Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny hevitry ny fahatanterahana kristianina

Daty
Talata 29 October 2024

"Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'llay mampahery ahy." - Fil. 4:13. 

Mofon’aina:
Inona no takin'Andriamanitra? Ny fahatanterahana; tsy ekeny ny latsak'izany. Kanefa raha tiantsika ny ho tanteraka dia tsy azontsika atao ny mitoky amin'ny tenantsika. Aoka ho fantatsika sy takatsika isan'andro izany. Mila mamikitra amim-pinoana amin'ny teny fikasan'Andriamanitra isika. Mila mangataka ny Fanahy Masina isika amim-pahatsapana fa tsy manan-kery. (...) Hikarakara sy hiambina ny fo ny Fanahy Masina, hitondra azy ho eo amin'ny tara-pahazavana mamiratr'Ilay Masoandron'ny fahamarinana. Ho voaro eo ambanin'ny herin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana isika.

Hanjary mpitandrina ny didy isika rehefa eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina isan'andro, ary afaka maneho amin'izao tontolo izao fa misy valisoa ny fitandremana ny didin'Andriamanitra na dia eto amin'ity fiainana ity aza; ary ny valiny any amin'ny fiainana ho avy dia fitahiana mandrakizay. Na eo aza ny fiaikem-pinoana ataontsika dia tsy tanteraka eo imason'Ilay mandanja ny asantsika ny fanehoantsika an'i Kristy. (...)

Hanatanteraka ny asany ao amin'ny fo torotoro ny Fanahy Masina. Tsy afaka hanao izany kosa Izy ao amin'ny fanahy izay manandra-tena sy manamarin-tena. (...) Ny tenany ihany no manakana ny Fanahy Masina tsy hiasa. Hiasa kosa ny Fanahy raha milefitra ny "izaho". (...)

Vonona hiara-miasa amin'izay rehetra handray Azy sy hanaiky hampianariny ny Fanahy Masina. Izay rehetra mihazona ny fahamarinana sy nohamasinina tamin'ny fahamarinana dia iray amin'i Kristy, hany ka afaka maneho an'i Kristy amin'ny teniny sy ny asany. (...) Enga anie ny Fanahy Masina hiteny ao am-pon'ny olom-boafidin'Andriamanitra, mba ho sarobidy toy ny volamena ny tenin'izy ireo rehefa hanolotra ny mofon'aina ho an'ny mpandika lalàna sy ny mpanota (…)

Sitrapon'Andriamanitra ankasitrahany ny anomezana ny olona fitahiana amin'ny fahafenoany tanteraka. Efa nataony ho azo resena ny zava-tsarotra rehetra, ary ny tsy ampy rehetra hofenoin'ny Fanahy Masina. Toy izany no tiany hamolavolan'ny olona fahatanterahan-toetra kristianina. Tian'Andriamanitra ny hibanjinantsika ny fitiavany, ireo teny fikasany, izay omeny maimaimpoana ho an'ireo izay tsy manana fahamendrehana akory ao aminy. Tiany isika hiantehitra tanteraka Aminy amin-pankasitrahana sy amim-pifaliana, noho ny fahamarinana atafy antsika ao amin'i Kristy. — UL, t. 353. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal