Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manomboka eto an-tany ny fanompoana an'Andriamanitra 

Daty
Alakamisy 24 October 2024

"Mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba , na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza, dia amin'ny hisehoan’i Jesôsy Kristy." - 1 Pet. 1:7. 

Mofon’aina:
Tsy maintsy iharan'ny sazin'ny fandikan-dalàna izay miasa   manohitra ny lalàn'ny zavaboary. Nefa miantra antsika ny Mpamonjy na dia ny vokatry ny toetra ratsintsika ihany aza no mankarary antsika. Misy hery mahasitrana antsika ao Aminy. (…) 

Hita hatraiza hatraiza ny vokatry ny ozon'ny fahotana. Aoka isika hidera an'Andriamanitra fa any amin'ny tany vaovao dia "tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy" — Apôk. 22:3. Vitsy monja no tena mahafantatra ny atao hoe fanompoana marina. (...) Mba hahaizantsika manompo ny Andriamanitry ny lanitra dia tsy maintsy manompo Azy ankehitriny isika, mifankazatra Aminy sy mianatra mba ho mpanompo mahatoky. (...)

Tombon-tsoantsika ny mahatakatra ny Teny masin'Andriamanitra. Marina fa efa lavo isika, kanefa tsy natao hitoetra ao anatin'ny fahotana. Nomena antsika ny fomba handresena, "Fa toy izao no nitiavan 'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." — Jao. 3:16. (...)

Ho avy ny fakam-panahy. Rehefa manaloka ny lalantsika eo aloha ny haizina mahatsiravina alefan' i Satana, dia aoka isika hamakivaky izany aloka izany amim-pinoana, mba hahatrarantsika Ilay fahazavan'ny fiainana — dia Ilay sady nahary ny olombelona no nanavotra azy tamin'ny rany koa. Lova sarobidin'i Kristy isika. Amim-pinoana velona no tsy maintsy iarahantsika miasa Aminy hahatanteraka ny famonjena antsika. Mihazona sy manohana antsika ny tanany ao anatin'ny fitsapana sy ny fakam-panahy. (...)

Ireo izay mamikitra amin'ny finoana hatramin'ny farany no ho tafavoaka ao amin'ny afon'ny memy, toy ny volamena voadio impito. Izao no ambaran'i Isaia momba izany: "Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena au any Ofira aza." Isa. 13:12. (...) Tsarovy fa misy Anankiray manaraka ny fihetsikao rehetra, mba hahitany raha ho afaka aminao tanteraka ny tain-drendrika, hatramin'ny farany bitika indrindra. — UL, t. 292. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal