Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: NY AO AMBADIKY NY TANTARA - Lohahevitra miverina indray momba ny voninahitra

Daty
Alakamisy 17 October 2024

Vakio ny Jao. 17:1-5. lnona no tian'i Jesôsy hambara raha nilaza Izy hoe: "Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan'ny Zanaka Anao"?

Nijery ny zava-niseho teto an-tany araka ny filazantsaran'i Jaona ny lesona omaly, izay nitantara ny fifandonana sy ny fifandraisana teo amin'ny olona; nanodidina ny mombamomba an'i Jesôsy sy ny zavatra nataony izany. Ny lesona anio kosa dia hifantoka amin'ny tantara sy ny lohahevitra mahafaoka ny lanitra, izay hita ao amin'ny filazantsaran'i Jaona hatrany. 

Izany lohahevitra mahafaoka ny lanitra izany no anombohan'i Jaona ny sasinteniny. Aseho amin'ny maha-Zanak'Andriamanitra Azy i Jesôsy, Mpamorona an'izao rehetra izao. Averina indray fa ny zavatra rehetra izay tsy ary teo aloha kanefa misy ankehitriny dia nisy tamin'ny alalan'i Jesôsy. "lzy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza." - Jao. 1:3. Tohizan'i Jaona izany amin'ny fanambarana momba ny voninahitr'i Jesôsy tamin'ny nahatongavany ho nofo (Jao. 1:14). Mampiasa ny teny hoe "" (doxsa, famirapiratana, haja) i Jaona, ary koa ny hoe "manome voninahitra" (doxsazd, midera, manaja, manandratra) mba hiresahana momba ny fandraisana haja avy amin'olombelona sy ny fandraisana haja na voninahitra avy amin'Andriamanitra.

Ny hevitra mahakasika ny fanomezam-boninahitra an'i Jesôsy ao amin'ny filazantsaran'i Jaona dia mifandraika amin'ny hevitra mahakasika ny Fotoany, na ny fotoana hahafatesany (ampitahao amin'ny Jao. 2:4; Jao. 7:30; Jao. 8:20; Jao. 12:23-27; Jao. 13:1; Jao. 16:32; Jao. 17:1). Ny hazo fijaliana no fotoana isehoan'ny voninahiny.

Ahitana fifanoheran-kevitra ihany izany satria ny fanomboana tamin'ny hazo fijaliana no fomba famonoana nahamenatra sy nanala baraka indrindra teo amin'ny tontolo romanina fahiny. Izany fifanoheran-kevitra mahagaga izany, Andriamanitra teo amin'ny hazo fijaliana, no maneho ny fifandrohizan'ny tantaran'ny olombelona sy ny an'ny lanitra.

Tao amin'ny maha-olona Azy dia maty tao anatin'ny hirifiry i Jesôsy, olo-meloka natao tsinontsinona izay nihiaka toy izao tao anatin'ny fahalemeny: "Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?" Aseho manokana ao amin'ny filazantsaran'i Matio sy Marka izany ampahany maizina sy mifandraika amin'ny maha-olona ny hazo fijaliana izany (Mat. 27:46; Mar. 15:34).

Ao amin'ny filazantsaran'i Lioka sy Jaona kosa no anehoana amin'ny fomba manokana ny voninahitra mifandraika amin'ny hazo fijaliana (Lio. 23:32-47; Jao. 19:25-30). Toeran'ny famonjena sy ny famindrampo ny hazo fijaliana; teo no nanoloran'ny Zanak'Andriamanitra ny Tenany tamin'ny Rainy.

Toa mifanohitra izany toe-javatra izany: aseho eo amin'ny fahafaham-baraka lehibe indrindra niainan'Andriamanitra (ny nitondrany ny fahotan'izao tontolo izao teo amin'ny Tenany) ny Voninahiny lehibe indrindra.

Saintsaino ny tsy maintsy nanomboana an'Andriamanitra teo amin'ny hazo fijaliana, sorona ambony dia ambony tokoa, mba hanavotana antsika amin'ny fahotana. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny maharatsy tokoa ny fahotana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal