Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Valiana soa ny fankatoavana

Daty
Alarobia 12 February 2025

"Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny Tompo izany." - Kôl. 3:20.

Mofon’aina:
Ny zanaka tsy manaja sy tsy mankatò ny ray aman-dreniny, ary manao tsinontsinona ny torohevitra sy ny fampianarany, dia tsy manana anjara any amin'ny lanitra sy tany vaovao. Tsy ho an'ny zanaka lahy sy vavy mpikomy, tsy mpankatò, na tsy mahay mankasitraka ny tany vaovao efa nodiovina. Raha tsy mianatra mankatô sy milefitra dieny eto izy ireo dia tsy hahay mihitsy; tsy avela hosimban'ireo zaza maditra tsy azo anarina sy fehezina ny fiadanan'ireo voavotra. Tsy misy mpandika lalàna mahazo mandova ny fanjakan'ny lanitra.

Amin'izay rehetra ataon'ny tanora, na teny na fihetsika, dia takina hanao izany amin'ny anaran'i Jesôsy Tompo izy ireo, ka hisaotra an'Andriamanitra Ray amin'ny alalany. Hitako fa vitsy monja ny tanora mahatakatra ny atao hoe Kristianina, na manana toetra tahaka ny an'i Kristy. Mila mianatra ireo fahamarinana ao amin'ny tenin' Andriamanitra izy ireo vao afaka mampifanaraka ny fiainany amin'ny ohatry omena ao. Tsy misy iray amin'ny roapolo ny tanora manana fiainana misaraka amin'izao tontolo izao, izay takin'ny Tompo amin'ireo rehetra maniry ho isan'ny ankohonany (...) "Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehôvah . "Ary aza manendry izay zavatra tsy madio ary Izaho dia handray anareo. Ary ianareo ho zanako lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehôvah Tsitoha." — 2 Kôr. 6:17,18.

Fatratra izany teny fikasana izany saingy ho an'izay mankatô ihany Tsy maintsy misaraka amin'ireo havana aman-tsakaiza ve ianao rehefa manapa-kevitra ny hankatò ireo fahamarinana ambony ao amin'ny tenin'Andriamanitra? Mahereza, efa vonona hanampy anao Andriamanitra manatsotra ny sandriny handray anao Izy. (...) Raha misy tsy maintsy afoinao raha tsy maintsy mandao ny raina( ianao, na ny reninao, na ny iray tampo aminao, na ny vady aman-janakao noho ny amin'i Kristy, dia tsy ho ory namana ianao tsy akory. Manjary isan'ny ankohonan' Andriamanitraianao, zanakalahy sy zanakavavin'Ilay Mpanjakan'ny lanitra. Inona indray ny toerana ambony irinao mihoatra noho izany? Tsy efa ampy ve izany? — TFC b. 1, tt. 497-510. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (52)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal