Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahamboniana ara-panahy azo tratrarina

Daty
Alarobia 18 December 2024

 "Ary ho an 'izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana." - Joda 24.

Mofon’aina:
Nankato ireo fitakian'ny lalana rehetra i Kristy (…)

Noho ny amin'izany fankatoavany lavorary izany dia nataony ho azon'ny olombelona tsirairay efaina ny mankato ny didin'Andriamanitra. Rehefa milefitra eo amin'i Kristy isika, ny fontsika dia miray amin'ny fony, voasaron'ny sitrapony ny sitrapontsika, manjary iray amin'ny sainy ny saintsika, voababony ny eritreritsika; mivelona amin'ny fiainany isika. Izany no atao hoe mitafy ny akanjom-pahamarinany. Amin' izay rehefa mijery antsika ny Tompo, dia tsy (...) ny fanimban'ny fahotana no hitany, fa ny akanjom-pahamarinan'ny tenany, dia flay fankatoavana tanteraka ny lala.n'i Jehovah. 

Nanome fomba handresena ny fahotana rehetra sy hanoherana ny fakam-panahy rehetra (...) ny drafi-panavotan'Andriamanitra.

Tsy manala tsiny ny fahotana ny fakam-panahy mahery indrindra. Na inona na inona tsindry mitambesatra amin'ny fanahy, dia asa miankina amin'ny safidintsika manokana ny handika lalana. Na ny tany na ny helo dia tsy manana fahefana hanery antsika hanota. Tsy maintsy ho nanaiky hanao izany isika, ary nilefitra teo amin'ny fahotana ny fo, raha tsy izany dia tsy handresy ny fahaiza-mandanjalanja ny firehetam-po, ary tsy handresy ny fahamarinana ny fahotana.

Raha mialoka eo ambany faneva voatentin'ny ran'Ilay Andriana Imanoela isika, ka manao ny asany amim-pahatokiana, dia tsy hitolo-batana amin'ny fakam-panahy na oviana na oviana satria mijoro eo anilantsika Day mahazona antsika tsy ho lavo. 

Tsy ilaintsika ny hitany ireo fironana feno fahotana ao anatintsika na dia iray aza.

 Rehefa miray amin'ny fomban' Andriamanitra isika, dia voaisotra tsy ho ao amin'ny toetrantsika ny fironana nolovana tamin'ny razana sy ireo nambolentsika, ary tonga hery velona hiasa ho amin'ny tsara isika. Miara-miasa amin'Andriamanitra isika handresy ny fakam-panahin'i Satana amin'ny fianarana mandrakariva eo amin'Ilay Mpampianatra avy any an-danitra sy amin'ny firaisana amin'ny Fombany. Miasa Andriamanitra ary miasa koa ny olona, mba hahatonga ny olona ho iray amin'i Kristy tahaka an'i Kristy iray amin'Andriamanitra. Rehefa izany dia hiara-mipetraka amin'i Kristy any an-danitra isika. (...) — Ma, t. 225

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (7)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal