Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tempolin'Andriamanitra

Daty
Talata 12 November 2024

 "Ary maty hamonjy ny olona rehetra izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa ho an 'izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy." - 2 Kôr. 5:15 

Mofon’aina:
Asan-tanan'Andriamanitra kanto indrindra ny olombelona, nohariany ho amin'ny tanjona ambony sy masina indrindra; ary faniriany ny hanoratra ny lalàny ao amin'ny lafiny rehetra amin'ny tabernakely olombelona (...) Tokony hotehirizina ho madio ny fanomezana nomena eo amin'ny hozatra sy ny nofo rehetra, ary ny saina sy ny vatana.

Ny fikasan'Andriamanitra dia ny hahatonga ny tenan'ny olombelona ho tempolin'ny Fanahiny. Andraikitra ambony no nankinina tamin'ny fanahy tsirairay. Mitarika ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy ny hery miasa mangina ananan'ny isam-batan'olona. Raha manimba ny tenanao ianao, dia tsy ianao ihany no iharan'ny voka-dratsy amin'izany, fa olona maro hafa koa. (...)

Maty i Kristy mba hamerenana indray amin'ny laoniny ny endrik'Andriamanitra sy ny toetrany eo amin'ny taranak'olombelona, mba hahazoan'ny lehilahy sy ny vehivavy anjara amin'ny toetran'Andriamanitra (...). Tsy tokony hampiasa ny herintsika ho amin'ny fahafaham-po feno fitiavan-tena isika satria Azy avokoa ny hery ananantsika. (...)

Ny fanompoan'ny tena manontolo no takin'Andriamanitra. Iriny raha ho tonga amin'ny tanjona izay nomeny hotratrariny ny lehilahy sy ny vehivavy. Tsy ampy raha toa ny ampahany sasany amin'ny tenan'olombelona ihany no ampiasaina. Tsy maintsy ampiasaina ny tena manontolo raha tsy izany dia tsy tomombana ny fanompoana atao. (...)

Andrasan'Andriamanitra ny hampiasan'ny olona ny fahaiza-misaina nomeny azy. (...) Tiany raha homen' izy ireo ny feon'ny fieritreretana ny toerana ambony indrindra notendrena ho an'izany. Tokony hokolokoloina ny hery ara-tsaina sy ara-batana, miaraka amin'ny fihetseham-po, mba hahefany be araka izay ambony indrindra mety ho tratrany. Amin'izany no hanehoana an'i Kristy amin'izao tontolo izao. (...)

(...) Kolokoloy àry ny finoana izay nomena anao. Aoka ianao hahery ka handresy ny fanao rehetra izay manimba ny tempolin'ny fanahy. Miankina tanteraka amin'Andriamanitra isika, ary matanjaka ny finoantsika rehefa matoky isika na dia tsy haintsika aza ny tanjon'Andriamanitra eo amin'ny fitondrany na koa izay ho vokatr'izany. Mampitodika antsika hiandrandra ny zavatra ho avy ny finoana, ka hifikitra amin'Ilay hany hery izay mahatonga antsika ho tanteraka ao Aminy. RC, t. 165. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal