Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mila fanavaozana

Daty
Talata 01 October 2024

"Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota hianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay. Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin 'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rom. 6:22,23.

Mofon’aina:    
Tsapan'i Paoly fa tsy maintsy ankatoavina ny fitakian'Andriamanitra, ary ialana ny fitsarany. Tsy maintsy manao ny fomba rehetra hahazoana ny satroboninahitry ny fiainana koa isika, tahaka an'i Paoly (...). Tsy azontsika atao ny mionona amin'ny fiainana tsy mahasoa.

Inona no atao hoe fanetren-tena? Ilay fahatsapana ho meloka sy tsy mendrika, izay mitarika ho amin'ny fibebahana. Kanefa tsy maintsy azontsika antoka aloha fa ratsy tokoa ny aretina iray vao mitady fanasitranana isika. Ireo izay tsy mahita ny maha-fahotana ny fahotana dia tsy mahay mankasitraka ny tomban'ny fanavotana, ary tsy mahatsapa ny ilany fanadiovana ho afaka amin'ny fahotana. Mampitaha ny tenany amin'ny tenany sy amin'ny mpanota tahaka azy izy, fa tsy mibanjina ny fahamasinana sy ny fahadiovan'i Kristy. (...)

Nahary ny olombelona ho voninahiny Andriamanitra. Tsy holeferiny ary tsy azony leferina ny hisian'ny ota ao amin'ny fanjakany. Raha misy olona minia manota amin'Andriamanitra ao am-piangonana, dia tokony hatao ny fomba rehetra hitaomana azy hibebaka. Afa-baraka Andriamanitra raha tsy atao izany. (...)

Toa fahadisoana kely no ahitan'ny fiangonana ankehitriny ny fahotan'i Adama, izay tokony ho navela fotsiny ka tsy hotsarovana intsony. Kanefa ny fenitr'Andriamanitra dia avo ary ny teniny tsy azo ovana. Fahavetavetana eo anatrehany izay rehetra mety ho fitiavan-tena sy fieremana. Mila fanadiovana sy fanamasinana ny fon'ny mpino. (...)

Andrandrao ny maso ry mpiray fanantenana malala. Lefy ve ny herin'ny filazantsara ka tsy miasa amin'ny fo? (...) Tsia; eto amintsika ny Sabatry ny Fanahy, ny tenin'Andriamanitra velona, saingy tsy maintsy ampiasaina amin-kafanam-po sy fitandremana izany. (...)

Tian'Andriamanitra hisy fanavaozana eto amintsika (...). Rehefa mifoha ny fiangonana dia hisy fanovana lehibe hatao. Hiova fo ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ho feno ny Fanahy Masina ka hitety tany sy tanana, hitory ny hafatry ny fahamarinana. Amin'ny fo feno fitiavana hamonjy fanahy no anokafany ny Baiboliny ka hampisehoany ny Tenin'Andriamanitra. — UL, t. 16. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal