Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Milefera amin'ny sitrapon' Andriamanitra

Daty
Zoma 10 January 2025

"Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona." - Lio. 21:36. 

Mofon’aina:
Mivavaha hatrany amin'ny Rainao any an-danitra. Arakaraka ny ivavahanao matetika no hahatonga ny fanahinao ho voasintona hanakaiky an'Andriamanitra masina. Hifona ho an'ny mpangataka tso-po ny Fanahy Masina, amin'ny fitarainana tsy azo tononina, ary halefaka sy hilefitra eo anatrehan'ny fitiavan'Andriamanitra ny fo. Hisava ny rahona sy ny aloka anaronan'i Satana ny fanahy, amin'ny alalan'ny taratra mazavan'ny Masoandron'ny fahamarinana, ka hohazavain'ny Fahazavana avy any an-danitra ireo efitrefitra ao amin'ny saina sy ny fo.

Kanefa aza kivy raha toa tsy mivaly eo no ho eo ny vavakao. Hitan'ny Tompo fa matetika mifangaro amin'ny fisainana ara-nofo eto an-tany ny vavaka. Ny hanomezana fahafaham-po ny faniriany feno fitiavan-tena no ivavahan'ny olona, koa tsy valian'Andriamanitra amin'ny fomba antenain'izy ireo ny vavaka ataony. Ampandaloviny fisedrana sy fitsapana izy ireo, ataony mietry, mandra-pahitan'izy ireo mazava ny tena ilainy. Tsy omen'ny Tompo ny zanany izay zavatra manome fahafaham-po ny filana ambany, na izay manimba ny olombelona, na izay manala baraka azy eo imason'Andriamanitra. Raha fanirian-daza na ho fanandratan-tena fotsiny ny tanjon'izy ireo, dia tsy homeny azy izay angatahiny. Tsy maintsy amin'ny fo mietry sy torotoro, milefitra tanteraka amin'ny sitrapony masina, no anatonantsika an'Andriamanitra.

Nanao izao vavaka izao i Kristy tao amin'ny saha Getsemane: "Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity." Ny kapoaka nentiny amim-bavaka mba hesorina Aminy, izay toa mangidy loatra ho an'ny fanahiny, dia ny kapoaky ny fisarahana amin'Andriamanitra noho ny fahotan'izao tontolo izao. Tonga toy ny meloka teo anatrehan'Andriamanitra Izy, Izay tanteraka sy tsy manan-tsiny, mba ho voavela heloka ny meloka ka hijoro tsy hanan-tsiny eo anatrehan'Andriamanitra. Rehefa azony antoka fa tsy misy fomba hafa azo amonjena izao tontolo izao afa-tsy ny fanaovana sorona ny Tenany, dia hoy Izy: "nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao." Ny toe-tsaina milefitra nasehon'i Kristy teo am-panandratana vavaka amin'Andriamanitra no toe-tsaina ankasitrahan'Andriamanitra. — RH, 19 Nôvambra 1895. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal