Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Voavaly ny vavak'i Hana

Daty
Alakamisy 23 January 2025

 "Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen'i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy." — 1 Sam. 1:27.

Mofon’aina:
Lehilahy tia vavaka sady marina i Elkana, levita mpanan-karena avy amin'ny ankohonan'ny Efraima. Netsehin'ny finoana tony sy ny fitiavam-bavaka mafana koa i Hana vadiny, vehivavy malemy fanahy sady tsotra. Tsy mba nomena azy ny tombon-tsoa hampitoetra mandrakizay ny anarany, izay nirin'ny Hebreo rehetra fatratra: tsy mba nisy feon-jaza nampifalifaly mantsy tao an-tokantranony (...) ka nanapa-kevitra haka vady faharoa, izay tsy nahasambatra azy velively izy. (...) Foana tao an-tokantranony ny hatsaran'ny fitsipika naorin'Andriamanitra sy ny fiadanam-po. Saro-piaro sady tia tena i Penina vadiny faharoa. (...) Ho an'i Hana, dia tsy nisy intsony ny fahafinaretana teo amin'ny fiainana, nefa dia nozakainy tamim-paharetana mampangorakoraka ny fitsapana nentiny. (...)

Tsy nitaraina i Hana na dia indraim-bava aza, fa lasa namboraka tamin'i Jehôvah ny fahoriany izay tsy azony nozaraina tamin'olombelona na iza na iza. Tao amin'ny fivavahana nataony, dia nangataka mafy taminy izy mba hanolorana azy fanomezana sarobidy dia zanakalahy iray hotezainy ho Azy. Dia nivoady mafy tamin'Andriamanitra izy, fa raha tahiny mivaly ny fangatahany, dia hatokany ho Azy ny zaza raha vao teraka. (...)

Nivaly ny vavaka nataon'i Hana. Azony ny zazalahy izay niriny fatratra. (...) Ity zanaka lahitokana nomena tamin'ny fomba mahagàga ho valin'ny finoana sy harena sarobidy natokany ho an'Andriamanitra ity anefa, dia foiny manontolo ho an'Ilay nanome azy sy Tompony rahateo. Raha vao ampy taona afaka hisaraka amin-dreniny ny zaza, dia notanterahiny ny voady nataony. (...)

 Niverina avy any Silo hody amim-piadanana any Rama i Hana, ka nandao ny zanany, voantso hiofana amin'ny asa fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra (...). Raha vao nitsiry ny sain'i Samoela, dia nampianarin-dreniny hanaja an'Andriamanitra sy hahatsiaro tena fa voatokana ho Azy izy. Mba hitarihana ny sainy ho any amin'ny Mpahary dia tsy nisy zavatra nataon'i Hana an-tsirambina na dia kely aza (...). Tsy ny voninahitr 'izao tontolo izao mihitsy no nangatahiny ho azy fa ny hahatonga azy ho madio sy marina ary antra olona; iriny ho azony ny tena fahalehibeazana marina dia ny hanaja an'Andriamanitra sy ny hanasoa ny namany. — PM, tt. 574-577, ed. 2014. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal