Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Voavaly ny vavak'i Hana

Daty
Alakamisy 23 January 2025

 "Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen'i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy." — 1 Sam. 1:27.

Mofon’aina:
Lehilahy tia vavaka sady marina i Elkana, levita mpanan-karena avy amin'ny ankohonan'ny Efraima. Netsehin'ny finoana tony sy ny fitiavam-bavaka mafana koa i Hana vadiny, vehivavy malemy fanahy sady tsotra. Tsy mba nomena azy ny tombon-tsoa hampitoetra mandrakizay ny anarany, izay nirin'ny Hebreo rehetra fatratra: tsy mba nisy feon-jaza nampifalifaly mantsy tao an-tokantranony (...) ka nanapa-kevitra haka vady faharoa, izay tsy nahasambatra azy velively izy. (...) Foana tao an-tokantranony ny hatsaran'ny fitsipika naorin'Andriamanitra sy ny fiadanam-po. Saro-piaro sady tia tena i Penina vadiny faharoa. (...) Ho an'i Hana, dia tsy nisy intsony ny fahafinaretana teo amin'ny fiainana, nefa dia nozakainy tamim-paharetana mampangorakoraka ny fitsapana nentiny. (...)

Tsy nitaraina i Hana na dia indraim-bava aza, fa lasa namboraka tamin'i Jehôvah ny fahoriany izay tsy azony nozaraina tamin'olombelona na iza na iza. Tao amin'ny fivavahana nataony, dia nangataka mafy taminy izy mba hanolorana azy fanomezana sarobidy dia zanakalahy iray hotezainy ho Azy. Dia nivoady mafy tamin'Andriamanitra izy, fa raha tahiny mivaly ny fangatahany, dia hatokany ho Azy ny zaza raha vao teraka. (...)

Nivaly ny vavaka nataon'i Hana. Azony ny zazalahy izay niriny fatratra. (...) Ity zanaka lahitokana nomena tamin'ny fomba mahagàga ho valin'ny finoana sy harena sarobidy natokany ho an'Andriamanitra ity anefa, dia foiny manontolo ho an'Ilay nanome azy sy Tompony rahateo. Raha vao ampy taona afaka hisaraka amin-dreniny ny zaza, dia notanterahiny ny voady nataony. (...)

 Niverina avy any Silo hody amim-piadanana any Rama i Hana, ka nandao ny zanany, voantso hiofana amin'ny asa fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra (...). Raha vao nitsiry ny sain'i Samoela, dia nampianarin-dreniny hanaja an'Andriamanitra sy hahatsiaro tena fa voatokana ho Azy izy. Mba hitarihana ny sainy ho any amin'ny Mpahary dia tsy nisy zavatra nataon'i Hana an-tsirambina na dia kely aza (...). Tsy ny voninahitr 'izao tontolo izao mihitsy no nangatahiny ho azy fa ny hahatonga azy ho madio sy marina ary antra olona; iriny ho azony ny tena fahalehibeazana marina dia ny hanaja an'Andriamanitra sy ny hanasoa ny namany. — PM, tt. 574-577, ed. 2014. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal