Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mankato ny Lalàna ny tena mpianatra

Daty
Alatsinainy 04 November 2024

"Izay rehetra manota no mandika ny lalàna" - 1 Jao. 3:4 

Mofon'aina:
Ny faniriana hanana fivavahana moramora izay tsy mitaky fiezahana sy fahafoizan-tena ary fisarahana amin'ny hadalan'izao tontolo izao, no nahatonga ny fampianarana momba " ny finoana, ary ny finoana irery ihany" ho fampianarana mamim-bahoaka. Ahoana kosa hoy ny tenin'Andriamanitra? Hoy ny apôstôly Jakôba: 'Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy? (...) Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa? Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an 'i lsaka zanany teo ambonin'ny alitara? Hitanareo fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa. (...) Koa dia hitanareo fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana ihany.'- Jak. 2:14-24.

Ny fanambaran' ny tenin' Andriamanitra dia manohitra io fampianarana mamela-pandrika momba ny finoana tsy misy asa io. Tsy azo lazaina fa finoana ny mitaky ny fankasitrahan'ny lanitra nefa tsy mameno ny fepetra izay anomezana ny famindrampo, fa fiheverana sahisahy fotsiny izany! (...) 
(...) 'Fa ny ota no fandikana ny lalàna.' Izay rehetra manota (mandika ny lalàna) dia tsy nahita na nahalala Azy.' - 1 Jao. 3:6. Na dia nanantitrantitra feno ny amin'ny fitiavana aza i Jaona ao amin'ny epistiliny, dia tsy misalasala koa izy mampibaribary ny tena toetran'ny antokon' olona izay milaza ho nohamasinina, nefa mivelona amin'ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra. Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra.' - 1 Jao. 2:4, 5.

Eto no fisedrana ny toetran'ny tsirairay. Tsy misy olona na iza na iza azontsika lazaina ho masina raha tsy ampitahaintsika amin'ny filamatra tokan'ny fahamasinana na any an-danitra na ety an-tany izy. Raha tsy tsapan'ny olona ny lanjan'ny lalàna ara-panahy, raha ataony zinona ary hamaivaniny ny fitsipika nomen'Andriamanitra, raha mandika ny anankiray amin'ny kely indrindra amin'ireny didy ireny izy, ka mampianatra ny olona hanao toy izany koa, dia tsy hahazo sitraka eo imason'ny lanitra mihitsy izy (...).-RC, t. 49. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal