Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahatokiana mampiavaka

Daty
Sabotsy 23 November 2024

  "Vato feno lanja sady marina m'y famarana tonga ohatra sady marina no aoka hotananao, mba ho maro andro hianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao." - Deo. 25:15 

Mofon’aina:
Eo amin'ny tsipiriam-piainana rehetra no tokony hanarahan'ny Kristianina ireo fitsipiky ny fahitsiana hentitra. Tsy fitsipika izay mifehy an'izao tontolo izao ireny, satria i Satana no mpifehy eto, ary ny fitsipiky ny famitahany sy ny fampahoriany no manjaka. Tompo hafa kosa no tompoin'ny Kristianina (...).

Mety ho zava-madinika amin'ny olona sasany ny fialana amin'ny fahitsiana tanteraka eo amin'ny raharaham-barotra ataony. Tsy izany kosa no fijerin'ny Mpamonjy izany. (...) Ny olona izay tsy mahatoky amin-javatra kely dia tsy hahatoky amin'ny be rehefa azon'ny fakam-panahy.

Tsy maintsy mifandray amin'izao tontolo izao eo amin'ny lafiny ara-barotra ny mpanara-dia an'i Kristy. Izao no nambaran'ny Mpamonjy tao amin'ny vavaka nataony ho azy ireo: "Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny hiaro azy amin'ny ratsy." - Jao. 17:15. Ny Kristianina dia tokony hahatsapa, eo amin'ny fifanakalozana ara-barotra ataony, fa mijery azy Andriamanitra. Tsy tokony hampiasa mizana mandainga (...) na oviana na oviana izy. (...)

Eo amin'izay ataony rehetra eo amin'ny fiainana, ny tena Kristianina dia araka izay iriny hoheverin'ny hafa momba azy tokoa. (...) Sakaiza sy mpanao soa izay rehetra mifandray aminy izy, ary matoky azy ny olombelona namany satria mendri-pitokiana izy.

Mampiasa olona hamory vokatra ao an-tsompiny ve izy? Tsy hazoniny fa aloany ny vola nisasaran'izany mpiasa izany mafy. Manana fitaovana tsy ilainy maika ve izy? Hamaivaniny ny fahasahiranan'ny rahalahiny mahantra. Tsy mitady ny hampitombo ny fananany amin'ny fanararaotana ny toe-java-tsarotra mianjady amin'ny namany izy. Vidiny ara-drariny ihany no ekeny eo amin'ny varotra ataony. (...)

Mety tsy tsara fiseho ivelany ny olona iray, nefa hotolorana haja izy raha toa malaza ho manana fahitsian-toetra sy marina eo amin'ny raharaha ataony. (...) Mahazo ny fitokian'ny rehetra izay mijoro tsara amin'ny fahamarinana. Tsy ny Kristianina ihany no hitoky aminy, fa tsy manan-tsafidy afa-tsy ny hiaiky ny fahamendrehan-toetrany koa ny olon'izao tontolo izao. — RC, t. 272. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal