Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Finoana miasa

Daty
Sabotsy 09 November 2024

"Matokia an 'i Jehôvah amin'ny fonao rehetra, fa aza miankina amin'ny fahalalanao." - Ohab. 3:5 

Mofon'aina:
Raha milaza ny amin'ny hoe finoana isika dia misy famarafarana tokony hotsaroana. Misy izay inoan'ny saina nefa samy hafa mihitsy amin'izay atao hoe finoana. Na dia i Satana sy ny miaramilany aza dia tsy mahazo mandà velively akory ny fisian'Andriamanitra sy ny heriny ary ny fahamarinan'ny teniny. Lazain'ny Baiboly fa `ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra' - Jak. 2:19, nefa tsy finoana izany. Ny tena finoana dia tsy finoana fotsiny ny tenin'Andriamanitra fa fanoavana ny sitrapony sy fanolorana ny fo ho Azy ary fanompanana ny fitiavana Aminy (...).

Misy olona izay efa nahalala ny fitiavan'i Kristy mamela heloka sady naniry marina tokoa ny ho tonga zanak'Andriamanitra, nefa tsaroany fa tsy mendrika ny fitondran-tenany, be tsiny ny toe-piainany, ka dia misalasala izy raha efa nohavaozin'ny Fanahy Masina ny fony na tsia. Amin'ny olona toy ireny dia hoy aho hoe: Aza mihemotra amin'ny famoizam-po. Tsy maintsy hiankohoka sy hitomany matetika eo an-tongotr'i Jesôsy isikanoho ny tsy fahombiazana sy ny fahadisoantsika nefa tsy tokony ho kivy. Ary na dia hoe resin'ny devoly aza isika dia tsy ariana, na afoy, na lavin'Andriamanitra. Sanatria! Eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra i Kristy manao fifonana ho antsika. (...)

Ary aza hadinoina koa ny tenin'i Kristy manao hoe: 'Fa ny Ray dia tia anareo.' - Jao. 16:27. Maniry anao ho tafaverina eo aminy Izy mba hahitany ny fahadiovana sy ny fahamasinan'ny tenany mitaratra eo aminao. (...) Mivavaha amin-kafanam-po bebe kokoa ary minoa amin-toky misimisy kokoa. (...)

(...) Ny fahalalantsika ny faharatsiantsika no manesika antsika hankeo amin'Ilay mahavela heloka. Ary raha ny fanahy izay mahatsiaro tsy fahombiazana no mitady an' i Kristy dia hiseho amin-kery amin'izany fanahy izany Izy. Arakaraka ny fanesiky ny fahantrantsika ho eo Aminy sy ho eo amin'ny Tenin'Andriamanitra no hiderantsika ny Toetrany sy hanahafantsika kokoa ny Endriny. -RC, t. 123. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal