Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tokim-pamonjena ao anatin'ny ady

Daty
Alarobia 23 October 2024

 "Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain'i Jehôvah , Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho; efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao. " - Isa. 43:1. 

Mofon’aina:
Aoka hesorina ny sakana rehetra tsy hahavoavonjy ny vahoakan'Andriamanitra, amin'ny fanokafana ny Tenin'Andriamanitra sy ny fampisehoana mazava ny "izao no lazain 'i Jehôvah". Natao hamirapiratra ny fahazavana satria mandrakotra ny tany sy ny olona ny haizina. Natao hiavaka tsara amin'ny fahadisoana ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra velona. Torio ny vaovao mahafaly hoe: manana Mpamonjy Izay nanolotra ny ainy isika mba tsy hisy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

Hisy hanakantsakana ny fandrosoan'ny asan'ny Tompo, saingy aza matahotra. Ilay Andriamanitsika mahefa ny zavatra rehetra sy Mpanjakan'ny mpanjaka ary mitandrina ny fanekeny, dia Mpiandry tsara Izay mikarakara antsika amim-pitiavana ihany koa. Tsy misy mahasakana ny lalany. Tsitoha ny heriny ary izany no maha-azo antoka ny fahatanterahan'ny teny fikasany amin'ny vahoakany. (...)

Ny fiangonan'i Kristy no fitaovana ampiasain'Andriamanitra hitoriana ny fahamarinana, nomeny fahefana hanao asa manokana, ary raha mahatoky amin'Andriamanitra izy ka mankatò ny didiny rehetra, dia hitoetra ao aminy tokoa ny herin'Andriamanitra. 

(...) Raha milefitra marina amin'ny sitrapon'Andriamanitra izy dia tsy haharesy azy ny herin'ny fahavalo (...).

Hiposaka amin'ny fiangonana ny maraina mamiratra sy be voninahitra, raha handray ny akanjom-pahamarinan'i Kristy izy ka hiala amin'ny fileferana amin'izao tontolo izao. Izao no fotoana tokony hiaiken'ny fiangonana ny fahadisoany sy hiraisany hina. Ranadahy sy rahavavy, aza avela hisy hampisara-bazana anareo na hampiala anareo amin'Andriamanitra. Aza miresaka tsy fitovian-kevitra, fa miraisa ao amin'ny fitiavana ny fahamarinana araka izay hita ao amin'i Jesôsy. Mankanesa eo anatrehan'Andriamanitra ka ny ran'i Jesôsy no ento mangataka fanampiana ho amin'ny ady atao amin'ny ratsy. Mahazo matoky ianareo fa tsy ho very maina izany vavaka izany. (...)

Miverena amin'ny Tompo, ry mpifatotra manana ny fanantenana. Katsaho ny hery avy amin'Andriamanitra velona. Manàna finoana tsotra, tsy miovaova, mitokia amin'ny heriny sy ny fahavononany hamonjy. Avy amin'i Kristy no hikorianan'ny reniranon'ny famonjena. Izy no loharanon'ny fiainana sy ny hery rehetra. — UL, t. 265. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal