Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny hevitry ny firaisana amin'Andriamanitra

Daty
Zoma 25 October 2024

"Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin'ny Ray sy amin'i Jesôsy Kristy Zanany." - 1 Jao. 1:3. 

Mofon’aina:
Ny firaisana amin'Andriamanitra no ain'ny fanahy. Haintsika ny manazava izany amin'ny fomba kanto sy amin'ny teny tsara rindra, saingy ilay fanandramana iainana izay mampisy lanjany ny tenintsika no ilaina. (...)

Izay manana io firaisana amin'i Kristy io dia hanambara izany eo amin'ny toe-tsainy sy ny teniny ary ny asany. Tsinontsinona ny fiaikentsika ny finoantsika raha tsy miseho amin'ny fiteny sy ny asantsika ny voa tsara. Ny firaisana, ny firahalahiana eo amintsika samy isika sy amin'i Kristy — izany no vokatra hita eo amin'ny sampana tsirairain'Ilay Voaloboka velona. (...)

Araka ny Soratra Masina, ny atao hoe mahalala an'Andriamanitra dia miray fo sy saina amin'Andriamanitra, ny mahafantatra Azy amin'ny alalan'ny fanandramana, sady mikolokolo fifandraisana masina Aminy amin'ny maha-Mpanavotra Azy. Tsy misy afa-tsy amin'ny alalan'ny fankatoavana marina no ahazoana izany firaisana izany. Raha tsy misy io firaisana io dia tsy tempolin'Andriamanitra intsony ny fo fa anjakan'ny fahavalo, izay miasa hahatanteraka ny sitrapony amin'ny alalan'ny olombelona. (...) 

Boky mivelatra azon'ny rehetra vakina eo ambany tara-pahazavan'ny fitiavan'i Kristy ny filazantsara. Io no fahazavana marina nahatongavan'i Kristy mba homena an'izao tontolo izao. Efa nandray io fitiavana io ny mpianatr'i Kristy marina. (...) 

Araka ny fahazavana nomen'ny Tompo ahy dia fantatro fa ny loza lehibe indrindra mety hahazo ny olona dia ny famitahan-tena. Mitady hirika hidirana i Satana. Haka ny endrik' olombelona izy ka hiresaka amin' izy ireo; ary hambabo indrindra ny teniny. Tahaka ny nakany fanahy an'i Kristy ihany no hakany fanahy azy ireo. Raha tsy fitiavana madio sy masina ary tsy mitady ny azy, tahaka izay hita teo amin'i Kristy, no mameno ny fon'izy ireo, dia ho latsaka amin'ny fandrik'i Satana izy ka hiteny sy hanoratra zavatra hafahafa, mba hamitahana na ny olom-boafidy aza, raha azo atao. (...)

Hahazo sitraka amin'Andriamanitra isika raha manaraka ny oha-piainan'i Kristy, Izay nanompo tsy tamim-pitiavan-tena, ka mitoky amin'ny fahamendrehany tahaka ny zaza, ary mankatò ny didiny. — UL, t. 295.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal