Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Iza no mandray ny marika?

Daty
Alakamisy 19 December 2024

  "Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy." - Apôk. 14:5.

Mofon’aina:
Ireo izay mandray ny tombokasen'Andriamanitra velona ihany no hahazo ny pasipaoro hahafahana miditra eo amin'ny vavahadin'ny Tanana masina (...)

Hapetraka eo amin'ny handrin'ireo izay manam-pitoviana amin' i Kristy eo amin'ny toetra ny tombokasen'Andriamanitra velona.

Tahaka ny fandraisan'ny savoka ny tombokase no tokony handraisan'ny fanahy ny fiasan'ny Fanahin' Andriamanitra sy hihazonany ny endrik' i Kristy.

Maro no tsy handray ny tombokasen' Andriamanitra satria tsy mitandrina ny didiny ary tsy mitondra ny voan'ny fahamarinana.

Hahita fahadisoam-panantenana mangidy tokoa ny ankamaroan'ireo izay mitonona ho Kristianina rehefa tonga ny andron'i Jehôvah. Tsy hanana ny tombokasen'Andriamanitra velona eo amin'ny handriny izy ireo. Matimaty izy no sady tsy miraika ka manala baraka an'Andriamanitra mihoatra noho izay mitonona ho tsy mpino. Mitsapatsapa anaty haizina izy ireo kanefa azony atao ny mandeha amin'ny fahazavan'ny mitataovovonana ao amin'ny Tenin'Andriamanitra, eo ambany fitarihan'Ilay tsy mety manao fahadisoana (...)

Ireo izay mandray ny fahalalana sy ny fanambarana avy amin'ny Baiboly, Tenin'Andriamanitra, no hoentin Zanak'ondry eo amin'ny loharanon’ny rano velona, ary hofafany ny ranomaso rehetra eo amin'ny mason' izy ireo (…)

Aoka isika tsy haka tahaka olombelona na iza na iza. Tsy m olombelona manana ny fahendrt tokony hataontsika fenitra. I Kristy Jesôsy no tokony hobanjinintsika, no mahatratra ny fahatanterahana amin'ny fahamarinana sy fahamasinal Izy no Tompon'ny finoantsika Mpanefa izany. Izy no modely. Ny fanandramana niainany no tokony handrefesantsika ny fanandramana tokony ho antsika. Ny toetrany no toko hotahafintsika. Andeha ary hesorintsika tsy hifantoka amin'ny fahasahirana sy fahasarotana eo amin'izao fiaina izao ny saintsika, andeha hoentina Aminy izany, mba hanahaka Azy isika rehefa mibanjina Azy. Azontsika atao ny mibanjina an'i Kristy; mahasoa antsika izany. Azontsika atao ny  Aminy amin-toky fa mahalala ny zava-drehetra Izy. Rehefa mijery sy misaintsaina ny momba Azy isika dia ho ary ao anatintsika Izy, Ilay fanantenan'ny voninahitra.

Andeha isika hiezaka hampiasa hery rehetra nomen'Andriamanitra antsika mba ho isan'ireo efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy. Ma, t. 241 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal