Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny hevitry ny firaisana amin'Andriamanitra

Daty
Zoma 25 October 2024

"Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin'ny Ray sy amin'i Jesôsy Kristy Zanany." - 1 Jao. 1:3. 

Mofon’aina:
Ny firaisana amin'Andriamanitra no ain'ny fanahy. Haintsika ny manazava izany amin'ny fomba kanto sy amin'ny teny tsara rindra, saingy ilay fanandramana iainana izay mampisy lanjany ny tenintsika no ilaina. (...)

Izay manana io firaisana amin'i Kristy io dia hanambara izany eo amin'ny toe-tsainy sy ny teniny ary ny asany. Tsinontsinona ny fiaikentsika ny finoantsika raha tsy miseho amin'ny fiteny sy ny asantsika ny voa tsara. Ny firaisana, ny firahalahiana eo amintsika samy isika sy amin'i Kristy — izany no vokatra hita eo amin'ny sampana tsirairain'Ilay Voaloboka velona. (...)

Araka ny Soratra Masina, ny atao hoe mahalala an'Andriamanitra dia miray fo sy saina amin'Andriamanitra, ny mahafantatra Azy amin'ny alalan'ny fanandramana, sady mikolokolo fifandraisana masina Aminy amin'ny maha-Mpanavotra Azy. Tsy misy afa-tsy amin'ny alalan'ny fankatoavana marina no ahazoana izany firaisana izany. Raha tsy misy io firaisana io dia tsy tempolin'Andriamanitra intsony ny fo fa anjakan'ny fahavalo, izay miasa hahatanteraka ny sitrapony amin'ny alalan'ny olombelona. (...) 

Boky mivelatra azon'ny rehetra vakina eo ambany tara-pahazavan'ny fitiavan'i Kristy ny filazantsara. Io no fahazavana marina nahatongavan'i Kristy mba homena an'izao tontolo izao. Efa nandray io fitiavana io ny mpianatr'i Kristy marina. (...) 

Araka ny fahazavana nomen'ny Tompo ahy dia fantatro fa ny loza lehibe indrindra mety hahazo ny olona dia ny famitahan-tena. Mitady hirika hidirana i Satana. Haka ny endrik' olombelona izy ka hiresaka amin' izy ireo; ary hambabo indrindra ny teniny. Tahaka ny nakany fanahy an'i Kristy ihany no hakany fanahy azy ireo. Raha tsy fitiavana madio sy masina ary tsy mitady ny azy, tahaka izay hita teo amin'i Kristy, no mameno ny fon'izy ireo, dia ho latsaka amin'ny fandrik'i Satana izy ka hiteny sy hanoratra zavatra hafahafa, mba hamitahana na ny olom-boafidy aza, raha azo atao. (...)

Hahazo sitraka amin'Andriamanitra isika raha manaraka ny oha-piainan'i Kristy, Izay nanompo tsy tamim-pitiavan-tena, ka mitoky amin'ny fahamendrehany tahaka ny zaza, ary mankatò ny didiny. — UL, t. 295.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal