Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manana fo feno fankasitrahana.

Daty
Alatsinainy 06 January 2025

«Ary Mosesy sy ny Zanak'Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an’i Jehôvah ka nanao hoe: Hihira ho an’i Jehôvah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin’ny ranomasina. Jehôvah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho. » Eks. 15:1,2.

Mofon’aina:      
Nisandratra toy ny firaondraonan’ny ranomasina izany hira mahafinaritra nohirain’ny olon-drehetra izany. Namakivaky ny ranomasina sy ny tany foana ny akony fa natosiky ny tendrombohitra manodidina niverina. (...)

Namela marika tsy azo kosehina tao an-tsain’ny vahoaka hebreo io hira io sy ny fanafahana lehibe izay tsiahiviny. Nohirain’ny mpaminany sy ny mpanao tonon-kira teo amin’ny Isiraely izany nandritra ny taonjato nifandimby mba hitory fa Jehôvah no hery sy fanavotana ho an’izay olona mialoka Aminy. Tsy natokana ho an’ny firenena jiosy irery io fihirana io. Manambara ny fandresena farany izay ho azon’ny Isiraelin’Andriamanitra sy ny fandevonana ny fahavalon’ny fahamarinana rehetra amin’ny andro ho avy koa izany. Ny mpaminany tao Patmô dia nandre ny mpandresy niakanjo fotsy lava sy nitana ny lokangan’Andriamanitra teo ambonin’ny ranomasina fitaratra miaro afo, «nihira ny fihiran’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra, sy ny fihiran’ny zanak’ondry» (...)

Izany no hevitra raketin’ny fihiran’i Mosesy ka tokony hanetsika ny olona rehetra izay tia sy matahotra an’Andriamanitra koa. Nanao fanavotana lehibe lavitra noho izay nataony ho an’ny Hebreo teo amoron’ny Ranomasina Mena Andriamanitra, raha nanafaka antsika tamin’ny fanandevozan’ny ota. (...) Aoka hidera an’i Jehôvah sy ny zava-mahagaga vitany amin’ny feo mafy vokatry ny fo. Hanandratra ny feony hanao hira fiderana ireo izay mihevitra ny famindrampo miezinezina nataon’i Jehôvah, nefa koa tsy hanadino ireo fanomezam-pahasoavana madinika nomeny. Tokony hataontsika antom-pîsaorana tsy tapaka ny soa raisintsika isan’andro avy Aminy, ary ambonin’ireny rehetra ireny ny fahafatesan’i Jesôsy izay nahazoantsika nandray ny fahasambarana sy ny rivo-piainan’ny lanitra. Fangoraham-po manao ahoana loatra, fitiavana tsy takatry ny saina manao ahoana re no asehon’Andriamanitra antsika tamin’ny nanaovany antsika (...) ho anisan’ny ankohonany, sy nanaovany antsika ho antoky ny fitahiany sy ny fifaliany! – PM, tt. 272,273, ed. 2014.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal