatrehany izay rehetra mety ho fitiavan-tena sy fieremana. Mila fanadiovana sy fanamasinana ny fon'ny mpino. (...)

Andrandrao ny maso ry mpiray fanantenana malala. Lefy ve ny herin'ny filazantsara ka tsy miasa amin'ny fo? (...) Tsia; eto amintsika ny Sabatry ny Fanahy, ny tenin'Andriamanitra velona, saingy tsy maintsy ampiasaina amin-kafanam-po sy fitandremana izany. (...)

Tian'Andriamanitra hisy fanavaozana eto amintsika (...). Rehefa mifoha ny fiangonana dia hisy fanovana lehibe hatao. Hiova fo ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ho feno ny Fanahy Masina ka hitety tany sy tanana, hitory ny hafatry ny fahamarinana. Amin'ny fo feno fitiavana hamonjy fanahy no anokafany ny Baiboliny ka hampisehoany ny Tenin'Andriamanitra. — UL, t. 16. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal