Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 - NY FAHAFANTARANA NY MAHA-ZANAK’ANDRIAMANITRA : Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 11 October 2024

Vakio ny IFM, toko 58: "Ry Lazarosy, mivoaha!", sy ny toko 59: "Ny fiokoan'ny mpisorona".

"Ny fiainan'i Kristy, izay manome aina izao tontolo izao, no ao amin'ny teniny. Tamin'ny teniny no nanasitranan'i Jesôsy ny aretina sy namoahany demonia; tamin'ny teniny no nampitoneny ny ranomasina sy nananganany ny maty; ary ny vahoaka no vavolombelona fa nanan-kery ny teniny. Nilaza ny tenin'Andriamanitra Izy, tahaka ny nitenenany tamin'ny alalan'ny mpaminany sy ny mpampianatra rehetra tao amin'ny Testamenta Taloha. Fanehoana an'i Kristy ny Baiboly manontolo, koa nirin'ny Mpamonjy ny hampitoetra ny finoan'ny mpanaraka Azy amin'ny teny. Rehefa tsy hatrehin'ny maso intsony Izy, dia tsy maintsy ho loharanon-kery ho azy ireo ny teny. Tahaka ny Tompony no hivelomany amin'ny `teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra"- Mat. 4:4.

"Tahaka ny fiainantsika ara-nofo tohanan'ny hanina, dia toy izany koa ny fiainantsika ara-panahy tohanan'ny tenin'Andriamanitra. Ary ny fanahy rehetra dia tokony handray aina avy amin’ny tenin'Andriamanitra ho an'ny tenany. Tahaka ny tsy maintsy hihinanantsika sakafo ho an'ny tenantsika mba handraisantsika famelomana, dia toy izany koa no tsy maintsy handraisantsika ny teny ho an'ny tenantsika. Tsy tokony ho raisintsika fotsiny amin'ny alalan'ny sain'ny olona hafa izany. Tokony handinika akaiky ny Baiboly isika, ka hangataka ny fanampian'ny Fanahy Masina amin'Andriamanitra, mba hahazoantsika ny teniny."— IFM, t. 311 (ed. 2023).

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra :
1- Hitantsika tamin'ity herinandro ity ny namahanan'i Jesôsy ireo olona tsy omby dimy arivo, ny nanasitranany lehilahy jamba, ary ny nananganany an'i Lazarosy tamin'ny maty.

2- Samy nanaporofoan'i Jesôsy tamin'ny fomba mahery vaika ny maha-Andriamanitra Azy avokoa ireo toe-javatra ireo. Na nahatalanjona toy inona aza anefa ireo fahagagana ireo dia niteraka fisaraham-bazana izany. Ny sasany nino, ny sasany kosa nisalasala. Inona no ampianarin'izany antsika momba ny fihetsiky ny olona na dia eo anatrehan'ny porofo tsy azo lavina aza? Samy manondro an'i Kristy ho Zanak'Andriamanitra ireo tantara ireo. Nahoana no zava-dehibe ho an'ny finoantsika an'i Jesôsy ho Mpamonjy ny maha-Andriamanitra Azy?

3- Vakio indray ny ao amin'ny 1 Kôr . 1:26-29. Amin'ny fomba ahoana no ahitantsika ny fahamarinan'io foto-kevitra io amin'izao taonjato faha-21 izao? Inona ny sasany amin'ireo "fahadalana" inoan'ny Kristianina, izay lavin'ireo "olon-kendry araka ny nofo" sy esoiny? Inona ihany koa no inoantsika ka "hampahamenatra ny mahery"? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fampidirana
Sun 06 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ilay roimemy nirehitra.
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anjelin’i Jehôvah.
Tue 08 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anaran’i Jehôvah.
Wed 09 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ireo fialan-tsiny efatra.
Thu 10 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny famorana.
Fri 11 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Jul 2025
Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Jun 2025
Telovolana 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.
Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.
Sun 29 Jun 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.
Mon 30 Jun 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.
Tue 01 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.
Wed 02 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.
Thu 03 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.
Fri 04 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal