Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mivavaha mangina, tsy mitsahatra

Daty
Alarobia 15 January 2025

 "Aoka hifaly ny fon'izay mitady an 'i Jehôvah. Mitadiava an 'i Jehôvah sy ny heriny, katsaho mandrakariva ny tavany." — 1 Tant. 16:10,11.

Mofon’aina:
Tsy araka ny tokony ho izy ny fandraisan'ny olona ny vavaka. Tsy fampahafantarana an'Andriamanitra izay zavatra tsy fantany izany. Andriamanitra dia efa mahalala ny tsiambaratelon'ny tsirairay. Noho izany dia tsy ilaina ny manao vavaka lava reny na mafy be. Mamaky ny ao am-pontsika ao Andriamanitra ka tokony hanao vavaka miafina izany isika, ary Izy izay mahita ny miafina hihaino ary hamaly araka ny fotoana sy ny toe-javatra mahamety izany.

Ny vavaka amin'ny fihatsaram-belatsihy dia faniratsirana. Andriamanitra tsy mihaino ary "tsy mamaly afa-tsy ny vavaka amin'ny fo" (Isa. 57:15).

Ny vavaka dia tsy manova ny asan'Andriamanitra fa mampifanaraka antsika amin'izany. Tsy manova ny fanatanterahana ny adidy izany. Tsy mahasolo ny trosa amin'ny ampahafolony ny vavaka mivaivay sy tononina matetika. Tsy manolo ny trosantsika amin'Andriamanitra na oviana na oviana ny vavaka.

Ny hery avy amin'ny vavaka dia mametraka antsika amin'ny fanatanterahana ny adidy andavanandro. Ireo fakam-panahy atrehina isan'andro dia mametraka ny vavaka ho lohalaharana. Raha tiana ny hiarovan'Andriamanitra amin'ny herin'ny finoana, dia aoka hanambara ny hetahetam-po amin'ny vavaka mangina isika. Rehefa sendra hery miasa mangina mitaona antsika hanalavitra an'Andriamanitra isika dia aoka hidodododo hangataka fanampiana avy amin'Andriamanitra. Raha tsy manao izany isika dia tsy hahomby velively amin'ny ezaka atao hanapotehana ny avonavona sy andresena ny herin'ny fakam-panahy mitarika antsika hanaram-po amin'ny ota, izay mampanalavitra antsika amin'ny Mpamonjy. Ny fahazavan'ny fahamarinana izay manamasina ny fiainana dia hampibaribary amin'izay mandray azy ny firedaredan'ny faniriana ho amin'ny ota, mitady hanapaka ny fo; ary izany dia mahatonga azy hamory ny heriny sy hampiasa ny tanjany hanoherana an'i Satana mba handreseny amin'ny fahamendrehan'i Kristy. — HT, t. 130.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal