Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asandrato i Jesôsy

Daty
Talata 03 December 2024

 « Izaho no Solofo sy taranak’i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro.» - Apôk. 22:16. 

Mofon’aina:
Manoloana antsika ireo loza amin'ny andro farany, ary tokony hampitandrina ny olona ny amin'ny loza eo anoloan'izy ireo isika amin'ny asa ataontsika. Aoka hodinihina ireo zavatra nampitandreman'ny faminaniana. Raha mba mifoha mantsy ny vahoakantsika na amin'ny ampahany ihany aza, raha tsapany ny fahantomoran'ny fotoana voalaza ao amin'ny Apôkalipsy, dia hisy fifohazana ao amin'ny fiangonantsika, ary betsaka no hino ny hafatra. (...) Fitsipika vaovao no arosoy ary ny fahamarinana mazava no asandrato. Ho toy ny sabatra roa lela izany. Aza maika ny hametraka fisainana manohitra anefa. Misy fotoana ilantsika mitony ary mijery ny famonjen'Andriamanitra. Avelao i Daniela hiteny, avelao ny Apôkalipsy hilaza ary ambarao ny fahamarinana. Na manao ahoana na manao ahoana toetry ny hafatra dia asandrato ho ivon'ny fanantenana rehetra i Jesôsy ilay «Solofo sy taranak 'i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro».

 Tsy mikatsaka lalina ny fahamarinana isika. Ny fanahy tsirairay izay mino ny fahamarinana ankehitriny dia hoentina eo amin'ny toerana izay iandrasana azy hanome ny anton'ny fanantenana ao anatiny. Hantsoina hitsangana manoloana mpanjaka, andriana, mpitondra ary ireo olobe eto an-tany ny vahoakan' Andriamanitra, ary ilain' ireo sokaj in' olona ireo ho fantatra fa tena mahalala ny fahamarinana izy ireo. Tokony ho lehilahy sy vehivavy niova fo izy ireo. Afaka mampianatra zavatra be lavitra anao ao anatin'ny fotoana fohy Andriamanitra amin'ny alalan'ny Fanahiny Masina noho ny avy amin'ireo olona manana ny maha-izy azy eto amin'izao tontolo izao. Mandinika ny fifanoherana miseho eto amin'ity tany ity izao tontolo rehetra izao. Amin' ny vidiny tsy hay tombanana no nanomezan'Andriamanitra ny olona tsirairay ny fotoana fanararaotra mba hahafantarany izay hahavonona azy handray ny famonjena. Endrey ny hafanam-pon'ny anjely te hahita izay olona hanararaotra izany tombon-tsoa izany! Raha misy hafatra velarina eo anoloan'ny olon'Andriamanitra dia tsy tokony hanohitra avy hatrany izy; tokony hankeo amin'ny Baiboly izy ka hisedra izany amin'ny lalàna sy ny vavolombelona. Ho hitany eo raha marina izany na tsia. (...) Afaka mifaly amin'ny zavatra tsara isan'andro isika satria afaka manokatra ny haren'ny lanitra rehetra ho antsika isan'andro Andriamanitra. — Ma, t. 23

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal