Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hery ny toetra tsara

Daty
Alatsinainy 25 November 2024

  "Aoka isika hanana fihavanana amin 'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Tamin'ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin'ny finoana ho amin 'izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin 'ny fanantenana ny voninahitr 'Andriamanitra." - Rôm. 5:1,2 

Mofon’aina:
Tsy nanome toky tsy akory i Kristy fa zavatra mora ny hahatrarana ny   fahatanterahan'ny toetra amam-panahy. (...) Ny toetra amam-panahy ambony dia azo noho ny fiezahan'ny tena manokana amin'ny alalan'ny fahamendrehana sy ny fahasoavan'i Kristy. Manome antsika ny talenta sy ny fahaizana Andriamanitra; anjarantsika ny mamolavola ny toetra amam-panahy. (...) Tolona tsy an-kijanona no enti-miady amin'ireo fironana nolovaina. Tokony hodinihintsika akaiky ny tenantsika ka tsy avelantsika hisy lafiny iray tsy ho voahitsy. (...)

 (...) Hanampy ny olona izay mikatsaka amin'ny finoana tsy azo hozongozonina izany fahatanterahan'ny toetra amam-panahy izany ireo anjelin'ny lanitra, dia ireo izay hahatratra ny fahatanterahana eo amin'ny fampiasana azy. Hoy i Kristy amin'izay rehetra mirotsaka eo amin'izany asa izany: "eo ankavananao hanampy anao Aho.

Rehefa miara-miasa amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny sitrapon'ny olona, dia manan-kery indrindra zany. Na inona na inona tokony hata, noho ny baikony, dia mety ho tanteraka noho ny heriny. Ny baikony rehetra dia samy teny fikasana avokoa. 

(...) Ny fanehoantsika eo amin'ny fiainantsika ny toetra amam-panahin'i Kristy, dia fiarahantsika miasa Aminy eo amin'ny asa famonjem-panahy. (...) Ary arakaraka ny maha-lehibe ny faritra hiasan'ny hery avy amintsika ny habetsahan'ny soa mety ho vitantsika. (…) 

Tsy fantatsika izay vokatra hoentin'ny andro iray, ny ora iray, ny fotoana kely iray, ka na oviana na oviana dia tsy manomboka andro iray isika raha tsy manankina ny lalantsika amin'ny Raintsika any an-danitra. Voatendry hiambina antsika ny anjely, ka raha mitoetra eo amin'ny fiambenany isika, dia ho eo an-kavanantsika izy ireo amin'ny fotoana rehetra misy loza. Rehefa tandindomin-doza tsy fantatsika isika hampiasa hery mitarika ho amin'ny ratsy, dia ho eo anilantsika ireo anjely ireo, hanosika antsika ho amin'ny lalana tsaratsara kokoa, hifidy ny teny hataontsika ho antsika sy hitantana izay hataontsika. (...) - RC, t. 298. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal