Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ekena ao amin'i Kristy ny mpanota mibebaka

Daty
Alarobia 06 November 2024

"Fa Kristy tsy mba niditra tao amin 'izay fitoerana masina nataon-tànana, izay tandindon 'ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan 'Andriamanitra ankehitriny ho antsika." - Heb. 9:24

Mofon'aina: 
I Kristy no fanatitra ho antsika, Solontsika, Antoka ho antsika ary Mpanelanelana ho antsika any an-danitra; natao ho fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika Izy. (...) Ny fanelanelanana ataon'i Kristy ho antsika dia fanehoana ireo fahamendrehany amin'ny maha-Andriamanitra Azy (...); Fa efa niakatra ho any an-danitra Izy mba hanao asa fanavotana noho ny fandikantsika lalàna. (...) "Koa amin'izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an 'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy. " - Heb. 7:25. (...) Tsy sitrapon'Andriamanitra ny hisalasalanao sy hampahorinao ny fanahinao amin'ny tahotra fandrao tsy handray anao Andriamanitra noho ny maha-mpanota sy tsy mendrika anao. (...) Ento eo anatrehany ny raharahanao ka takio amin'izany ny fahamendrehan'ilay ra izay nalatsaka ho anao teo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary. Hiampanga anao ho mpanota raindahiny i Satana, ary tsy maintsy hiaiky izany ianao, kanefa azonao atao ny milaza hoe: "Fantatro tokoa fa mpanota aho, ary izany indrindra no ilako Mpamonjy. Tonga teto amin'ity tany ity i Jesôsy mba hamonjy ny mpanota. (...) Tsy manana fahatsarana na fahamendrehana hahafahako mitaky ny famonjena aho, kanefa entiko eo anatrehan'Andriamanitra ilay ra mahavotra an'Ilay Zanak' ondrin ' Andriamanitra ( ) izay mahaisotra ny fahotan'izao tontolo izao. Izany no hany fiarovan-tenako. (...)" Ny fahamarinan'i Kristy no mahatonga ny mpanota mibebaka ho azo ekena eo anatrehan'Andriamanitra, ary koa miasa ho fanamarinana azy. Na feno fahotana toy ny ahoana aza ny fiainany, raha mino an'i Jesôsy ho Mpamonjy ny tenany manokana Izy, dia mijoro eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fitafiana tsy misy pentin'ny fahamarinana izay atafin'i Kristy azy. (...) Amin'ny finoana no ahitany fa i Jesôsy no Mpamonjy azy, (...) ary mahavonjy tokoa "izay manatona an 'Andriamanitra amin'ny alalany." Mahita ny sakany sy ny lavany, ny haavony sy ny halalin'ny fahombiazana ny mpino ao amin'ny fanavotana atao ho azy (...); novidina tamin'ny sanda tsy misy fetra izy, ary fisaorana sy fiderana no mameno ny fanahiny. RC, t. 75. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal