Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mankatò amim-pitiavana, fifaliana

Daty
Sabotsy 15 February 2025

  "Tsy nanan-tsiny hianao tamin'ny nalehanao hatramin‘ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao. Noho ny habetsahan'ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota hianao; Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin'ny tendrombohitr'Andriamanitra hianao, Ary nosimbako hianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin'ny vato mirehitra." — Ezek. 28:15,16.

Mofon’aina:
Tonga lafatra ny fiadanana raha mbola nanjaka tao amin'izay   rehetra noharin'Andriamanitra izany fankatoavana amim-pitiavana izany. Ny fahafinaretan'ny vahoaky ny lanitra dia ny miara-miasa amin'Ilay Mpamorona azy hanatanteraka ny fikasany sy hampamirapiratra ny voninahiny ary hihira ny fiderany. Ambony indrindra taminy ny fitiavana an'Andriamanitra ary ny fifankatiavan'izy samy izy dia feno fahadiovana sy fahafoizan-tena. Tsy nisy na inona na inona nanimba izany firindrana mahafinaritra tany an-danitra izany.

Niova anefa io toe-javatra mahasambatra io. Fa nisy anankiray nanimba ny fahafahana nomen' Andriamanitra ny zavaboariny. Teraka tao am-pon'ilay anjely iray izay nomen'Andriamanitra haja sy voninahitra lehibe indrindra manarakaraka an'i Jesôsy Kristy ny ota.

Losifera, ilay «zanaky ny maraina», masina, tsy nanan-tsiny, nanompo nivantana ny Mpamorona, tamin'ny voalohany dia feno famirapiratan'ny voninahitr'Andriamanitra satria anankiray tamin'ireo kerobima manaloka. (...)

Norotsirotsin'ny hevitra feno hambom-po tsikelikely teny anefa i Losifera. Nihevitra io anjely mahery io fa ny voninahitra lehibe natolotr'Andriamanitra azy dia efa azy rahateo. Tsy afa-po tamin'ny toerana maha-filohan'ny anjely azy izy fa sahy nitsiriritra koa na dia ny haja amam-boninahitra aza izay mendrika hatolotra ny Mpamorona samirery. Tsy mba nampirisika ny vahoaky ny lanitra hanao an'Andriamanitra ho hany Tokana mendrika hivavahana sy hankatoavina izy, fa nataony kosa izay hitiavan'izy ireo azy sy hanompoany azy amin-toetra mahatoky ary na dia ny voninahitra nomen'Ilay Tsy manam-petra ho an'ny Zanany ho tombontsoan'izy io manokana aza dia sahiny notsiriritina. - PM, U. 8,9, ed. 2014.

Lalàna marina, lalàm-pitiavana, lalàna ambony sy masina, antoky ny fahasambaran'ireo mpanompony izay manompo Azy amim-pifaliana, no fototra iorenan'ny fanjakany. Tsy fankatoavana an-jamba fa entanim-pitiavana sady feno fahatokiana sy feno fiderana no irin'Andriamanitra hananan'ny olony. Tsy azony ekena ny fankatoavana an-terisetra ka izany no nanomezany azy safidy malalaka izay fepetra tena ilaina indrindra eo amin'ny fanompoana an-tsitrapo. — PM, t. 8.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal