Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mandresy toy ny nandresen'i Kristy

Daty
Alatsinainy 07 October 2024

"(...) [Izy] efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota." — Heb. 4:15.

Mofon’aina:
Tamin'ny vidiny tsy hita fetra, niaretany fijaliana, izay zava-miafina ho an'ny anjely sy ny olona, no naneken'i Kristy ho tonga olombelona. Nafeniny ny maha-Andriamanitra Azy, nilaozany ny voninahiny, ary teraka tao Betlehema Izy. Niainany tao amin'ny nofo ny lalàn'Andriamanitra mba hahazoany manameloka ny ota ao amin'ny nofo, sy manambara amin'ireo anjelin'ny lanitra fa ny lalan'Andriamanitra dia natao hitondra fiainana, fahasambarana, fiadanana, ary zava-tsoa mandrakizay ho an' izay mankatò azy.

Izany no zava-miafin'ny fahamasinana, dia ny nitafian'Ilay mitovy amin'Andriamanitra ny maha-olombelona, ka namoizany ny voninahiny sy ny toerana maha-mpanapaka Azy any an-danitra, ary nidinany miandalana ho amin'ny fahafaham-baraka sy ny fietrena, ary ny fietrena hatrany. Nijoro teo anatrehan'ny fitsarana Izy, kanefa tsy nanota sady tsy nanan-tsiny, nofotopotorina teo anatrehan'ny firenena izay nafahany tamin'ny fahandevozana. Nolavina sy nomelohina ilay Tompon'ny voninahitra, eny nororana aza. (...)

"Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza", hoy i Pilato, kanefa mba hahazoany sitraka tamin'ny Jiosy dia nasainy nokapohina Izy, mangana sy nivoa-drà, avy eo niharan'ny fahafatesana mahatsiravina teo amin'ny hazo fijaliana. Nentina toy ny zanak'ondry hovonoina Ilay Mpanjakan'ny lanitra (...). Nanampy trotraka ny fahorian'Ilay Zanak'Andriamanitra ny fanira-tsiran'ireto vahoaka izay toa tsy nanana fon'olombelona intsony. Kanefa toy ny zanak'ondry moana eo anatrehan'ny mpanety azy, dia tsy niloa-bava Izy. Natolony ny ainy hahazoan'izao tontolo izao fiainana, mba tsy hisy ho very izay rehetra mino Azy. (...)

Raha toa ka tsy nety lavo Izy dia tsy ho nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka ny olombelona. Nanana safidy malalaka Izy, nozahan-toetra tahaka an'i Adama sy ny olombelona rehetra. Tsy fakam-panahy intsony ny fakam-panahy raha toa ka tsy misy ny fahafahana hilefitra amin'ny fakam-panahy. Tonga ny fakam-panahy, ary resy izany na dia mitaona mafy ny olona hanao ny tsy mety aza, rehefa fantatry ny olona fa azony toherina amim-pinoana izany, eo am-pamikirany mafy amin'ny herin'Andriamanitra. - UL, t. 90. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal