Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy misy fetra ny fangorahan'i Kristy

Daty
Zoma 01 November 2024

 "Mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika." - Mat. 8:17.

Mofon’aina:
Tonga tety an-tany i Jesôsy Kristy Tompontsika, tahaka ny mpanompo tsy mety sasatra teo amin'izay nilain'ny olona. "Naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika" Izy mba hahazoany manao fanompoana eo amin'izay rehetra manahirana ny olombelona. (...) Nirahina Izy mba hamerina ny olona ho eo amin'ny laoniny tanteraka; ary tonga mba hanome azy ireo fahasalamana sy fiadanana ary fahatanterahan'ny toetra amam-panahy.

Isan-karazany ny toe-javatra nisy sy ny olana nianjady tamin'ireo izay nitady vonjy taminy, ary tsy nisy izay nanatona Azy ka niveri-maina tsy nahazo fanampiana. (...)

Tsy voasakantsakan'ny fotoana na ny toerana ny asan'ny Mpamonjy. Tsy misy fepetra ny fangoraham-pony. Nidadasika indrindra ny fitondrany ny asam-panasitranana sy ny asa fampianarana nataony ka tsy nisy trano malalaka tany Patestinina ampy hibosesehan'ireo vahoaka izay nitangorona teo Aminy. (...)

Tany amin'ny tanan-dehibe rehetra sy ny tanana rehetra ary ny vohitra rehetra nandalovany, dia nametra-tanana tamin'ny tra-pahoriana Izy ka nanasitrana azy. Na taiza na taiza nisy fo vonona handray ny hafatra nentiny dia nampahery azy ireo Izy tamin'ny fanomezan-toky momba ny fitiavan'ny Rainy izay any an-danitra. (...)

Nilonjy ny vesatry ny andraikitra momba ny famonjena ny olona i Jesôsy . Fantany fa raha tsy hisy fiovana hentitra eo amin'ny filamatra sy ny fikasan'ny taranak'olombelona, dia ho very izy rehetra. Izany no nitambesatra tamin'ny fanahiny, ary tsy nisy afaka hahatsapa ny lanjan'izany. Nanirery Izy na teo amin'ny fahazazany, na teo amin'ny fahatanorany, na teo amin'ny fahalehibeazany. (...)

Isan'andro dia nifanehatra tamin'ny fitsapana sy ny fakam-panahy Izy, ary nifampikasoka tamin'ny ratsy sy nahita maso ny herin'izany teo amin'ireo izay tiany hotahina sy hovonjena. Nefa dia tsy reraka na kivy Izy. (...)

Nahari-po sy miramirana mandrakariva Izy (...). Tsinjony izay nilain'ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy sy ny tanora, ary izy rehetra no nandefasany ny fiantsoana hoe: "Mankanesa aty Amiko." (...)

Raha nitety ny vohitra sy ny tanana Izy, dia tahaka ny ony velona nanaparasaka aina sy fifaliana no fandraisan'ny vahoaka Azy. - RC, t. 19. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal