Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Milefera amin'ny sitrapon' Andriamanitra

Daty
Zoma 10 January 2025

"Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona." - Lio. 21:36. 

Mofon’aina:
Mivavaha hatrany amin'ny Rainao any an-danitra. Arakaraka ny ivavahanao matetika no hahatonga ny fanahinao ho voasintona hanakaiky an'Andriamanitra masina. Hifona ho an'ny mpangataka tso-po ny Fanahy Masina, amin'ny fitarainana tsy azo tononina, ary halefaka sy hilefitra eo anatrehan'ny fitiavan'Andriamanitra ny fo. Hisava ny rahona sy ny aloka anaronan'i Satana ny fanahy, amin'ny alalan'ny taratra mazavan'ny Masoandron'ny fahamarinana, ka hohazavain'ny Fahazavana avy any an-danitra ireo efitrefitra ao amin'ny saina sy ny fo.

Kanefa aza kivy raha toa tsy mivaly eo no ho eo ny vavakao. Hitan'ny Tompo fa matetika mifangaro amin'ny fisainana ara-nofo eto an-tany ny vavaka. Ny hanomezana fahafaham-po ny faniriany feno fitiavan-tena no ivavahan'ny olona, koa tsy valian'Andriamanitra amin'ny fomba antenain'izy ireo ny vavaka ataony. Ampandaloviny fisedrana sy fitsapana izy ireo, ataony mietry, mandra-pahitan'izy ireo mazava ny tena ilainy. Tsy omen'ny Tompo ny zanany izay zavatra manome fahafaham-po ny filana ambany, na izay manimba ny olombelona, na izay manala baraka azy eo imason'Andriamanitra. Raha fanirian-daza na ho fanandratan-tena fotsiny ny tanjon'izy ireo, dia tsy homeny azy izay angatahiny. Tsy maintsy amin'ny fo mietry sy torotoro, milefitra tanteraka amin'ny sitrapony masina, no anatonantsika an'Andriamanitra.

Nanao izao vavaka izao i Kristy tao amin'ny saha Getsemane: "Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity." Ny kapoaka nentiny amim-bavaka mba hesorina Aminy, izay toa mangidy loatra ho an'ny fanahiny, dia ny kapoaky ny fisarahana amin'Andriamanitra noho ny fahotan'izao tontolo izao. Tonga toy ny meloka teo anatrehan'Andriamanitra Izy, Izay tanteraka sy tsy manan-tsiny, mba ho voavela heloka ny meloka ka hijoro tsy hanan-tsiny eo anatrehan'Andriamanitra. Rehefa azony antoka fa tsy misy fomba hafa azo amonjena izao tontolo izao afa-tsy ny fanaovana sorona ny Tenany, dia hoy Izy: "nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao." Ny toe-tsaina milefitra nasehon'i Kristy teo am-panandratana vavaka amin'Andriamanitra no toe-tsaina ankasitrahan'Andriamanitra. — RH, 19 Nôvambra 1895. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal