Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahatokiana mampiavaka

Daty
Sabotsy 23 November 2024

  "Vato feno lanja sady marina m'y famarana tonga ohatra sady marina no aoka hotananao, mba ho maro andro hianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao." - Deo. 25:15 

Mofon’aina:
Eo amin'ny tsipiriam-piainana rehetra no tokony hanarahan'ny Kristianina ireo fitsipiky ny fahitsiana hentitra. Tsy fitsipika izay mifehy an'izao tontolo izao ireny, satria i Satana no mpifehy eto, ary ny fitsipiky ny famitahany sy ny fampahoriany no manjaka. Tompo hafa kosa no tompoin'ny Kristianina (...).

Mety ho zava-madinika amin'ny olona sasany ny fialana amin'ny fahitsiana tanteraka eo amin'ny raharaham-barotra ataony. Tsy izany kosa no fijerin'ny Mpamonjy izany. (...) Ny olona izay tsy mahatoky amin-javatra kely dia tsy hahatoky amin'ny be rehefa azon'ny fakam-panahy.

Tsy maintsy mifandray amin'izao tontolo izao eo amin'ny lafiny ara-barotra ny mpanara-dia an'i Kristy. Izao no nambaran'ny Mpamonjy tao amin'ny vavaka nataony ho azy ireo: "Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny hiaro azy amin'ny ratsy." - Jao. 17:15. Ny Kristianina dia tokony hahatsapa, eo amin'ny fifanakalozana ara-barotra ataony, fa mijery azy Andriamanitra. Tsy tokony hampiasa mizana mandainga (...) na oviana na oviana izy. (...)

Eo amin'izay ataony rehetra eo amin'ny fiainana, ny tena Kristianina dia araka izay iriny hoheverin'ny hafa momba azy tokoa. (...) Sakaiza sy mpanao soa izay rehetra mifandray aminy izy, ary matoky azy ny olombelona namany satria mendri-pitokiana izy.

Mampiasa olona hamory vokatra ao an-tsompiny ve izy? Tsy hazoniny fa aloany ny vola nisasaran'izany mpiasa izany mafy. Manana fitaovana tsy ilainy maika ve izy? Hamaivaniny ny fahasahiranan'ny rahalahiny mahantra. Tsy mitady ny hampitombo ny fananany amin'ny fanararaotana ny toe-java-tsarotra mianjady amin'ny namany izy. Vidiny ara-drariny ihany no ekeny eo amin'ny varotra ataony. (...)

Mety tsy tsara fiseho ivelany ny olona iray, nefa hotolorana haja izy raha toa malaza ho manana fahitsian-toetra sy marina eo amin'ny raharaha ataony. (...) Mahazo ny fitokian'ny rehetra izay mijoro tsara amin'ny fahamarinana. Tsy ny Kristianina ihany no hitoky aminy, fa tsy manan-tsafidy afa-tsy ny hiaiky ny fahamendrehan-toetrany koa ny olon'izao tontolo izao. — RC, t. 272. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal