Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

An’ i Kristy ny haja ambony indrindra.

Daty
Talata 31 December 2024

« Dia hisy hanao aminy hoe: Ka inona itony ratra amin’ny tananao itony? Dia hovaliany hoe: naratra tao an-tranon’ny sakaizako ireny. » Zak. 13:6. 

“Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany” – Apôk. 21:1. Manadio ny tany ny afo izay mandevona ny ratsy fanahy. (...)

Fampahatsiahivana tokana ihany no hitoetra; hitondra mandrakariva ny holatry ny nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana Ilay Mpanavotra antsika. (...) Hoy ny mpaminany raha mibanjina an’i Kristy ao amin’ny voninahiny izy: “Misy famirapiratana toy ny mazava, ary misy tana-masoandro avy eo am in’ny tanany; ary ao no fieren’ny heriny” - Hab. 3:4. Amin’io lanivoany voatrobaka io izay nijininihan’ny ra nampihavana ny olombelona tamin’Andriamanitra no ahitana ny voninahitry ny Mpamonjy, ao no “fieren’ny heriny”. “Mahery ka mahavonjy” Izy amin’ny alalan’ny soron’ny fanavotana; noho izany dia manan-kery hampihatra famaliana amin’ireo izay nanamavo ny famindrampon’Andriamanitra Izy. Koa ny mariky ny fanetren-tenany no voninahiny ambony indrindra; mandritra ny mandrakizay dia hampiseho ny fiderana Azy sy ny heriny ny holatr’i Kristy.

Ny hazo fijalian’i Kristy no ho fianarana sy ho anton-kiran’ny voavotra mandritra ny mandrakizay manontolo. Ao amin’i Kristy omem-boninahitra no hibanjinany an’i Kristy voahombo. Tsy hohadinoina na oviana na oviana fa Ilay (...) Malalan’Andriamanitra (...) dia nietry mba hanandratra ny olombelona lavo; nitondra ny heloka sy ny fahafaham-baraka noho ny fahotana; nizaka ny nanafenan’ny Ray ny tavany, mandra-pahavaky ny fony noho ny vesatry ny ozon’izao tontolo izao ka nahatorotoro ny ainy teo amin’ny hazo fijalian’i Kristy. Raha Ilay nahary izao tontolo rehetra izao (...) no nanaiky ny hametraka ny voninahiny ka nanetry tena noho ny fitiavana ny olombelona, izany dia hampitolagaga mandrakariva ny tany aman-danitra sy hahatonga azy hiankohoka Aminy. Rehefa mijery ny Mpanavotra azy ireo firenena voavonjy ka mibanjina ny seza fiandrianany izy ireo, izay haharitra mandrakizay mandrakizay, ary ho fantany fa tsy hanam-pahataperana ny fanjakany, dia hanandratra ny hiram-piravoravoany izy ka hanao hoe: “Mendrika, mendrika ny Zanak’ondry Izay efa novonoina, ka efa nanavotra antsika ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny rany sarobidy indrindra!” – Ma, t. 362.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal