Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mifona ho anao i Kristy 

Daty
Alatsinainy 14 October 2024

"Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'ny Avo Indrindra any an-danitra, Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin'ny Tompo, fa tsy olona." - Heb. 8:1,2. 

Mofon’aina:
Tsy hain'ny maso ara-nofo velively ny mibanjina ny fahatsaran’i Kristy. Ny Fanahy Masina Izay manazava ny ati-fanahy irery ihany - ka mampiharihary ny tsy fananan'ny fanahy fanantenana na hery raha tsy misy ny famindrampo sy ny famelan-keloka avy amin'Ilay mpitondra ny otantsika, Ilay ampy ho antsika — no afaka mampahita ny olona ny famindrampony mandrakizay, sy ny fitiavany tsy misy fetra, ary ny fahatsarany sy ny voninahiny.

Tsy mbola nisy velively nahatanteraka iraka lehibe toy ny Mpamonjintsika teto an-tany, nomban'ny fahasoavana, fiantrana tsy misy fetra, fitiavana tsy hay lazaina; ary tsy nisy olona koa natao toy izay nanaovana Azy teo an-tanan'ny olona lavo. "Fa olom-boavidy hianareo; ka dia mankalazà an 'Andriamanitra amin 'ny tenanareo." — 1 Kôr. 6:19,20. (...) I Kristy irery no Olona tsy manan-tsiny niaritra fahoriana, fahafaham-baraka sy henatra, ary fandavana noho ny amintsika. (...)

Koa ahoana no tokony ho fitondran-tenantsika — izay tonga olom-baovao ao amin'i Kristy Jesôsy sy novonjena tamin'ny alalan'ny fahamendrehany eo anatrehan'ny lanitra manontolo? Himonomonona ve isika? Hifampiam-panga? Tsy toetra malemy fanahy sy milefitra ve no mety kokoa? (Mat. 11:29,30). (...) 

Raha mba hitan'ny rehetra mantsy i Kristy eo anoloan'ny seza fiandrianana, miandry ny vavaka ataontsika, miandry antsika hampilefitra ny sitrapontsika, hampitsahatra ny fikomiantsika sy hiverina ho amin'ny fankatoavana an'Andriamanitra, dia ho amim-pibebahana manao ahoana no hivavahantsika amin'ny Ray mba hamelany ny helotsika noho ny fandikantsika ny lalàny, sy noho ny hery miasa mangina ratsy avy amintsika, izay nahatonga ny hafa hanao tsinontsinona ny lalàn'i Jehôvah! Mihoby ny tafiky ny fahavalo noho ny fangatahantsika andro. (...) Izao anio izao, hanaiky ho mpiara-miasa amin'i Kristy ve isika, Izay mifona ho antsika manokana eo anatrehan'ny Ray? Mbola hazonin'ny anjely tsy hihatra ny fandringanana satria mihevitra fatratra ny amin'ireo zanaka mpikomy izy ireo, te hamerina azy ho ao am-bala (...), mba ho mpandresy sy voavonjy mandrakizay miaraka amin'ny ankohonan'Andriamanitra any an-danitra izy ireo. — UL, t. 155. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal