Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hevitra iray tsy hain'ny tsy mpino taherina

Daty
Alarobia 13 November 2024

  "Raha mbola manana ny mazava hianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava." - Jao. 12:36 

Mofon’aina:
Tohan-kevitra iray tsy hain'ny tsy mpino toherina ny tokantrano kristianina milamina. (...) Ary ny zanaka ao amin'ny tokantrano tahaka izany dia voaomana hiatrika ireo teny tsara lahatra mitory tsy fahatokiana. Efa noraisin'izy ireo ho fototra iorenan'ny finoany ny Baiboly, mafy orina ny fanorenany ka tsy hopaohin'ny onjan'ny fisalasalana.

Hoy i Kristy: "Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao." Nomeny talenta mba hotandremana isika. Inona no ataontsika amin'ireny fanomezana nankininy tamintsika ireny? (...) Maro no mampiasa ireny amim-pitiavan-tena. Toy ny tsy tsapany fa hotsaraina isika (...). Inona àry ny fialan-tsiny hatolotr' izy ireo amin'ilay andro lehibe noho ny tsy nampiasany ny fahaiza-manao ananany, (...) ny faharetany sy ny hafanam-pony ho an'ny asan' Andriamanitra?

Mila ny fanampian'ny lanitra isika raha tiantsika hirehitra mandrakariva ny fanalantsika. Efa maty mba hanome antsika izany fanampiana izany i Jesôsy. Izao no fanasany (...): "(...) aoka hifikitra amin'ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; Eny, aoka hihavana amiko izy." - Isa. 27:5. Fikiro ny Sandrin'ilay Hery tsy manam-petra dia ho hitanao fa sarobidy ho an'ny fanahinao Izy, ary hamaly ny fangatahanao ny lanitra manontolo "Raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava dia hiaraka amintsika ireo anjely masina. Izao no teny natao tamin'i Josoa: Izao no lazain'i Jehôvah , Tompon'ny maro:  Raha mizotra amin'ny lalako ianao sy mitandrina ny didiko, dia (...) homeko lalana ho amin'ireo mitsangana ireo ianao." - Zak. 3:7. Iza moa ireo "mitsangana ireo"? Tsy iza ireo fa ny anjelin'i Jehôvah. (...)

Araka izany, ry Kristianina ry Kristianina malal, ry ray sy reny, aza avela hitsilopilopy na oviana na oviana ny jironao! Ho ketraka ve ny finoanao na hiraviravy ny tananao? Sanatria izany! Dia hihamisokatra ho anao ireo vavahadin'ny tananan’ny lanitra, ary ho azonao atao ny hiseho eo anoloan'ny seza fiandrianana ka hanao hoe: "Indreto, izaho sy ireo zaza nomen'i Jehovah ahy" - Isa.8:18. Valisoan'ny fahatokiana manao  ahoana re izany hahita ny zanakao hosatrohana ny satro-boninahitry ny fiainana tsy misy fahafatesana ao amin'ilay tanana tsara tarehin' Andriamanitra!- RC t. 168.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal