Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Valiana soa ny fankatoavana

Daty
Alarobia 12 February 2025

"Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny Tompo izany." - Kôl. 3:20.

Mofon’aina:
Ny zanaka tsy manaja sy tsy mankatò ny ray aman-dreniny, ary manao tsinontsinona ny torohevitra sy ny fampianarany, dia tsy manana anjara any amin'ny lanitra sy tany vaovao. Tsy ho an'ny zanaka lahy sy vavy mpikomy, tsy mpankatò, na tsy mahay mankasitraka ny tany vaovao efa nodiovina. Raha tsy mianatra mankatô sy milefitra dieny eto izy ireo dia tsy hahay mihitsy; tsy avela hosimban'ireo zaza maditra tsy azo anarina sy fehezina ny fiadanan'ireo voavotra. Tsy misy mpandika lalàna mahazo mandova ny fanjakan'ny lanitra.

Amin'izay rehetra ataon'ny tanora, na teny na fihetsika, dia takina hanao izany amin'ny anaran'i Jesôsy Tompo izy ireo, ka hisaotra an'Andriamanitra Ray amin'ny alalany. Hitako fa vitsy monja ny tanora mahatakatra ny atao hoe Kristianina, na manana toetra tahaka ny an'i Kristy. Mila mianatra ireo fahamarinana ao amin'ny tenin' Andriamanitra izy ireo vao afaka mampifanaraka ny fiainany amin'ny ohatry omena ao. Tsy misy iray amin'ny roapolo ny tanora manana fiainana misaraka amin'izao tontolo izao, izay takin'ny Tompo amin'ireo rehetra maniry ho isan'ny ankohonany (...) "Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehôvah . "Ary aza manendry izay zavatra tsy madio ary Izaho dia handray anareo. Ary ianareo ho zanako lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehôvah Tsitoha." — 2 Kôr. 6:17,18.

Fatratra izany teny fikasana izany saingy ho an'izay mankatô ihany Tsy maintsy misaraka amin'ireo havana aman-tsakaiza ve ianao rehefa manapa-kevitra ny hankatò ireo fahamarinana ambony ao amin'ny tenin'Andriamanitra? Mahereza, efa vonona hanampy anao Andriamanitra manatsotra ny sandriny handray anao Izy. (...) Raha misy tsy maintsy afoinao raha tsy maintsy mandao ny raina( ianao, na ny reninao, na ny iray tampo aminao, na ny vady aman-janakao noho ny amin'i Kristy, dia tsy ho ory namana ianao tsy akory. Manjary isan'ny ankohonan' Andriamanitraianao, zanakalahy sy zanakavavin'Ilay Mpanjakan'ny lanitra. Inona indray ny toerana ambony irinao mihoatra noho izany? Tsy efa ampy ve izany? — TFC b. 1, tt. 497-510. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal