Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 - FAMANTARANA NY MAHA-ANDRIAMANITRA : Fampidirana

Daty
Sabotsy 05 October 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 6:1-15; Isa. 53:4-6; 1 Kôr. 5:7; Jao. 6:26-36; Jao. 9:1-41; 1 Kôr. 1:26-29; Jao. 11.

Tsianjery: "Hoy Jesôsy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va hianao?" — Jao. 11:25,26.


Mazava ny Baiboly fa i Jesôsy Kristy no Ilay Zanaka mandrakizay, iray amin'Andriamanitra Ray; tsy misy tahaka Azy ary tsy voary Izy. I Jesôsy no nahary izao zavatra ary rehetra izao (Jao. 1:1-3). Araka izany dia efa nisy hatrizay i Jesôsy; tsy mbola nisy ny fotoana tsy nampisy Azy. Na dia tonga teto amin'ity tany ity aza i Jesôsy ka tonga olombelona, dia mbola Andriamanitra hatrany Izy, ary nisy fotoana manokana nanaovan'i Jesôsy  teny sy asa manambara ny maha-Andriamanitra Azy.

Nanan-danja lehibe ho an'i Jaona io fahamarinana io, ary izany no nahatonga azy nitantara ny sasany tamin'ireo fahagagana nataon'i Jesôsy, mba hanehoana ny maha-Andriamanitra an'i Kristy. Tsy nanao teny manambara ny maha-Andriamanitra ny Tenany fotsiny i Jesôsy fa nampiarahiny tamin'ny asa maneho ny maha-Andriamanitra Azy koa izany.

Handinika ireo famantarana telo lehibe indrindra ny maha-Andriamanitra an'i Jesôsy isika amin'ity herinandro ity. Ny manaitra dia ny tsy finoan'ny olona sasany ilay fahagagana sy ny tsy fahatsapany ny mahazava-dehibe azy tamin'ny fotoana nitrangan'izany. Ho an'ny olona sasany dia fotoana nialana tamin'i Jesôsy izany; ho an'ny hafa kosa dia fotoana nilentehany tao anatin'ny fahajambana. Nisy ireo izay nandray izany ho fotoana hiraisana tetika hamonoana an'i Jesôsy, ary nisy kosa nandray izany ho fotoana hinoana fa i Jesôsy no Mesia.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny
Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 :

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal