Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy misy fetra ny fangorahan'i Kristy

Daty
Zoma 01 November 2024

 "Mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika." - Mat. 8:17.

Mofon’aina:
Tonga tety an-tany i Jesôsy Kristy Tompontsika, tahaka ny mpanompo tsy mety sasatra teo amin'izay nilain'ny olona. "Naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika" Izy mba hahazoany manao fanompoana eo amin'izay rehetra manahirana ny olombelona. (...) Nirahina Izy mba hamerina ny olona ho eo amin'ny laoniny tanteraka; ary tonga mba hanome azy ireo fahasalamana sy fiadanana ary fahatanterahan'ny toetra amam-panahy.

Isan-karazany ny toe-javatra nisy sy ny olana nianjady tamin'ireo izay nitady vonjy taminy, ary tsy nisy izay nanatona Azy ka niveri-maina tsy nahazo fanampiana. (...)

Tsy voasakantsakan'ny fotoana na ny toerana ny asan'ny Mpamonjy. Tsy misy fepetra ny fangoraham-pony. Nidadasika indrindra ny fitondrany ny asam-panasitranana sy ny asa fampianarana nataony ka tsy nisy trano malalaka tany Patestinina ampy hibosesehan'ireo vahoaka izay nitangorona teo Aminy. (...)

Tany amin'ny tanan-dehibe rehetra sy ny tanana rehetra ary ny vohitra rehetra nandalovany, dia nametra-tanana tamin'ny tra-pahoriana Izy ka nanasitrana azy. Na taiza na taiza nisy fo vonona handray ny hafatra nentiny dia nampahery azy ireo Izy tamin'ny fanomezan-toky momba ny fitiavan'ny Rainy izay any an-danitra. (...)

Nilonjy ny vesatry ny andraikitra momba ny famonjena ny olona i Jesôsy . Fantany fa raha tsy hisy fiovana hentitra eo amin'ny filamatra sy ny fikasan'ny taranak'olombelona, dia ho very izy rehetra. Izany no nitambesatra tamin'ny fanahiny, ary tsy nisy afaka hahatsapa ny lanjan'izany. Nanirery Izy na teo amin'ny fahazazany, na teo amin'ny fahatanorany, na teo amin'ny fahalehibeazany. (...)

Isan'andro dia nifanehatra tamin'ny fitsapana sy ny fakam-panahy Izy, ary nifampikasoka tamin'ny ratsy sy nahita maso ny herin'izany teo amin'ireo izay tiany hotahina sy hovonjena. Nefa dia tsy reraka na kivy Izy. (...)

Nahari-po sy miramirana mandrakariva Izy (...). Tsinjony izay nilain'ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy sy ny tanora, ary izy rehetra no nandefasany ny fiantsoana hoe: "Mankanesa aty Amiko." (...)

Raha nitety ny vohitra sy ny tanana Izy, dia tahaka ny ony velona nanaparasaka aina sy fifaliana no fandraisan'ny vahoaka Azy. - RC, t. 19. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal