Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny lanitra : fitsaharana ho an'ny Kristianina

Daty
Sabotsy 26 October 2024

 "Miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesôsy Kristy." - Tit. 2:13. 

Mofon’aina:
Tsy ho ela dia hiverina fanindroany i Kristy. Tokony hataontsika ambentin-dresaka izany, sy hifantohan'ny saintsika indrindra. Ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe Izy, ary hahita Azy ny maso rehetra. Hanaraka Azy ny anjely masina rehetra. Toy izao no nosoratan'i Jaona momba izany: "Ary nahita aho sady nandre feon’anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan’aina ary ny loholona, ary ny isany dia alinalina sy arivoarivo" — Apôk. 5:11.

Tsy mbola naneno ny trompetra, ary ireo nidina tany am-pasana tsy mbola niantsoantso hoe: "Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? " — 1 Kôr. 15:55. (...) Saingy efa akaiky ny fotoana hahatanterahan'ireto tenin'ny apôstôly Paoly ireto: "Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin'i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. Koa dia mifampionona hianareo amin'izany teny izany." 1 Tes. 4:16-18.

Tsy maintsy ovana isika mba ho tahaka ny Mpamonjy (jereo ny Fil. 3:20,21). Izao no fotoana anehoantsika eo amin'ny fiainantsika isan'andro ireo toetra tsaran'ny fiainan'i Kristy. Tsy manam-potoana holanina foana isika. (...) Tsy maintsy manao ny asan'i Kristy isika, miambina sy mivavaka tsy mitsahatra, dia ho vonona ho amin'ny fisehoany, ho voaomana handray ny fiainana mandrakizay. (...)

Ity tany ity no toerana fiomanana ho any an-danitra. Vanim-potoan'ny ririnina no andalovantsika eto. Mitsoka amintsika eto ny rivotra mamanalan'ny fahoriana, ary miantonta amintsika ny onjan'ny ady sarotra. Kanefa tsy ho ela, rehefa hiverina i Kristy, dia ho tapitra hatreo ny fisentoana. Tonga ny lohataonan'ny Kristianina. (...) "Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha." — Apôk. 21:4. — UL, t. 311. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal