Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Valisoa eo no ho eo sy mandrakizay.

Daty
Alakamisy 27 February 2025

"Koa alatsaho ao amin'ny fonareo sy ao amin'ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tànanareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin 'ny handrinareo." - Deo. 11:18.

Mofon’aina:
Tokony ho voasokitra ao amin'ny fanahy tsirairay tahaka ny  nosoratana tamin'ny penina vy ireo teny ireo (Deo. 11:13-28 sy ny Deo. 7:6-11). Mitondra ny valisoany ny fankatoavana, ary ny tsy fankatoavana kosa mitondra ny famaliany.

Nomen'Andriamanitra toromarika mazava ny vahoakany (...) mba hahazoan'izy ireo fanandramana tsy misy hokianina eo amin'ny fanompoana Azy ary hahatonga azy ireo ho afaka hijoro ho mpandresy manoloana ny mponin'ny lanitra manontolo sy ny tontolo lavo. Tokony handresy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry sy ny teny vavolombelony izy ireo. Ireo izay tsy nanao ny fiomanana nilaina ho amin'izany dia hisaina ho tsy misaotra sady tsy marina.

Entin'ny Tompo amin'ny lalana tsy fantatr'izy ireo ny vahoakany mba hizahany toetra azy. Ity tontolo ity no toerana izahan-toetra antsika. Eto no anapahantsika hevitra ny amin'izay ho anjarantsika mandrakizay. Mampietry ny olony Andriamanitra mba hahatanteraka ny sitrapony amin' ny alalan'izy ireo. Tahaka izany no nataony tamin'ireo zanak'Isiraely raha nitarika azy namakivaky ny efitra Izy. Nambarany tamin'izy ireo ny ho niafarany raha toa Izy tsy nanatsotra ny Tanany hiaro azy ireo amin'izay mety ho nanisy ratsy azy. (...)

Mitahy ny asan-tanan'ny olom-belona Andriamanitra mba hahafahan' izy ireo mamerina Aminy izay tokony ho anjarany. Tiany raha hampiasain'izy ireo amin'ny fanompoana Azy ny volany mba hahavanom-boa ny voalobony. Tsy maintsy mandinika izay ho nataon'ny Tompo izy ireo, raha tahiny teo amin'ny toerana nisy azy Izy. (...)

 Aoka izy ireo haneho tsy fitiavan-tena eo amin'ny fandraisany anjara amin'ny asan' Andriamanitra izay tontosaina eto an-tany. (...) Aoka hotsaroantsika fa mpiara-miasa amin' Andriamanitra isika. Tsy ampy hoentintsika miasa irery ny fahendrentsika. Efa notendren' Andriamanitra ho mpitantana ny fananany isika, mba hizahana toetra antsika, eny, tahaka ny nizahany toetra ny Isiraely fahiny. Tsy tiany raha miaramila tsy manaraka fitsipika sy tsy voamasina ary tsy azo ianteherana no ao amin'ny tafiny, satria haneho dika vilana ny toetrany (...) izany. - RH, 8 Oktôbra 1901.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal