Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mivavaha mangina, tsy mitsahatra

Daty
Alarobia 15 January 2025

 "Aoka hifaly ny fon'izay mitady an 'i Jehôvah. Mitadiava an 'i Jehôvah sy ny heriny, katsaho mandrakariva ny tavany." — 1 Tant. 16:10,11.

Mofon’aina:
Tsy araka ny tokony ho izy ny fandraisan'ny olona ny vavaka. Tsy fampahafantarana an'Andriamanitra izay zavatra tsy fantany izany. Andriamanitra dia efa mahalala ny tsiambaratelon'ny tsirairay. Noho izany dia tsy ilaina ny manao vavaka lava reny na mafy be. Mamaky ny ao am-pontsika ao Andriamanitra ka tokony hanao vavaka miafina izany isika, ary Izy izay mahita ny miafina hihaino ary hamaly araka ny fotoana sy ny toe-javatra mahamety izany.

Ny vavaka amin'ny fihatsaram-belatsihy dia faniratsirana. Andriamanitra tsy mihaino ary "tsy mamaly afa-tsy ny vavaka amin'ny fo" (Isa. 57:15).

Ny vavaka dia tsy manova ny asan'Andriamanitra fa mampifanaraka antsika amin'izany. Tsy manova ny fanatanterahana ny adidy izany. Tsy mahasolo ny trosa amin'ny ampahafolony ny vavaka mivaivay sy tononina matetika. Tsy manolo ny trosantsika amin'Andriamanitra na oviana na oviana ny vavaka.

Ny hery avy amin'ny vavaka dia mametraka antsika amin'ny fanatanterahana ny adidy andavanandro. Ireo fakam-panahy atrehina isan'andro dia mametraka ny vavaka ho lohalaharana. Raha tiana ny hiarovan'Andriamanitra amin'ny herin'ny finoana, dia aoka hanambara ny hetahetam-po amin'ny vavaka mangina isika. Rehefa sendra hery miasa mangina mitaona antsika hanalavitra an'Andriamanitra isika dia aoka hidodododo hangataka fanampiana avy amin'Andriamanitra. Raha tsy manao izany isika dia tsy hahomby velively amin'ny ezaka atao hanapotehana ny avonavona sy andresena ny herin'ny fakam-panahy mitarika antsika hanaram-po amin'ny ota, izay mampanalavitra antsika amin'ny Mpamonjy. Ny fahazavan'ny fahamarinana izay manamasina ny fiainana dia hampibaribary amin'izay mandray azy ny firedaredan'ny faniriana ho amin'ny ota, mitady hanapaka ny fo; ary izany dia mahatonga azy hamory ny heriny sy hampiasa ny tanjany hanoherana an'i Satana mba handreseny amin'ny fahamendrehan'i Kristy. — HT, t. 130.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal