Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aolana ny fahamarinana

Daty
Sabotsy 14 December 2024

 "Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro, aty Kristy, na: Indro, ary; aza mino hianareo." - Mat. 24:23.

Mofon’aina:

Mialoha ny fianahan'ny asan'ny fihemorana farany dia hisy fifanjevoana eo amin'ny finoana (...) mikasika ny zava-miafin'Andriamanitra. Haolana tsirairay ny fahamarinana.

Aorian'ny fitoriana ny fahamarinana ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia hampiasa ny heriny rehetra i Satana sy ny tafiny, ary hisy fisavorovoroana ao an-tsain'ny maro noho ireo feo maro miantso hoe: "Indro, atS, Kristy; indro, ary Izy. Ity no fahamarinana; manana hafatra avy amin' Andriamanitra aho; naniraka ahy hitondra fahazavana lehibe Izy." Avy eo dia hisy fanolanana ny fahamarinana efa ela sy fiezahana handrodana ny andrin'ny finoantsika. Amin'ny ezaka mafimafy kokoa no hanandratana ilay sabata sandoka sy haniratsirana an'Andriamanitra mihitsy aza, noho ny fanoloana ilay andro izay notahiny sy nohamasininy. Lalana mampahory no hanamafisana io sabata sandoka io. 

Hisy famitahana maro isan-karazany hiseho amin'ny hoavy, ary mila miorina mafy isika tsy ho voahozongozona. (...) Tsy misy azo anesorana na kely monja aza amin'izay efa naorin'ny Tompo. Hampiditra fampianaran-diso ny fahavalo, toy ilay milaza fa tsy misy ny fitoerana masina. Izany dia anisan'ny hampiala ny sasany amin'ny finoana. 

Hisy nofy sy fahitana sandoka, izay marina amin'ny ampahany kanefa mampanalavitra amin'ilay finoana tena izy. Efa nomen'Andriamanitra fitsipika ny olombelona hamantarana azy ireny: "Ho amin'ny lalana sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, dia olona izay tsy hiposahan 'ny fahazavan 'ny maraina. " — Isa. 8:20. 

Hifangaro tanteraka amin'ny fahamarinana ny fampianarana sandoka (...) hany ka izay tarihin'ny Fanahy Masina irery ihany no hahay hanavaka ny marina amin'ny diso. Mila miezaka fatratra isika mba tsy hivily amin'ny lalan'ny Tompo. Tsy azontsika atao velively ny miala amin'ny torolalany ka hametraka ny fitokiantsika amin'ny olombelona. Notendrena hiambina sy hanara-maso amin'ny fomba hentitra ireo izay tena mino an'Andriamanitra ny anjely, ary natao hanampy antsika manokana izy ireo amin'ny fotoana rehetra ilantsika izany. Mila manatona ny Tompo amin-toky sy finoana tanteraka isan'andro isika, (...). Ireo izay tarihin'ny Tenin'ny Tompo dia hahay hanavaka mazava tsara ny sandoka amin'ny tena izy (...). — Ma, t. 192

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (7)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal